filoha 2, pds 2

1. MANAKASINA ( 05/02/2009 02:03)
fa de ahoana loatra ity nosy ity no dia toy izao, misy filoha 2, ppds 2, toa miopefy loatra le demokrasia lazaina, sao mba tena fajakany baroa ity; ny faniriko de mba ahazo famatsiambola 2 koa avy any ivelany, ny zavatra tsapako dia tia manakorotana sy madainga ilay tgv
novalian'i kaiky1 ny 05/02/2009 14:05
2. ravatorano ( 05/02/2009 05:12)
Samy manao izay tiany aloha izao ary izay no alehany rehefa malemy loatra ilay fitondrana misy hany ka dia voatsiratsira aok'izany.
Raha ho toy izao ihany tsara mihitsy raha mijanona ny fitopndrana raha tsy handray ny andraikiny tandrify azy.Ny maire indray ve no mametraka PDS dia mijery fotsiny ny mpitondra ! tena tsy azoko ! :?: :?: :?:
3. nyavo2000 ( 05/02/2009 06:08)
Za indray mieritreritra tsy hoe mihanahana ny fitondrana, fa manao calcul hoe
mety ve raha tonga de riatana kanefa in no mety ho vokany, firy volana vao ho faty ny afo ary firy ny perte ( vie humaine, fananana sns...).

Minoa ahy ianao f'arakaraka ny haha-kely hery ny TGV no hisehoan'ny action'ny fitondrana...

Raha tianao hiseho haingana ny action dia tsotra, tokony ho tonga saina ny rehetra tsy hanara-drenirano intsony rehefa hita izao fa ho any ankady ny hitodnran'ny ol ny tena...tokony hisaina isika.

sady i Andry ange tsy sahy nanao promesse be intsony ( efa hitan'ileiry fa tsy hahavita in izy raha sanatria tonga eo @ fitondrana). isika manao sorona ny aina kanefa hoy ileiry:

ny azoko atao dia ny:
*mampihinana sakafo in-3 isan'andro ny malagasy
*fitsaboana ny malagasy

tsy ratsy izany saingy tsy izany kosa no hanaovana sorona ny aina, ny malagasy dia afaka misakafo in-3 na misy adilahy politilka na tsia, rehefa miasa sy mifofotra dia tsy maintsy mihinana foana.

Zah tompoko tsy ny fanarahana an'i Andry na R8 no mampihinan-kanina ahy sy ankohonako fa ny asa izay ataoko.

Tsy hoe rehefa tsemboka eny @ 13 mai ny tava dia mihinan-kanina avy eo...nofy izany
4. nirasia ( 05/02/2009 06:11)
Mahafinaritra be nareo samy mieritreritra sy mijery akaiky ny fiainam-pirenentsika dia manontany tena hoe fa ahoana ihany ary izy ity, ny fanjakana toa mitaza-potsiny, ny an-daniny tena soavaly tapa-kofehy, na izaho koa aza mba fanina fa soa fa nisy ity namako ity mba nanazava ny fijeriko dia somary mba fantatro ny antony rehetra ka dia hozaraiko anareo izy eto raha mety aminareo dia raiso raha tsy dia aza tezerana aho fa isika miezaka ny mametraka sy mitabataba demokrasia dia aleo mba hasehoko izay nomena ahy iaraha-mamaky dia mazotoa daholo tompoko dia samia mivavaka mafy ho an'i Madagasikara sy ny Malagasy mba hifankatia fa isika samy ho eto daholo ihany ary ny Malagasy tsy Afrikana akory, mazotoa mamaky daholo an:
Mailaka voaraiko. Ataovy toy ny voankazo an'ala... |
| Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
| amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
| Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny|
| Oniversite iray antsoina hoe "Dominique" na "Radomi" no nandrenesako
| izao resaka izao ka tsy mandry ny eritreritro raha tsy manaparitaka azy
| aminao. Diniho ny zava-misy ,fa ny tantara no hitsara.
| Efa volana maromaro no niketrehan'i Andry TGV ny tetika. Ny tanjona dia
| ny handrodanana ny fitondrana amin'ny "fitakiana an-dalam-be". Ny vola
| efa nahazo betsaka, ny fitaovana izay ilaina misy. Ka izao no paik'ady:
| 1. Vidina ny Radio sy TV RAVINALA ka soloina VIVA hahafahana manamboatra|
| tsikelikely ny sain'ny vahoaka hankahala ny fitondrana sady hanaovana ny|
| propagandy hahazoana ny fitondrana ny tanànan'Antananarivo ( Ben'ny
| tanàna).
| 2. Tamin'izany no efa nisy nilaza fa volan-DRatsiraka sy Pierrot
| Rajaonarivelo no nampiasainy fa tsy nino ny olona.
| 3. Tsy ho resy vetivety ny fahantrana ka io no asaina ventesin'ny mpanao|
| politika izay miteny.
| 4. Kitihina ny fanavaozana ny fianarana ary averimberina fa fanagasiana
| tamin'ny 72 io. Hatao fitaovana amin'izany ny Katolika izay ao
| ambadik'ilay firenena tsy tononina.
| 5. Karamaina ny mpianatra eny sasantsasany eny amin'ny Cité Ankatso mba |
| hanamboatra "cocktail Molotov" hatsipy handoroana tranom-panjakana |
| 6. Karamaina ny jiolahy handroba fananan'olona mba ilazana fa tsy misy
| fandriam-pahalemana eto.
| 7. Karamaina ny olona maro mba hitarika fihetsiketsehana any amin'ny
| faritra sy hitarika grevy.
| 8. Vidina vola ny mpanao gazety maro mba hivoy ny hevitra fankahalana
| fanjakana sy hivoy fa sakantsakan'ny fanjakana i Andry TGV amin'ny
| fanatanterahany ny asa maha ben'ny tànana azy hany ka tsy vitany asa.
| Tokony hivoy koa ireo mpanao gazety ireo fa tsy milamina ny tànana.
| 9. Atao ny tetika rehetra mba tsy hisian'ny " Fivoriambe-faratampon'ny
| Firenena Afrikana"eto Madagasikara satria hoe misavorovoro eto..
| 10. Tsy hisy hoazy araka izany ny fivoriamben'ny tany miteny Frantsay
| amin'ny 2010
| 11. Tsy avela ho tody hatrany amin'ny fifidianana ity fitondrana ity fa
| tsy maintsy arodana alohan'izay. Satria mantsy amin'izay fotoana izay
| efa misy vokany betsaka eo amin'ny fiainam-bahoaka ny MAP ka ho sarotra | ny handresy azy amin'ny fifidianana.
| 12. Tsy maintsy mirodana ary tsy maintsy tafiditra ao anaty
| velam-pandrika ny fitondram-panjakana ka ny ambon-DRavalo no hamelezana azy.
| 13. Asaina miteniteny foana ao amin'ny VIVA RATSIRAKA ary dia tsy
| maintsy hanidy an'ioTV io ny fitondram-panjakana.
| 14. Aely ny tsaho fa ho samborina I Andry TGV. Io fisamborana azy io no
| tena tadiaviny mafy hatreto..
| 15. Hetsehina amin'izay ny vahoaka mba hitaky fa tsy misy "DEMOKRASIA" eto Madagasikara..
| 16. Ampiasaina ny radio VIVA, Ny radio ANTSIVA, ny TV Plus, ny La
| Gazette de la Grande ile , ny LA verité sns mba hitarika ny olona
| hanaraka an'I TGV sy hanaratsy fanjakana.
| 17. Ny resaka atao dia hanamboarana ny sain'ny olona mba hankamamy
| indray eo amin'ny sehatra politika ireo goaika antitra very seza efa |
| fantatra. |
| Fa ity no tena loza : Ny« LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry |
| Rajoelina miaraka amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny |
| firenen-dehibe iray. |
| a) Rehefa tsy mampiasa "FORCE" ny fanjakana dia terena hanao izany mba
| hisy faty olona indray eto Antananarivo. |
| b) Noho izany dia taritina ny olona hirohotra hanao ankeriny hamoa ny TV|
| VIVA. Efa misy mpitarika nahazo vola hanao an'io. Tsy maintsy |
| hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana |
| mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. |
| c) Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia hovelona ny |
| saritaka. Iodia tsy mazava na ao amin'ny tafika no voakarama na ao anaty|
| vahoaka hanao an'io fitifirana io. |
| d) Raha tsy mety ny eny amin'ny VIVA dia taritina ho eny amin'ny |
| Ministeran'ny Vola indray ny vahoaka, sady efa eo akaiky eo rahateo |
| Ambahitsorohitra, mba hitaky ny fialan'ny Minisitry ny Vola hono araka |
| ny resaka efa nataon'i Roland Ratsiraka sady naverin'I Andry TGV teo |
| Ambohijatovo. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy |
| hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary
| eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia ho velona ny saritaka |
| syny savorovoro. |
| e) Hampiaka-peo toy ny fanaony avy eo ireo mpanao politika toa an-dry |
| Daniel RAMAROMISA sy ny forongony mba hitaky ny tetezamita |
| hiverenan'ireo mpanao politika saribakolin'ilay firenen-dehibe eo |
| amin'ny fitondrana. |
| Vokany : |
| (1) Mbola hanjakazaka eto amin'ny firenena io firenen-dehibe io satria |
| hiverina ireo saribakoliny. |
| (2) Mbola vao mainka hahantra ny vahoaka satria hitsitongana ny vola |
| gasy noho ny fikorontanana hatao eto amin'ny firenena. |
| (3) Mbola tombotsoan'ilay firenen-dehibe ihany io. |
| (4) Tsy hisy ny fandrosoana eto satria hiady saritaka indray ireo mpanao|
| politika izay hiady seza samy hilaza fa izy no namono ny voay. Tsy ny |
| rehetra anefa no hahazo seza, fa izay efa votendrin'ilay Firenen-dehibe |
| ihany. |
| Ny fitiavako tanindrazana no nanosika ahy hilaza izao tsiambaratelo izao|
| aminao mba hilazanao ny havanao mba tsy sanatria no ho lasa sorona ho |
| fatifaty foana na haratra foana hampiakatra an-dry zalahy eo amin'ny |
| sezany. Raha anisan'ireo nahazo vola moa maninona, fa raha entim-po |
| amin'ny resabe no tena mampalahelo. Tsy misy mahay manao fahagagana eto |
| ka afaka hanafoana ny fahantrana ao anatin'ny taona vitsivitsy. |
| Azonao porofoana amin'ny zava-misy ireo voalazako ireo. |
| Ny fanompoam-pivavahana saika natao teo Ambohijatovo. Ny fanokanana ny kianjan'Andohalo izay natao kimaimaika, hany ka vao avy ny orana dia |
| nirodana. |
| Ary ny nampalahelo aza nandratra olona mihitsy io firodanana io satria |
| nianjeran'ny tafo tao ireo olona sendra nialoka. Tsy efa fambara |
| ataon'Andriamanitra ve io. Iza no namatsy vola nanamboarana io kianja io|
| ? moa tsy ilay firenen-dehibe ve ? Nahatadidy rahateo ny isika fa tsy io|
| mihitsy ny planina nasehon'i Andry Rajoelina fony izy nanao propagandy |
| tamin'ny fifidianana ho ben'ny tanàn'Antananarivo. Mihevitra izy mantsy |
| fa tsy nisy nahatadidy ireny. Ny sarintsarim-pitokanana ny kianjan'ny |
| Demokrasia teny Ambohjatovo. |
| Ireny rehetra ireny dia mizotra any amin'ilay "lojikan'ny fifandonana |
| hanaovana sorona indray ny vahoaka". |
| Raha tia tanindrazana ianao dia aelezo ity amin'ny mailaka na amin'ny |
| fomba hafa. |
| Tena ekena fa mampandroso ny DEMOKRASIA ary ny fototra lehibe amin'ireny|
| dia ny fifidianana. Tsy misy afaka hilaza fa DEMOKRASIA ny fitarihana ny|
| olona haka fahefana eny andalam-be! |
| Tsy misy afa tsy ny fifandimbiasam-pahefana amin'ny alalan'ny |
| fifidianana ihany no filaminana sy fampandrosoana ny firenena. |
| Izay ny zava misy ka tokony handinin-tena ny mpitondra sy Andry TGV ! |
| Samia mandinika vao manao zavatra ho tombotsoa ambonin'ny firenena ! | Mbola fotoana izao hieritreretana. |
| Ny Kristianina aoka hivavaka fa tandindomin-doza ny firenana.Tsy maintsy|
| ho sambatra isika raha manana an'Andriamanitra ho tokin-tsika
5. MANAKASINA ( 05/02/2009 08:25)
misaotra anareo, nanome vaova, ary aoka isika samy iezaka , mba hitady sy hanohana ny marina hatrany, ny mba iangaviko aoka tsy ho simbana izay efa mijoro
6. tsiafoi1 ( 05/02/2009 11:47)
didi-maso alam-bolom-bavo, mahareta fa hanana ny soa e!

Stratégie daolo zao fa aza maika na mikoropaka.... Ho hitantsika tsy ho ela eo ihany ny vokany....

Fa ity mba misy tsetsetra tsy aritra : Teo aloha raha mampigadra olona isaky ny misy mihoa-pefy Ra8, de lazaintsika fa mpanao didy jadona, tsisy demokrasia eeee!! izao kosa mba avelany maneho ny demokrasiany ny ts11, isika vahoaka indray ty no toa tsy mahazaka lazonady.....
7. kaiky1 ( 05/02/2009 14:05)
Milay anie le roa ny PD....S... e!Satria izao raha samy miasa ry zareo dia mora voaharina sy vita aingana daholo ny asa rehetra mila mifanaraka kely fotsiny hoe izaho manao anitsy de ianao manao anireroa. :lol: :lol: :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0348