inona no maika?
1. jasa
(
03/02/2009 15:08)
eo ny korontana, fa mba misy mijery izay tena maika ve @izao fotoana na ny andaniny na ny an-kilany. ny hitako mantsy dia toa ilay fahefana no hifandrombahana: Andry milaza fa izy no mibaiko izany hoe lehibe, i Ra8 indray miteny fa mbola izy no filoha sy mibaiko. izahay izany inona: baikona! satria ve tsy mahalala ny tokony hatao? inona ary no maika e? sao dia ny fitiavana no tsy ampy na tsy matotra. ny mpomba an-dRa8 mantsy mbola mahazo tombotsoa ka matahotra sao ho very fihinanana; ny ankilany indray toa ireo very seza ka miady mafy satria nahatsiaro diso fantenana. Fa inona no tena maika e! mino manko aho fa raha azon'i Andry ny seza dia hivadika indray ny tantara; ireo miady mafy ireo hisy tsy hahazo seza, ireo etsy ankilany moa ho voahilika, dia hivoy tsikelikely any ambadika any fa tsy izy io; dia afaka ny taona maromaro dia io indray isika eo @13 mai. fa inona ary no maika e! Ny fitiavana no maika: fitiavan-tanin-drazana, fifankatiavan'ny vahoaka malagasy. (l) (l) :* (l) (l) :-* (l) (l)
novalian'i jasa ny 04/02/2009 09:06
2. tataka
(
03/02/2009 15:13)
Tsara ny fifankatiavana ry nao a, ary ny fifidianana no analana olona fa tsy ny fanakorontanana maika be. Izany no demokrasia mitombona fa ankoatr'izay amboletra.
3. xxx
(
03/02/2009 15:43)
Tsy d'accord @ teninao aho hoe ny mpomba an-dRAVALO tsy mbola nahazo tombo-tsoa ,fa mitampina inona ny masonao raha nahita ny 4X4 maromaro teo antokotanin ingahy MOXE nandritra ny fandrobàna nataon ny olona ny tanànany ! Ny orin'asa maromaro ananan ingahy senatera TOVONANAHARY RABETSITONTA ,ny vola lanian ireo senatera TIM mandeha avion sy any @ CASINOS resak 'ANTANANARIVO
Mahita an izany anie ireo dinosaures sy ny very seza dia manao réglement de compte e
Mahita an izany anie ireo dinosaures sy ny very seza dia manao réglement de compte e
4. jasa
(
04/02/2009 09:06)
vakio tsara aloha ilay izy vao mamaly lasa niova ny teniko e! mahazo tombotsoa no nolazaiko. :-P :-P :-P :-P
