FELICITATION BODO

1. ARINOFY ( 03/02/2009 06:22)
Faly be aho raha naheno fa bevohoka i Bodo.Tena nanohina ahy loatra ny nanjo azy t@ fanapariahana ny momba an'i Mitia zanany.Tsy fidiny azy t@ ireny fotoana ireny ny tsy fiterahana nefa toa tsindrio fa lavo no fahitako ireny filazana an-gazety,eny fa nanaovana film mihitsy aza.Tsy miditra @ affaire familiale aho fa faly be fotsiny fa bevohoka i Bodo.De tongava soa ny vahiny ry Bodo na ho Koto na ho Kala a.De miarahaba an'i Mitia koa fa hahazo zandry.
novalian'i ARINOFY ny 04/02/2009 10:15
2. Mimhie ( 03/02/2009 07:56)
Mahafinaritra ny naheno ny vaovao, za tena tia Bodo be mihintsy, ary tena tsy miala mihintsy isaky ny manao fampisehoana izy!

de tongava soa izany ny vahiny kely e!
3. fitiatantely ( 03/02/2009 08:13)
fa manina kay i mitia zanany fa tsy arako? sa ts naterany v iny sa aôna? mba tantarao anà oe azafady ra mety!
4. tsiafoi1 ( 03/02/2009 10:16)
Félicitation ho an'i Bodo de hotahin'Andriamanitra izy mba ho tonga soa ny vahiny
5. ARINOFY ( 03/02/2009 11:01)
fitiatantely a,i Mitia de tsy zanak'i Bodo fa zanaka mpihira iray,cousine n'i Bodo(aleo tsy tononiko ny anarany).Noho i Bodo tsy niteraka de nifanaraka io mpihira io sy ny vadiny (izay efa maty @ zao fotoana izao) fa omena an'i Bodo ny zanany raha vavy.De vavy tokoa i Mitia kely de nomena an'i Bodo.Nisy tsy fifanarahana anefa tato aoriana i Bodo sy io cousine ny io de ni devoilé n'io cousine n'io t@ gazety,t@ boite noire,eny fa nanaovany film mihitsy aza ny marina rehetra fa zanany naterany i Mitia fa tsy zanak' i Bodo.Amiko de tsy tokony nampahafantariny ny vahoaka izany satria voalohany de misy akony eo @ fiainan' Mitia rehefa lehibe eo izy satria i Bodo de olona malaza.Manarak'izany de mety hisy akony eo @ carrière n' i Bodo satria ohatran'ny oe nandainga zany izy nilaza fa niteraka an'i Mitia.Soa ihany aloha ny eto M/car tsy tahaka ny any andafy @ fidirana lalina ny fiainan'ny olo-malaza.Fa ny nahafaly ahy alo de novalian'A/tra ny fanirian'i Bodo fa hiteraka izy.De mirary soa ho azy eo @ fiainany iray manontolo.
6. fitiatantely ( 04/02/2009 05:51)
Misaotra anao nanazava fa azoko tsara! tena mampalaelo tokoa zany, ary zay vao azoko le iran'i Bodo oe "ny ts manan-janaka aza manaranaka......"
De mirary soa ho azy koa aho de enga anie ka mba tsy ampiova n'inon'inona eo @ fifandraisan'i Bodo sy Mitia ny fananan'i Bodo zanaka naloakan'ny kibony.
7. ARINOFY ( 04/02/2009 10:15)
Mino aho fa tsy hiova ny fifandraisan'i Bodo sy Mitia.Ary ny finoana gasy anie de milaza fa ra misy olona tsy miteraka ka mitaiza zanak'olona de iny no mitarika chance ho azy e.De i Mitia zany no nitarika chance ho azy ka mino aho fa tsy hiova mihitsy ny fitiavany an'iny.De felicitation aky Mitia fa hahazo zandry a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7479