Ho tapaka io tetezana io fa tandremo!

1. jiimm ( 05/02/2009 14:54)
Afaka hitondra vahaolana ho an'ny firenena ve ny Tetezamita?
Mamely mafy eran-tany ny krizy ara-bola sy ara-tsakafo ankehitriny. Miha sahirana izao tontolo izao ary na ireo firenena vaventy aza dia tojo olana goavana manoloana izany. Eto amintsika dia toa tsy misy miresaka izany. Adilahy politika sy ady seza no betsaka
Manahy aho fa ady toerana no ho betsaka raha tafita io governemanta tetezamita io, tsy fifanarahan-kevitra. Ny zarazarao hanjakana no tanjona, ho sahirana mafy ny vahoaka malagasy ary hifanilika samy tsy tompon'andraikitra avy eo. Hiverina indray ny fidinana an-dalambe ary ho sarotra ny fandaminana. Ho mafy kokoa nohon'ny 26 janvier ny fandrobana satria hitombo avo roa heny ny mahantra, ny fampiasam-bola avy any ivelany tsy hisy.Hidina miiba ambanin'ny 0 ny hairn-karem-pirenena ary ho sarotra ny fanarenana.
novalian'i xxx ny 05/02/2009 19:06
2. xxx ( 05/02/2009 15:27)
marina ny anao é! io lé tsy fisainany olona sasany, faly foana ny hampahantra ny vahoaka,ady seza, d hita fa olona mamba noana daholo reto ho lazaina ao @ tetezamita, ny tetezamita eo @ 2taona eo, ny fifidianana ho filoham-pirenena eo @ 2taona eo, tsy aleo ve miandry ny fifidiana ho filoha, samy hahantra foana ny vahoaka mba milamina ny tanàna!
3. ndenn ( 05/02/2009 15:32)
Aza dia afantina @ resaka krizy aloha ny hevitrao ry jiimm sao dia mitaintaimbaombina indray ny ao an-tanàna .Manana ny ampy isika izao aloha raha ny @ sakafo ,nefa tsy midika izany fa voasoroka ny loza mety hianjady @ olona marobe manerana izao ntontolo izao .Eran-tany koa aza hadino fa 450 000 et plus dia metisy ny havana aman-tsakaiza miely . :oops:
4. xxx ( 05/02/2009 15:32)
hiandry 2 taona ambany fahefan'i Faha8manana izany ry ise dia efa ho lafo @ komariana hatramin'ny ravikazo Malagasy a!
5. MANAKASINA ( 05/02/2009 15:42)
tsy itako izay igrevena fa ny tokony atao dia ny fanamboarana ny fiainany gasy isatokatrano, tsy foatoany grevy izao ry malagasy namako a!
6. tsiafoi1 ( 05/02/2009 15:54)
Tetezana tsy maintsy ho tapaka na ho ela na ho aingana, fa ny mahamaika zao de ny hanarenana ny simba (Na ara-toe-tsaiana, na ara-materialy, na ara-panahy)

Tsy haiko nareo raha mahatsapa fa na any an-tokantrano aza de miseho ho dadany h@'ny zaza vao fito taona. Tsy misy intsony ilay fanajana ny fizokiana sy ny Ray aman-dreny, fa mianatra migidraka sy tsy azo tenenina.... Asa loatra vokatr'ilay fihainoana radio antsiva sy fijerena télé viva tsy tapaka tato ho ato ao an-trano ve no mahatonga an'izany???

Maika ny fanarenana ny firenena
7. ravonjison ( 05/02/2009 17:09)
Ny anay aloha ny tianay dia ny fanarenana ny simba, fandaminana ny tanána, ny fifidianana @ 2 taona tokony hatao tsara. Ny ankoatr'izay dia resaka maimbo, fitadiavan-tseza.
Tsy ilaina izany tetezamita izany e, resaka fiadiantseza koa izany.
Ilay Andry iny asaivo mibaraka any fa tena manala-baraka, boay kely toy iny dia miseho manao didijadona sy be mokon-doha. Himehezan'ny olona atý eoropa fotsiny.
8. pimaso ( 05/02/2009 18:37)
Fa tantaraiko zavatra ianareo fa tsy raikitra le ''Foire de l'Inscription et de l'Embauche '' tokony ho atao tao @ Bibliotheque Nationale anio fa noraran'ny Ministere ny culture satria jeune cadre no niorganisé azy
Tezitra indray ny tanora rehetra nitady fianarana sy asa
dia asa raha hanampy trotraka ny 13 may @ sabotsy
iza no mahalala?
9. xxx ( 05/02/2009 19:06)
Ho tapaka io tetezana io fa tandremo!


Ho tapaka koa ny rambonareo fa tandremo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1573