Flight Simulator

1. daryprod ( 06/02/2009 05:41)
Bjr dôl,
Sao de mba misy afaka miresaka miaraka amiko ity resaka FS ity ho an'izay liana. Tonga de anontaniako eto ny resaka approche ILS @ Boeing 737 na 747. Ahoana ny hevitrareo kay :!:
novalian'i adolph ny 08/09/2017 06:37
2. Herimiafina ( 18/02/2009 02:17)
Ok, approche ILS, na Instrument Landing System.
Zavatra roa no tsara fantarina:
-Allignement amin'ny piste.
-Glydeslopes, na ny trajectoire midina manantona ny seuil de piste.

Tadiavo ny fréquence ILS ny piste tianao hidirana, arakaraky ny aéroport sy ny momba azy (ohatra, Ivato FMMI, freq ILS=109.50, Piste 11, 112degré, elev 4200m), dia ampidiro amin'ny radio NAV1 sy NAV2 (redondance).

Rehefa manomboka miditra approche ianao dia ento manuel ny avion na avadiho ho HDG ny bouton NAV raha mbola pitlote automatika, mandrapahazoana alalana avy amin'ny ATC hoe aiza ny piste tokony hidinanao. Ahitsio tsimoramora manaraka ny circuit d'aéroport (inbound, outbound, base leg, downwind, final) ny avion rehefa mahazo halalana, avy teo dia ezaho ahitsy manaraka ny piste, jereo ny CRS sy ny HSI.

Arakaraky ny habean'ny avion ny ho tokony halavirana manaraka ny seuil de piste ary tadidio fa raha vol commercial dia tsy mahazo manao roulis (inclinaison ailes) mihoatra ny 5%, calculer-o tsara noho izany ny manoeuvre.

Marihina fa raha IFR ny vol ataonao dia efa atoron'ny ATC tsimoramora ny trajectoire sy ny altitude de vol. Matetika raha Ivato raha boeing 737 dia 7500pieds MSL vitesse indiquée 185knots.

Checklist approach, dia araho tsimoramora ny degré de flaps miankina amin'ny vitesse, calculer-o foana ny Vitesse réelle sy ny vitesse indiquée, ny windshear sy ny crosswind fa misy porcentage limite izy ireny hahafahana manao approche interrompue. Aza adino ny mi-armer ny autobrake, ny freins automatika en condition normale reglé sur 2, piste malama sur maximum, sns.

Rehefa hitanao fa efa somary mahitsy manaraka ny piste ny avion, na dia tsy hita maso aza ny piste, dia avadika NAV ny bouton NAV/GPS, manomboka mitady ny frequence ILS ny avion. Izay ilay antsoin'ny ATC hoe LOCALIZER.

Tazomy moramora amin'ny altitude iny ny avion, ary alohan'ny hidirana ny glydeslope na ny trajectoire de descente dia avadiho APPRC ny NAV, tsindrio fotsiny ny bokotra Approche. Mbola tsy tokony ho faty aloha ny temoin altitude sy ny vertical speed, ary maty ho azy eo rehefa mahazo ny glydeslopes ny avion izay manomboka midina automatiquement tsimoramora.

Dia manomboka eo dia ny vitesse sisa no verifier-na manaraka ny degré de flaps izay lazain'ny checklist, miasa ny maso mitady ny piste, ka raha sanatria ka tsy hita ny piste nefa efa tonga amin'ny altitude 800 pieds dia avorter-o ny approche.

Raha boeing 737, arakaraka ny lanjany, flaps sortis tanteraka dia tokony hoe eo amin'ny 125-140Knots eo ho eo ny vittesse en seuil de piste.

Miteny moramora ny GPWS (ground proximity warning system) milaza ny taux de descente, ary rehefa mahatratra 50pieds izany dia averina o (Idle) ny throtle (manette des gaz) ary desactiver-na ny pilote automatika. Ingaina 10degré ny oron'ny avion mba ny kodiarana aoriana no mikasika mialoha.

Rehefa mitohoka amin'ny tany ny kodiarana aloha vao manao Inversion des poussées, ny autobrake dia midina automatika, ary miasa ny aérofreins.
Rehefa midina manantona ny 60knots ny vitesse dia ajanona ny inversion des poussées sao manimba ny turboreacteurs, desactiver-na ny freins automatika. Arakaraky ny checklist.

Saika adinoko:
-Mandritry ny fidinana manaraka ny piste dia tsy miala amin'ny rudder pedals (paloniers) ny tongotra mi-contrer ny fivilianana raha misy vents de travers, na cisaillement de vents.
-Aza adino ny mi-regler ny altitude manaraka pression athmosphérique izay omen'ny ATC anao.
-Mitovitovy amin'izay ihany ny boeing 747 saingy ny checklists no mahasamihafa azy.

Dia mazotoa, bon vol.
:^)
3. daryprod ( 18/02/2009 14:18)
Misaotra betsaka t@ le torohevitra e, raha azo atao de mba andefaso kisarisary momba io resaka approche io fa tena mahaliana be ilay izy. Ary koa mbola tsy hitako tsara ny misy ireny bouton ireny sy ilay hoe ATC tsy tadidiko ny mamoaka azy. Raha misy mbola azo anampiana dia mba manorata ihany fa tena somary miondana an'izy io mantsy za. Zay ary fa de samy bon vol daholo e. De ilay flight simulator FSX le 2 DVD ireny ve mba tsara, ny graphismeny mantsy no tiako ho fantatra sy ny réalismeny, na ny tanàna na ny avion.

Mazotoa ary e! :wink:
4. Herimiafina ( 21/02/2009 01:31)
Tsy misy fisaorana! Ny kisarisary klou zah tena mbola tsy manana fa trandraho ihany ny net fa toa betsaka.
Ireny bokotra rehetra noteneniko teo ireny dia hitanao amin'ny tableau de bord avokoa na ny main panel izany, ny ATC dia ilay mpandrindra ny fifamoivoizana anabakabaka izay miresaka aminao, mitovy amin'ny tour de contrôle amin'ny aéroport ihany.
Ny tena marina dia noheveriko fa FS ilay tena anaty simulator mihintsy no resahanao kay ilay izy izany sur ordinateur. Nanontaniako fa mitovy ihany satria FS2004 no nampiasaina amin'ilay simulator fantatro izay, boeing 737-NG ilay izy.
Ny FSX dia tsy interressant raha tsy core2-duo na quad-core ny ordinateur-nao. Mila shader model mantsy hono izy io na carte graphique matanjaka be izany hanatsarana ny sary. Fa ny tena tsara dia io FS2004 izao sady betsaka add-ons (na fanampiana zavatra) azonao atao tsara.
Andramo mihintsy aloha io approche natoroko io dia miverena eto rehefa misy tsy azo. Azonao anontaniana antsipirihiny fa tsy maninona fa valiako daholo. OVER. :^)
5. daryprod ( 23/02/2009 05:29)
Merci herimiafina an!
Zao ary e, nandramako Ivato, nampidiriko daholo ilay coordoné 109,50 t@ NAV1 sy NAV2, alohan'ny decollage izy io no napetrako, efa hanakaiky an'IVAto za, ny HDG ve @ io fotoana io activena sa tsia, efa hiditra ny Piste indray za nanindry ny APPR, nataoko NAV koa ny GPS fa tsy tafapetraka. De izao no fanontaniako, firy Km miala ny Piste no manindry ireo bouton ireo, firy ny Altitude ary firy ny vitesse (Boeing 737 eto no resahiko). Mba atoroy etape par etape fa tena very e. De aiza no hijerena io halavirana io.
Misaotra betsaka sahady noho ny fandraisana ny fanontaniana.
6. Herimiafina ( 24/02/2009 02:19)
Roger! Efa nataoko fahiny ito andrana ito fa somary hitsio raha mety misy adinoko.
Ireto avy ny bokotra miasa:
NAV/GPS: famadihana ho mode NAV na mode GPS.
NAV: bokotra navigation.
HDG: bokotra direction manuelle, desactivé ho azy ny NAV rehefa mampiasa an'io.
APR: bokotra approche (na koa LAND ME toy ny an'ny piper Saratoga), mampi-atterir automatika ny avion.

-Raha manana GPS ianao dia fidio ny trajectoire direct pas GPS, dia amboary ao ny plan de vol iray manontolo, miaraka amin'ny lalàn'ny avion amin'ny approche. Misy intersection izay hoe IXECO raha tsy diso ny fitadidiako dia ataovy mandalo eo ny plan de vol GPS.
-Bouton NAV/GPS sur GPS, bouton NAV activé, dia manaraka an'iny tsipika mena anaty GPS iny automatiquement ny avion.
-Raha manaraka an'io ianao dia vatany vao tafiditra amin'io intersection IXECO io dia siora fa efa mifanitsy amin'ny piste ny avion. (112degré) raha mbola vao 15nm (nautic miles) na mihoatra aza. Ampiasao ny pilote automatika.
-Ny altitude eo dia tokony ho 6500pieds. Ny vitesse dia tokony ho 185knots (ampiasao ny automatic thrittle na A/T), ny volets sortis à 20.
-Rehefa hitanao fa mahitsy dia avadiho ho NAV ny bouton NAV/GPS, mbola activé foana eo ny bouton NAV. Manitsy ny avion manaraka ny piste fotsiny iny fa tsy mampidina azy.
-Rehefa tena mahitsy ny avion, eo amin'ny 10-12nm eo ho eo miala ny seuil de piste, dia potsero ny bokotra APPR. Tsy tokony mbola ho faty aloha ny temoin altitude fa maty ho azy automatika rehefa mi-capter ny glideslope ny avion. Dia midina ho azy ny avion.
-Ahenanao tsikelikely ny vitesse ohatra à 5200 pieds tokony ho efa 150 knots, volets sortis 100%. À 300 pieds tokony efa 140knots, arakarak'io vitesse io no mampihainga na mampiodrika ny lohan'ny avion.

-Aza adino ny mihaino ny OM, MM, IM maneno sy mirehitra ny temoin'izy ireo hahafantaranao ny maha-akaiky ny seuil de piste sy ny maha-alligné ny avion amin'ny piste.

Aza adino ny mi-activer ny temoin radio NAV1 sy NAV2, rehefa mahazo ny localizer ny radio dia tokony maheno code morse ianao. Ny pilote professionnel dia mi-verifier an'iny code morse iny fa iny no code n'ny aéroport sy ny piste ka ijerevany sao diso aéroport izy.

Okay, bon vol, over, out.
7. daryprod ( 24/02/2009 05:31)
Bjr, araka io teneninao io ve, ilay manaraka GPS, ny bouton NAV ve avadika ho GPS amin'ny voalohany, ary pilote automatique ve no itondrana azy, izay vao avadika ho NAV rehefa mifanitsy @ piste.Ary rehefa mampiditra APPR, mbola atao pilote automatique ihany ve sa esorina amin'izay ny pilote auto. De aiza no anamboarana ny plan de vol sy ny resaka trajectoire.Mba omeo ohatra amin'ity: Le Bourget(LFPB) mankany amin'ny Orly (LFPO):Piste 25, ILS:110.90
8. daryprod ( 27/02/2009 14:41)
Ary ahoana kay ny manokatra ny FMC fa tena very za
9. Herimiafina ( 04/03/2009 00:43)
Salut dalyprod.
Tena nandramako mihintsy ilay LFPO LFPB runway 25 fa tsy programmé tao anatin'ilay zavatra ny runway 25, dia tsy tafidina ilay avion.
Dia tsy maintsy nifidy piste hafa aho ny 7 dia izay vao tafavoaka.

Toy izao ny nanaovako azy.
1- Départ: LFPO runway 6.
ALT=3500, VS=1800, CRS=70 (mifanaraka amin'ny runway 7 LFPB).
IAS=250 (tsy mahazo mihoatra an'io raha manidina latsaky ny 10000feet).
Regler-o ny kerosène sy ny charge mba ho 35% ny lanjan'ny avion eo ho eo.

Bouton NAV/GPS reglé sur GPS raha tiana hanaraka ny GPS ny avion. Bouton NAV activé.
HDG=060 kosa raha tiana hoentina amin'ny lalalan'ny HDG ny avion.
Tadidio fa rehefa activé ny bouton HDG dia maty ho azy ny bouton NAV, ka anjaranao ny mifidy, raha manana gps dia ento amin'ny nav raha tsy manana dia ento amin'ny hdg.

2- Rehefa tafahainga soa amatsara ny LFPO runway 6, mahatratra 1000feet dia activer-na ny pilote automatika. (mahatratra 4minutes eo io)
Manao virage à gauche 260degré.
Manaraka an'iny trajet 260 degré (HDG=260 raha mampiasa HDG) iny mandrapahatratra ny 3500 feet.
Efa tokony hahatazana ny aeroport le Bourget eo LFPB.

3- Approche Downwind leg, Bourget runway 7. (après 5 minutes)
Ampidirina ny fréquence ILS piste 7 LFPB = 109,5 Mhz sur NAV1 et NAV2. Activer-na avy teo ny radio Nav1 et Nav2.
Manomboka henonao ny code morse avy amin'ny radio mi-capter.
Manomboka midina à 2500 feet, satria ny altitude-ny LFPB dia eo amin'ny 300 feet eo.
Manomboka manena ny vitesse IAS = 210. flaps 10.


4- Approche Base leg, Bourget runway 7. (à environs 14 miles de LFPB)
Ampidino ho IAS=185 ny vitesse flaps 25. (mahatratra 3 minutes eo)
Rehefa hita fa mihalavitra tsara ny LFPB (15 nautic miles), dia manao virage serré indray manenjika 80 degré miankavanana (HDG=80 raha mampiasa HDG).
Activeo amin'izay ny bouton APR na approche dia ho hitanao fa rehefa mihamanatona ny allignement amin'ny aéroport ny avion-nao dia hiha-hahitsy ho azy. Izay ilay hoe contact amin'ny LOCALIZER. ary rehefa mahitsy tsara ka miha-manatona ny piste dia maty ho azy ny bouton ALT sy VS, izay indray ilay hoe Glide aminy, midina ho azy izy amin'iny.

5 Approche finale, Bourget runway 7. (mahatratra 4 minutes eo ho eo).
Ny altitude talohan'ny nahitsian'ny avion dia 2500.
Ampidino IAS=160, flaps sorti 100%.
Rehefa mahazo ny glide (environs 6 miles), dia ampidino IAS=140.
Dia jereo raha mbola mandeha mafy ihany dia ampidino IAS = 130.

Ny antony dia satria hafa ny vitesse indiquée sy ny vitesse réelle. Défaut-n'ny pilote marobe ny tsy mi-calculer tsara an'io nefa important io.







10. daryprod ( 04/03/2009 07:32)
Misaotra betsaka @ le torohevitra erimiafina a,ahoana kay ny fampiasana ny FMC. De ahoana no hideplacena ny avion raha ohatra eo @ porte de stationnement mankeny @ piste, misy hifandraisany @ FMC ve io.
Izao indray, raha mi creer vol zao de tonga de eo @ piste ny avion no mipetraka, fa ahoana no ahatonga azy ho eo @ station @ voalohany. PMDG 747-400 daholo io resahiko io. De inona daholo kay ny hita ao @ le hoe Flight Environment, mba tsara ve. Fa ny hitako ao @ le Video Demo ao @ le CD misy PMDG mantsy misy tômôbilla mandeha ao @ aéroport, misy olona mandeha sns. De afaka misolo ny toeran'ny voyageur koa, izany hoe ao anaty avion ao mihitsy fa tsy anaty cockpit intsony, raha misy tokoa ireo rehetra ireo de ahoana ny fanaovana azy.

Misaotra betsaka mialoha
11. Herimiafina ( 05/03/2009 01:52)
Ny FMC na Flight Management Computer e? Ilay appareil kely ohatry ny mini-ordinateur eo akaikin'ny manette de gaz ve?
Iny dia miasa toy ny ordinateur kely misy ny plan de vol sy ny données ilain'ny pilote automatika.
Efa voa-programmé ao daholo ny aéroport rehetra ary ny pilote fotsiny no misafidy ny destination dia manaraka an'iny ho azy ny avion, hatramin'ny ILS.

Rehefa manokatra vol dia toa afaka mifidy hoe aiza no itoeran'ny avion ankoatry ny eo ambony piste disponible. Jereo tsara ilay boite de dialogue raha FS2004 dia hitanao fa manome choix be dia be izy hoe gate small, gate medium, gate heavy, parking, runway 5 etc...

Ny marche arriere dia push-back na SHIFT+P raha clavier
SHIFT+P+1 raha arriere gauche ary SHIFT+P+2 raha arrière droite.
12. daryprod ( 05/03/2009 05:35)
Tena efa hitako tokoa ilay FMC fa izany hoe mila ketrika kely @ fianarana azy angamba sisa.De zao, mety tokoa ve ilay misolo ny toeran'ny mpandeha sa tsia, raha eny de ahoana ny fanaovana azy
Sao koa de mba misy plan de vol mba tsaratsara, na aiza sy aiza ny aeroport tena mba fandehanao mba handramana ary koa ny tanàna tsara.
Ny saika hadinoko de ity, raha manao vol iray izao de tsy mba misy hoe "Mission accoplie" akory, sa ve ahoana ny hanaovana izay, sa raha activena ilay option crach (raha tsy diso ny fitadidiko), de mba misy tanjona tsara le izy.Mety mitombona ve ny fanontaniako.
13. Herimiafina ( 12/03/2009 02:22)
Mety add-on angamba no misy an'io hoe afaka misolo toerana passager io. Fa raha ny FS original toa tsy misy azy io na ny FSX aza.
Possible hoe ao anatin'ilay CD PMDG 747 io no misy io afaka misolo toerana io.
Raha te hahafantatra marina ny performance dia installer-o ity add-on iray ity hoe FSPassenger amin'ny vol commercial.
Eo no hahitana fa mahafehy ny pilotage tsara ianao raha mahafampo ny mpandeha à 100%.
Ny ahy moa simulation-na emmergency na atterrissage d'urgence no tena ilako ny Flight simulator satria realiste kokoa.
Activer-o ny crash dia ampitomboy 100% ny realisme effet G, effet P, sns... dia hitanao ny tena fahaizanao azy.
Raha FS-2004 ny anananao dia tonga dia afaka manamboatra plan de vol tsara ianao, ary misy centre d'apprentissage izay ao mampianatra toy ny any amin'ny école d'aviation mihintsy, ankoatry ny voltige ihany angamba. Araho fotsiny iny dia milamina io. :^)
14. daryprod ( 12/03/2009 12:57)
Merci fa aleo ary kloo hampiditra FSPassenger indray ahitana azy
15. adolph ( 08/09/2017 06:37)
bjr dol,
Ny tsy azoko dia rehefa manao approche ILS at FMMI (APP) dia 3nm piste eo dia efa misy tendronbohitra, ary efa mi annoncer 50ft le ordi de bord, somary latsaka ambany le piste. Or aminy fs2004 tonga dia mahitsy.

Ahona ny hevitrareo. Merci
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2044