Hafatra kely ho an i TGV e

1. xxx ( 02/02/2009 17:58)
Ataovy matotra tsara ilay fika fa manjary RIDICULE e!

Sahala @ olona te hianatra eny @ CEG dia miteny hoe izaho tsy miraharaha na tsy afaka CEPE aza fa ny 6é ihany ny ahy !

Ihomehezan izao tontolo izao... :-D :-D
novalian'i xxx ny 03/02/2009 14:34
2. Noue ( 02/02/2009 18:01)
ka ho hitany ve ity eee?? tena marina kosa aloha fa ridic lery zao eee! ny ministères rehetra dia niasa androany ary nilaza mahintsiny zareo oe izahay tsy mihaino afatsy ny baikon'ny president
3. rabingogilabanga ( 02/02/2009 18:18)
raha tafajanona i president dia anatra ho azy iny, ary tokony hanetritena @ izay izy:

1)hitany teto hoe iza no tena namany t@ andro sarotra

2)fantany fa mandalo ny resaka maha-president;

3)ary indrindra indrindra, mila miova famindra izy, aoka ny hoe akama TIM ihany, aoka ny fividianana zavatra lafo nefa ny olona mahantra, ny fivarotana ny fananam-panjakana sy fanana-bahoaka tsy misy fifanakalozan-kevitra

GOUVERNEMENT D'OUVERTURE avec POUVOIR EFFECTIF NY MINISITRA NO TOKONY HISY, ary 2 Mandat ihany dia ampy, Satria na tiana na tsy tiana mizara roa ny gasy izao, Ary tsy misy fampandrosoana ho vanona ao anatin'ny vahoaka mizara roa

NEFA MBOLA TSY HAY NY HAVOAKIN'ny AMPITSO,ny chiffre 5000 na 10000, na 20000 tsy midika inona, ny lobbying aty ambadika no tena important (tadidio ny depart-ny EHUD OLMERT ao ISRAEL ka nampisy election anticipé)

na ny departn'i Gabriel RAMANANTSOA t@ 1975, na i BORIS eLTSINE tany russie t@ 1999
4. voafarany ( 02/02/2009 20:15)

Fonksionera izany tsy mbola ny vahoaka. Matahotra ny fi de moi -ny ry zareo. Il faut les comprendre
5. tsiafoi1 ( 03/02/2009 06:46)
Anatra ho an'ny roa tonta ireny toe-javatra ireny.... Fa tsy tongatonga ho azy akory, fa matoa nitranga de tokony hahay hisintona lesona na Ra8, na i TGV....

- Le Rapapany efa mba nahay niova famindra ihany...., Ka toa malemy fanahy sy azo hifampiresahana!!!!
- Fa Razandriny kosa toa mbola mikiribiby @'ny hadalany ihany...., Rehefa tsy nahomby Iarivo, de hikirodorodo any @'ny farintany indray!!! Mba aoka handinika ihany lahy!!!!

Fa rehefa tsy laitra hanarina, de ny fiainana no hananatra azy

"Ny heloka hibabohana tokoa mody rariny, fa ny rariny hitompoana mody heloka"..... Philosophie malagasy io, ary marina eo anatrehan'Andriamanitra ihany koa
6. nyavo2000 ( 03/02/2009 08:28)
Mody manafikoho i Andry tao amin'ny VIVa alina,

Mba hiàla hoe sirika be sur le plan international @ ilay bontolo sy loha jiolahimboto dia sarotsaromana hoe hiezaka hanao ny légalité izahay ka hanatitra eny @ assemblé , HCC sy sénat ny fangatahana fialana

nefa parallèllement milaza fa manome baiko ny andrim-panjakana sy ny ministère rehetra, dia nilaza fa hanao hetsika amin'ity herinandro izay tsy maintsy ireto no hataony:

* Hanatitra ankeriny ireo heveriny fa membre 'ny governemanta eny amin'ny ministère isankarazany.

* Hanao investiture ny tenany na ny alakamisy na ny asabotsy io

Fika efa hainay daholo izany satria efa natao t@ 1991 sy 2002.

Ilay hoe légalité dia sous-forme fotsiny, fa raha tena mitady ny légalité izy dia miandry ampahendrena ny valin'ny fangatahiny izay tereny ho hekena na dia
tsy marina.

TADIDIO koa raha tena mahay mamaky ny constitution izy , en cas de carence eo @ poste du président de la république c'est le président du Sénat qui prend systématiquement le pouvoir et prépare la nouvelle élection.

Aoka hazava f'aza mifamitaka, izay no izy raha hanaja constitution.
7. ari.malala ( 03/02/2009 08:57)
Na izany na tsy izany izy anie mbola tsy amin'ny taona tokony hitondra mihintsy raha ny lalàna e! satriko aza maratra be ilay azy ko! zara aza nisy ireny stations tv sy radios nakatona ireny mody nanaovana fitakiana hay kay ny an'lery efa fika anonganam-panjakana!
8. xxx ( 03/02/2009 14:34)
ari.malala:

Na izany na tsy izany izy anie mbola tsy amin'ny taona tokony hitondra mihintsy raha ny lalàna e! satriko aza maratra be ilay azy ko! zara aza nisy ireny stations tv sy radios nakatona ireny mody nanaovana fitakiana hay kay ny an'lery efa fika anonganam-panjakana!


Tsy hainao angaha ilay fitenenana hoe atositosika ho forain ny lambo


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5698