FANDOAVANA NY TROSA IRAISAM-PIRENENA

1. ndenn ( 03/02/2009 21:23)
Mba misy afaka ny hanamaivana ny fandoavantsika ny trosan'i Mada ve izao zavatra miseho ao an-tanàna izao ? Fanontaniana mipetraka @ ny mpomba ny andaniny sy ankilany ,ary ireo tsy mpomba ny atsy na ny aroa .Mipetraka ho an'ny mpiserasera koa ny fanontaniana ,ary mbola mipetraka ho an'ireo izay milaza azy ho antoko politika ao Madagasikara ,hatramin'izay naha antoko politika azy ireny ; VVS ,MDRM ,MENALAMBA ,MONIMA ,UDECMA ,AREMA ,KDRSM ,TIM , ETC ... :{
répondu par petakoel le 04/02/2009 07:42
2. Andribe ( 03/02/2009 21:50)
resak ovy lol ny vola ao @ tanana aza kely no ny any ivelany no aloha :-D :-D :-D :-D :-D
3. ndenn ( 03/02/2009 21:58)
Ka tsy maintsy manatrika izany ra malagasy raha tsy tiana hypothequer -na ny tanana sy ny harena samihafa ao mada , na ny olona aza mbola mety amidy sy aondrana aty ivelany hanao mpiasa trano sy hamafa lalana ,ary handroaka ny maloton'ny sasany.
4. diloo ( 03/02/2009 22:04)
ndenn:

Mba misy afaka ny hanamaivana ny fandoavantsika ny trosan'i Mada ve izao zavatra miseho ao an-tanàna izao ? Fanontaniana mipetraka @ ny mpomba ny andaniny sy ankilany ,ary ireo tsy mpomba ny atsy na ny aroa .Mipetraka ho an'ny mpiserasera koa ny fanontaniana ,ary mbola mipetraka ho an'ireo izay milaza azy ho antoko politika ao Madagasikara ,hatramin'izay naha antoko politika azy ireny ; VVS ,MDRM ,MENALAMBA ,MONIMA ,UDECMA ,AREMA ,KDRSM ,TIM , ETC ... :{

Bsr ndenn
ny hanamaivana ny fandoavantsika ny trosan'i Mada ve izao zavatra miseho ao an-tanàna izao ?
Atao we izay no tokony ho tanjona. Ny zava misy anefa toa variana @'ny ady politika ireo andaniny sy ankilany. Ny vahoaka mangina maro (tsy ireo mpandroba an) dia lasa "otage" fotsiny. Samy "égoiste" daholo na ny andaniny na ny ankilany. Isika malagasy dia malaza "champion du monde des choses de la politique". Mais tout ce qui touche l'économique de ee!!! andraso eo paoly.
Raha mahay miray hina tsy misy fitaka ary miaraka @'ny elites malagasy maro eran-tany: dia mety lasa lavitra isika ary mety homaivana ny fandoavantsika ny trosan'i Mada.
No izany dia nofinofy .

:(
5. ndenn ( 04/02/2009 00:14)
Champion du monde des choses de la politique ,efa hitako sy re matetika ,fa fampioriranan-tsaina @ zavatra tsy misy antoka izany, fanivaivana sy fanabatiana fotsiny ary tsy dia hanome tombotsoa ho an\'ireo izay nampiasa azy io firehan-kevitra io .Ary hitondran\'izy ireny ny hazo fijaliany mandrapa .. Ary izany indrindra no hijoroana @ izao fotoana izao ka tsy hiantehitra @ hazo malazo ,tsy maintsy manova ,manavotra, ary manatri-tava ny vay an-tampokandrina mandoro ny firenena ny tsi 11 avy raha te hiaina am-pahasambarana ,n\'aiza n\'aiza misy azy eto antany .Raha terak\'i gasikara koa dia efa voahosotra menaka hatrany ankibon-dreniny ,ka tsy maintsy mampandala ny hafatra napetraky ny ntaolo .Rafitra maty paika efa najoro talohan\'ny nahatongavan\'ny mesia izany firehan-kevitra izany ,ka anjaran\'ny tsirairay ny hankato na tsia , tsy an-tery tsy ankolaka .Hafatra tena mazava amiko ilay izy .
6. nyavo2000 ( 04/02/2009 06:46)
Ny TGV kosa angaha no tsy nametraka tao anatin'ny programan'asany ny momba ny trosa sy ny fampandrosoana an'i M/car; hoy i andry tao amin'ny viva, "tsy afaka mampanantena zavatra betsaka ho an'ny vahoaka aho fa izao no mety ho vitako":

* mihinam-bary in-3 ny malagasy
* mahazo fitsaboana ny malagasy

Dia hoy aho hoe, @ izao fotoana izao ny tsy miasa sy ny lava-lamosina no tsy mihinan-kanina ....dia ireo tsy manakatao fa mitanin'andro eo @ 13 mai miandry mana, fa manina raha miasa mitady vola ?

zah manokana tsy ny fanohanako TGV na R8 no hihinanako hanina fa ny filofosako mafy amin'ny asa izay ataoko, miasa aho mihinana tsy miasa mandry fotsy...tsisy mana avy andanitra sy ariary 100 ampandriana mihintsy
7. xxx ( 04/02/2009 07:31)
Raha mba maro t@ ireo mpilahatra mantsy no manana asa mba ahafahany mamelona ny fianakaviana ara-dalana, nataoko amgamaba fa tsy hiisy na iray aza ny hiadaladala eny @ 13mai ka handany andro eny.
Ny tsy fanana'izy ireo izany asa izany no an'isany mahatonga azy ireo ho eny ary nandroba.

Eto Madagasikara mantsy dia 2 ihany no classe misongadina eo @ fiaraha-monina.

-MANAN-KARENA
-MAHANTRA

Ilay atao hoe classe moyenne dia vitsy nefa io no tokony ho maro an'isa.
8. petakoel ( 04/02/2009 07:42)
ka na mikorontana na tsy ny tanàna d zao iany no tadidionareo na le8 nareo na leandry: na iza na iza mitondra eo d ts hisy hihevitra ze hanamaivana ny trosan ny mada mits eo fa ts maints n tombotsoany manokana iany alou, n ameno n pôsiny sy ny angorona iany fa tsy impiry o filoha mants.
ar ra ny ilaza oe le8 no tsara na leandry d zao iany n ahy: tam ren fotôna nanonganan ny olona andRatsiraka ren d ôtran oe iz no tena devoly b fa le8 anjely avy an andanitra. nefa zao miseho ny hoho lava b an le8 vô koditra reo nametraka az teo. D mipoitra ndray r leandry zao d everin n olona oe zan ndray no tena angel d nirootra tan daôl nefa ra amiko ts d oe misaindratsy za fa ts matoky an iza n iza mits za. Tohanako le hevitry nyavo2000 teo oe za miasa d zay za vô mihinana ka aza manimba saina am ze raraha politika fa ze avelona ny tenanareo sy n ankohonanareo atao fa na iza na iza no mitondra eo d ts ihevitra ze iditra an ambavanao sy ny ho avinao miits izy fa ny ho aviny iany no ataony tsara petrapetraka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0397