"Mahavoa an'ilay gasy"
21. kotobekibo
(
10/02/2009 18:25)
Ny hitako mahavoa antsika indray d ilay malahelo hava-manana .
Matin'ity hoe tsindry-tsindry lava ity , vao tafita kely d manitsaka ny hafa , ny hiafarany mifampialona ampitoerana .
Tokony ho atosika izay mba lasalasa , ary iny kosa misarika ny aty ambany hiakatra , mifanohitra @ izany nefa ny zvt mitranga . Sitomina hidina izay mitady hiakatra , hoe nahoana élah no hanana ary izahay hitsahin'élah ?
Jereo anie ny sinoa mivelona sy ny karana e , avy eo tsika lagy hoe any ampela-tanan-dry zareo dôly ny volabe .
Mila miezaka manova toetsaina tsika .

22. soanja
(
11/02/2009 00:08)
sitlo:
Mba tsy tiako mihitsy io fiteny iray iiiooo.
Ohatra ny hoe, satria ilay gasy mahantra dia raha vao misy zava-javatra kely dia lazaina fa izay mihitsy ilay mahavoa an'ilay gasy.
Tsy mba misy mihitsy hoe: izay ilay mahavoa an'ilay vazaha.
Sorena aho an :twisted:
Raha vao tena finilikilihana dia tsy tsara avokoa. Manimba fiaraha-monina. Be ny vazaha manao an'io ka. "You, people!" saingy eo anivon'ny samy gasy isika ka io no hita matetika.
Mila ianarana any ampianarana mihitsy ny fialana amin'ny tondrotondro sy ny fanilikilihana ary fametahana hevi-diso ho an'ny hafa, indrindra vondron'olona. Raha tsy tafiditra ao anaty programam-pianarana ny fahaizana mitondra tena/ miaina, ny fahaizana mamaha olana am-pitoniana dia mbola lavitra ny hahatratrana izany tanjona tsy fanavakavahana izany.
Iantsorohy asa fitsinjovana ny fanabeazana.
23. kotobekibo
(
11/02/2009 01:13)
Ny fijeriko an'ilay fiteny hoe " mahavoa an'ilay gasy " d tokony raisina ho fanakianana mampandroso ( critique constructive ) izany hoe entina hanatsarana izay efa misy , fa tsy fanakianana fanesoana ( critique negative ) izay entina hanapepoana sy hanatsatso ny hafa fotsiny . :wink:
24. Papoose
(
11/02/2009 17:29)
sitlo, nareo ahoana??? za aza mbola tsy nahita an'zany klipy zany kooo...salmo sady tsary hitako tsotry!
25. sitlo
(
11/02/2009 19:19)
soanja, kotobekibo> raha ireo lazainareo ireo ilay izy dia tsy maninona fa ilay entina hanohanan-kevitra mihitsy no tsy mety.
Jereo ange fa ny tena fototr'io korotana misy io dia hoe ny mahavoa ny malagasy dia ny mpitondra. Efa hatramin'ny nahakely ahy ka hatramin'izao dia izany foana.
Jereo koa ange ny article frantsay fa tsy maintsy manomboka amin'ny hoe: Madagascar un des pays les plus pauvres, na ohatrohatr'izay. Dia avy eo izay tenenina eo ohatra ny marina daholo.
Ohatra ny lasa torture morale ilay izy.

27. sitlo
(
13/02/2009 14:51)
hihihi, tena tsy hitako insony ilay izy fa ilay dinika teto momba azy aza nofafana.
Fa ilay an'i hery ao amin'ny dailymotion no afaka tadiavina raha ho hita. :°)
Fa ilay an'i hery ao amin'ny dailymotion no afaka tadiavina raha ho hita. :°)
28. soanja
(
13/02/2009 15:13)
sitlo:
soanja, kotobekibo> raha ireo lazainareo ireo ilay izy dia tsy maninona fa ilay entina hanohanan-kevitra mihitsy no tsy mety.
Jereo ange fa ny tena fototr'io korotana misy io dia hoe ny mahavoa ny malagasy dia ny mpitondra. Efa hatramin'ny nahakely ahy ka hatramin'izao dia izany foana.
Jereo koa ange ny article frantsay fa tsy maintsy manomboka amin'ny hoe: Madagascar un des pays les plus pauvres, na ohatrohatr'izay. Dia avy eo izay tenenina eo ohatra ny marina daholo.
Ohatra ny lasa torture morale ilay izy.
Sitlo> Marina fa maharary tokoa ny mahita soratra sy teny momba antsika Gasy ka manaratsy antsika na milaza ny faharatsiana angamba no tsara ilazana azy, nefa ny tena izy anie io no realite dia tsy maintsy atrehana. Raha io zavatra resahinao momba ny filazana an'i Mada.
Rehefa mamoaka vaovao sy milaza zava-mitranga iray dia tsy maintsy resahina ny inona no voalazan'ny stat sy ny tantaran'ilay firenena sy nahatonga ilay fotoana ho toy izany.
Raisiko ohatra izao hoe taloha isika dia voateny foana hoe mandray karama $1 a day na iray dolara isanandro no azon'olona faran'izay sahirana indrindra nefa karama raikitra, dia tamin'andron'ny Ra8 niakatra $2 a day ilay izy rehefa vita ny fanadihadihana ara-ekonomika. Rehafa manomboka resaka indrindra fa vaovao amin'ny firenena ka mila famatsiahana na fitiavan'ireo olona ireo hijery akaiky dia ilaina ireo zava-misy miaraka amin'ny kaonty ireo. Ka na tsara na ratsy dia isan'ny famohan-kevitra io. Mampangotsoka ny Malagasy nefa atao akory fa io no momba antsika: Mahantra Isika ary tena mbola tafahitsoka tanteraka mihitsy raha amin'izao olana mianjady ny firenentsika izao.
Io resaka fitondrana io kosa aloha dia- miala tsiny fa tsy zakantsika ny fidradradrana ny zava-misy fa- tena tsy mahay manamory fitantanana izay nitondra hatramin'izay fa vesaran'ny fitiavan-tena ny fitiavan-tanindrazana. Nefa tsy mahagaga akory izany fa ny fahaizana ny momentum no ahafahanao mahalala ny fetra. Io anefa dia mbola tsy tafiditra ao anatin'ny politikam-pianarana any Madagasikara na any Frantsa.
Aza kivy fa miandry anao ny firenena!