Ny Fanjakàna ve vahoaka sa ny mpitondra?....

1. xxx ( 03/02/2009 13:49)
Anisan ny OLANA iray lehibe mahatonga izao savorovoro izao ity resaka ity!

Orinasam-panjakàna, tafi-bahoaka,volam-panjakàna,fiaram-panjakàna,mpiasam-panjakàna,tanim-panjakàna,....

Raha nanontaniana ireo mpiasan ny RNM na radio nasiônaly dia hoy ry zareo hoe zahay dia manatanteraka ny asanay araka ny baikon ny mpitondra satria ny mpitondra no patronay (jereo ny gazety l'express androany)
Etsy andaniny ny vahoaka dia manontany tena fa toa radio fanasohasoana ny mpitondra rehetra izay nitondra ny RNM sy TVM nefa anay vahoaka ka dia tonga hatrany @ fanapotehina moa ny niafaràny !!!!


Jerena ny tafi-bahoaka(zandary , miaramila,polisy) toa moana toy ny sifotra rehefa misy korontana , hoy ny gazety tribune androany 03 febroary hoe :l'armée ne bougera pas? Tsy hanao na inona na inona ve izany ny tafi-bahoaka?
Ny vahoaka nefa gaga fa ny volampanjakàna volam-bahoaka anie no anakaramaina andry zareo ireto , dia hanao inona fotsiny izany ?


Nampiasain i tpkl TSIRANANA sy RATSIRAKA ary ZAFY ALBERT ny AIR MADAGASCAR mbà hivezivezena na eto antoerana na any ivelany , maro ny tsy faly fa hoe manao ampihy mamba ny orin'asam panjakàna.
Izao indray nividy ny force 1 sy force 2 , iaraha-mahalàla ny zava-misy


Raha te hanao mariage ny vahoaka dia afaka manofa ireo fiaran ny filohampirenena nitondra hatrizay any @ tobimpiarakodiam-mpanjakàna


Fehiny misafotofoto be ity resaka ity ka mila jerena akaiky mbà hazava tsara
novalian'i molota ny 04/02/2009 16:36
2. xxx ( 03/02/2009 14:09)
=D> =D> =D> =D> =D> =D> =D>
3. nyavo2000 ( 03/02/2009 14:11)
Ilay XXX mivadika indray io, t@ maraina hafa ny hariva tsy mahay afa-tsy ny manaratsy, mba jereo ihany ny lafitsarany e!.

Mba atoavy @ toeranao, raha enao no DG na société , mila mvory (réunion d'affaire) isaky ny 30 mn, mihaona @ olona marobe , miketriketrika andro aman'alina....dia tsy omena fitaovana ianao hanatanterahana izany fa hoe oh: mandehana BUS na mandehana tongotra ianao Tale jeneraly fa ny apombolahy ato ampiasana aza manao toa izany, sns....ho vita ve ny andraikitra omena anao, ary na ny tompon'orinasa hafa na izay mitovy laharana aminao aza tsy hanome lanja anao, na ny client-nao aza haneso anao hoe f'inona ity...inona no vokatr'izay amin'ilay orin'asa tantanina....

Valable izany @ firenena....fa na I Andry Rajoelina aza tsy mandeha Bus na mandeha tongotra, fa mnbola miaraka @ fiara tsara tarehy ihany koa.
4. penguin ( 03/02/2009 14:16)
Ny mpitondra dia manatanteraka ny fanasoavana ny vahoaka maro an'isa fa tsy ny tombontsoa manokana. Voatendry ny mpitantana ny RNM, TVM fa tsy fananan'olotokana noho izany manatanteraka ny asa mifandraika amin'ny sori-dalana hitondran'ny fanjakana ny fampandrosoana no tokony hilofosany fa tsy ny fanakorontanana rehetra. Rha ny hirahira ohatra no asian-teny dia tokony hivoahan'ny kanto amin'ny faritra rehetra eto M/kara no hilofosany saingy ny Radion'ny tsy miankina izay malaza sy mapidi-bola azy ahafahany manakarama ny mpiasany no himasoany.
Fanjakana dia mpitondra sy vahoaka manatanteraka ny asa fanasoavam-bahoaka. HIHIHIHI; Fa ny TGVendrana vé fanjakana eo @'ny 13 May ka nodorana ho may ny fananan'olona izay ao anaty vahoaka ?
5. TWING ( 03/02/2009 14:18)
ka maninona raha TWING oa na Jet PV fa tonga dia Boing NGOZA be sady mahavidy vary 4kg par habitants (18 000 000 Malgaches) be zao e
6. penguin ( 03/02/2009 14:26)
Ny TGVendrana tsy mandeha fa ny ain'olona no ataony sorona ampin'ny tsiss dikany.
7. xxx ( 03/02/2009 14:31)
Mba atoavy @ toeranao, raha enao no DG na société , mila mvory (réunion d'affaire) isaky ny 30 mn, mihaona @ olona marobe , miketriketrika andro aman'alina....dia tsy omena fitaovana ianao hanatanterahana izany fa hoe oh: mandehana BUS na mandehana tongotra ianao Tale jeneraly fa ny apombolahy ato ampiasana aza manao toa izany, sns....ho vita ve ny andraikitra omena anao, ary na ny tompon'orinasa hafa na izay mitovy laharana aminao aza tsy hanome lanja anao, na ny client-nao aza haneso anao hoe f'inona ity...inona no vokatr'izay amin'ilay orin'asa tantanina....

:idea:

Mba alesaso lalina le fijery, rah ny orinasanao ve orinasa tsy de manao ahoana manana tomobil azo ampiasaina tsara ianao, (air force one I) , ny vola anefa tsy de miditra be de manao ahoana, (mihodina ho an'ny tombotsohan'tenany ihany le vola fa tsy ho an'ny orinasa), de hitetateta hividy fiara vaovao ve (Air force one II) ianao satria te hanaraka ny toetr'andro? Le izy mba ampifandajana ny @ eo ampelatanana Razoky e, de hisolo Avion isaky ny firy taona ny filoha nefa ny fahantran-dRamalagasy tsy hitany? Sa ny avion koa moa mety lany daty ?
8. xxx ( 03/02/2009 14:31)
nyavo2000:

Ilay XXX mivadika indray io, t@ maraina hafa ny hariva tsy mahay afa-tsy ny manaratsy, mba jereo ihany ny lafitsarany e!.

Mba atoavy @ toeranao, raha enao no DG na société , mila mvory (réunion d'affaire) isaky ny 30 mn, mihaona @ olona marobe , miketriketrika andro aman'alina....dia tsy omena fitaovana ianao hanatanterahana izany fa hoe oh: mandehana BUS na mandehana tongotra ianao Tale jeneraly fa ny apombolahy ato ampiasana aza manao toa izany, sns....ho vita ve ny andraikitra omena anao, ary na ny tompon'orinasa hafa na izay mitovy laharana aminao aza tsy hanome lanja anao, na ny client-nao aza haneso anao hoe f'inona ity...inona no vokatr'izay amin'ilay orin'asa tantanina....

Valable izany @ firenena....fa na I Andry Rajoelina aza tsy mandeha Bus na mandeha tongotra, fa mnbola miaraka @ fiara tsara tarehy ihany koa.



Aza afangaro kosa aloha ny privé sy ny semi privé ary ny fanjakàna e , raha mandeha 4X4 tsara tarehy i TGV na andeha tongotra eny @ 13 mai na an ny fanjakàna iny 4x4 iny na azy tsy dia olana loatra

Fa raha ny filohan ny repoblika kosa ve no andeha 4L rehefa hitsena vahiny eny IVATO tsy mbà mampanontany tena ny vahiny ihany hoe marary saina ve ity filoha ity?
9. xxx ( 03/02/2009 14:48)
Lazaiko zavatra ianareo , misy ministéra maromaro eto ANTANANARIVO fa ny iray tena mampihomehy sy mahatsikaiky dia ny ministéran ny miahy ny RNM sy ny TVM io dia ny ministeran ny fifandraisana ny ny fampahalalam-baovao izay terena ary forcéna hanaraka izay mpitondra tonga eo @ fitondràna

Raha tonga ao @ fitondràna oh RATSIRAKA dia misy andian olona miteny hoe ahoana RATSIRAKA sa iza?Dia voatery manaraka ny mpiasa

Tonga indray ZAFY dia HERY VELONA sa mpomba an-dRATSIRAKA? Misy mihintsy aza moa dia voaroaka

Tonga indray RA8 , ahoana hanaraka an-dRAVALO sa iza?

Dia ahoana indray izany ny tohiny ? :°)
10. tataka ( 03/02/2009 15:16)
Inona no mahagaga amin'izany fa tsy ny mpitondra ve no manendry azy na koa tsy fananam-pirenena ve izy ireo sa ny mpiasa no tokony hanendry tena sahalan'ilay hoe izaho no mibaiko manomboka an'io ? Iza no tena mapiomehy ?
11. xxx ( 03/02/2009 15:29)
Amiko dia tsotra ny valiny misy lalàna tsy maintsy apetraka na ho an ny mpitondra na ho an ny vahoaka momba ity resaka FANJAKANA (ETAT) ity eto MADAGASIKARA, ary izaho dia manaiky ny zavatra lazain i DR ARILAZA RAZAFIMAHALEO ao @ ilay documentaire 7 MOIS DE KO à MADAGASCAR hoe il n'y a pas d'ETAT à MADAGASCAR , tsy misy FANJAKANA izany eto MADAGASIKARA

Betsaka ny asa sy ny zavatra tsy maintsy atao eto MADAGASIKARA ary tsy tokony hitsiriritra ny mauriciens akory isika raha mandroso kokoa ry zareo




12. molota ( 04/02/2009 16:36)
Vahoaka TGVendrana tsy mahavita azy tsy hita akory hoe aona na aona :x ra za elah ry tgv miverina manao LIVE ndray a!! amn' zay elah mb mety mahazo olona BBkokoa, fa tsy hoé ireny akory no atao hoe Vahoaka malagsy IRAY MANOTOLO aza manofy, NY fanjakàna dia mipetraka @ny alalan'ny FIFIDIANANA izay ataon'ny vahoaka malagasy manerana ny nosy! @ny 2012 zany no fotoana :idea:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2191