dia miaktona tokoa ireo birao ka ny vahoaka no mijaly

1. ravatorano ( 04/02/2009 05:32)
araky ny antso nalefan'Ingahy Andry Rajoelina maly tamin'ny valandresaka nifanaovany tamin'ny mpanao gazety dia mikatona daholo ny birao'ny commue eny amin 'ireny arrondissement ireny hoy izy manomboka anio maraina.
Izay birao nandalovako tokoa dia tena mikatona ary mitanjojotra milahatra ety ivelany ny olona marobe miaraka amin'ny fimenomenomana majinijinika eny.Tazmin'ny valo sasany maraina izao aho no nandalo teo amin'ny biraon'ny commune teo anosy,dia tety soarano fa olona mitangorona ety ivelany no hita ary ireo dia saika haka copies,hanao legalisation sns ....
Misy ny miaka peo ao ny faly sahirana satria manao zavatra nefa toa tsy afaka hahavita izay tokony ho tontosaina.
Ny filoha-pokotany koa dia nolazain'iNgahy Andry Rajoelina ihany koa maly fa miato daholo ny asany eto "madagasiakra" indrindra fa ny eto Antananarivo renivohitra. :wink:
asa re iza marina no tena hahazo izany baiko izany satria ny minisitry ny fitsarana koa dia nanamafy fa tsy mari pototra sy tsy aradalana izao fihetsika ataon'ny mpanohitra izao !
asa re fa dia miandry tsika e
2. penguin ( 04/02/2009 06:14)
Alaivo sary indray dia haparitao eto ravatorano fa fandresena ho an'ny vahoaka izany fa tsy fijaliana akory a.
3. nyavo2000 ( 04/02/2009 06:16)
Zay le miteniteny foana e!

Ny mampikatso sy ny manimba dia hay fa ny manamboatra sy miasa mahavotsa azy.

Inona moa no pblmn'i andry, izy ange efa président éry @ 13 mai, dia soloana ny maire fa hoy ny constitution tsy mety ny CUMUL DE FONCTION javascript:emoticon(':%C2%B0)')
javascript:emoticon(':%C2%B0)')

ravatorano:

araky ny antso nalefan'Ingahy Andry Rajoelina maly tamin'ny valandresaka nifanaovany tamin'ny mpanao gazety dia mikatona daholo ny birao'ny commue eny amin 'ireny arrondissement ireny hoy izy manomboka anio maraina.
Izay birao nandalovako tokoa dia tena mikatona ary mitanjojotra milahatra ety ivelany ny olona marobe miaraka amin'ny fimenomenomana majinijinika eny.Tazmin'ny valo sasany maraina izao aho no nandalo teo amin'ny biraon'ny commune teo anosy,dia tety soarano fa olona mitangorona ety ivelany no hita ary ireo dia saika haka copies,hanao legalisation sns ....
Misy ny miaka peo ao ny faly sahirana satria manao zavatra nefa toa tsy afaka hahavita izay tokony ho tontosaina.
Ny filoha-pokotany koa dia nolazain'iNgahy Andry Rajoelina ihany koa maly fa miato daholo ny asany eto "madagasiakra" indrindra fa ny eto Antananarivo renivohitra. :wink:
asa re iza marina no tena hahazo izany baiko izany satria ny minisitry ny fitsarana koa dia nanamafy fa tsy mari pototra sy tsy aradalana izao fihetsika ataon'ny mpanohitra izao !
asa re fa dia miandry tsika e




:°) :°)
4. bozyboleta ( 04/02/2009 06:21)
Nafindra eny mahamasina sy tsimbazaza ny biraom-pokontany sy firaisana satria nantsoina ho eny ny mpiasa ary nomena asa vaovao manao "sit-in" zany ndray koa de eny zareo no mizara zay taratasy ilaina.
5. heidi ( 04/02/2009 06:25)
eh e h eh! in ihany zany no marina! mbola mhaino azy ihany ny vahoaka izany no mbola tanterahana foana ny baiko nefa hoe nesorina tsy ho maire tsotry 8)
ny olona koa aza zarany tsy miasa ....
6. rabaradaka ( 04/02/2009 06:25)
Betsaka ireo zandry zanaka hanomana fanadinana ara-panjakana ka mila copie sy certificat de résidence. Mihidy avokoa anefa ireo. Dia ho semban-drahona ve ny fanadinan'ireo zanatsika ? Tsy manaiky kosa isika
7. penguin ( 04/02/2009 06:36)
Tsy izany vé no nibaradahanao hatry ny ela teto é ? Tianao ny ady sy korontana ary maro ireo noresahinao teto naha-rabadaka anao ka inona no anontanianao rehefa saritaka no valin'ny afo natsanganareo ?
8. nyavo2000 ( 04/02/2009 06:39)
O ry heidi an! ny mpiandraikitra ny boriboritany ange ka TGV daholo e! ka ny vahoaka tsy TGV! matahotra ny ho very seza ireo satria ho voakipily daholo indray dia migrevy.....de ho hita el

Hoan'ny olona mila copie azo atao ny mankeny amin'ny tribonaly miaraka amin'ny copie taloha mahazo f'aza matahotra.
9. Rafahafahana ( 04/02/2009 08:29)
Dia asakasakareo raha hamaiky ny baikon'ny mpandrava efa nareo na tsia.
Tsarovy anefa fa tsy androanay ihany ny fiainana, fa ny diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela, aleo mandinika é.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1995