Hita tamin’ity herinandro ity fa nihena be dia be ny olona mpamonjy ny kianjan’ny 13 mai. Tsy nanaiky ny fanonganam-panjakana an-dalambe nataon’I Andry Rajoelina ny Asabotsy 31 janoary teo mantsy ny olona.
Niova tetika noho izany I Andry Rajoelina sy ireo mpanao politika Ratsirakistes, ka iezaka hamory olona betsaka amin’ny alàlan’I Rossy.
Fa ny zava-doza dia ity: hanao amboletra ry zareo ka hitarika ireo milisy mirongo fiadiana sy ireo olona tsotra mba hanafika ireo toerana tsy azo aleha toa an’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo ary Iavoloha mba hiady amin’ireo miaramila miaro ireo toerana ireo. Efa hita moa eo amin’ny 13 mai fa mirongo fiadiana ireo milisy ireo
Eo ampanomanana izay hampisy io rà mandriaka io izy ireo amin’izao fotoana izao. Nilaza moa Andry Rajoelina fa tokony tsy hivoaka ny trano intsony ireo vahiny manomboka izao. Ny maso ivoho frantsay dia tsy mitsahatra mandefa SMS amin’ireo teratany frantsay manamafy izay ( Tena hafahafa)
Mampalahelo raha tovolahy tanora ohatrio dia handoto tànana amin’ny ràn’ny mpiray tanindrazana aminy nohon’ny fitiavana seza. Ireo Mpanao politika Ratsirakistes, no hanararaotra io Rà mandriaka io handraisana ny fahefana. Ravalomanana sy Rajoelina samy hiala maina.
Aiza ilay demokrasia nodradradraina? Ry Malagasy, mitsangana ianao fa tsy an’ireo Ratsirakistes ireo sy ny firenena ao andamosiny ny tanintsika.