ho potehana foana ve ny tanàna?

1. maronibe2 ( 02/02/2009 08:44)
Izaho aloha dia efa mpandray anjara teto amin'ny serasera ity,fa saingy efa elaela no tsy teto ka tsy tadidiko ny fidirana!!,ka mba isarihako ny sain'ny rehetra dia ny zava misy any amin'ny tanàna! sao dia mba tary mamon-ny hafainganam-pandehan'ny TGV ary ingahy ANDRY R sa mamon-javatra hafa ka mihevitra sy manoratena ka handray fahefana,na koa mihevitra ny gasy hafa fa olona vendrana sy dondrona,fa raha io no miakatra eo dia efa mampahalala mialoha izahay avy amin'ny faritra hafa ao Madagasikara fa mba tena hanangana fanjakana tena mahaleotena tsy hiankina amin'Antananarivo izahay,satria izay te hanapotika dia ndao daholo,ka aiza no hiafaran'ny Firenena?
novalian'i maronibe2 ny 03/02/2009 08:32
2. tsiafoi1 ( 02/02/2009 09:01)
Tandremo! Fa rehefa tsy mahomby le sarin-tsarina demokrasia eny an-dalam-be.... De raikitra ny gidragidra be.... Tsy mahomby indray izay, de miala any koa ny ZARAZARAO HANJAKANA....

MASINA NY TANINDRAZANA, ary FOIN'ANDRIAMANITRA HO NOSY I MADAGASIKARA
3. andrywui ( 02/02/2009 09:36)
MAMON'NY FIJALIANA SY NY DIDY JADONA TETO ARY AVONAVONA SY TENY MAHERY AZO TETO IZY NO MAMPIPOAKA AZY E!!! NY ATSONJAY MANGINY FOTSINY ,KA RAHA TSY RESY ZANY DE MANDRESY ? KA NY FANAFIHANA IHANY NOAHAZAHOANA FANDRESENA !!!!!
4. Noue ( 02/02/2009 09:43)
12H10: Andry TGV toujours absent du 13 mai
:-D :-D :-D :-D :-D
5. BOYSGOSS ( 02/02/2009 10:00)
andrywui:

MAMON'NY FIJALIANA SY NY DIDY JADONA TETO ARY AVONAVONA SY TENY MAHERY AZO TETO IZY NO MAMPIPOAKA AZY E!!! NY ATSONJAY MANGINY FOTSINY ,KA RAHA TSY RESY ZANY DE MANDRESY ? KA NY FANAFIHANA IHANY NOAHAZAHOANA FANDRESENA !!!!!


Fazahoako an'i ngah d tena tia korotana sy tia gidragidra tsara miaraka aminay eny @ dojo ngah fa any zay misy jiolahimboto manakorotana foana ka voatery miady dia hitan'i ngah ny vokadratsiny ny atao korotana.
EFA HITA FA TSY LOJIKA TSONY NO SADY GREVY MIAMATY TSIKELIKELY NY MADINIKA FOTSINY NO MITONDRA FAISANA @ FIDANGAN'NY PPN.
6. nyavo2000 ( 02/02/2009 10:07)
Raha mahita ianareo dia mahatsapa fa isaky @ 12ora - 14h eo no miditra i Andrywui, hatramin'ny maraina ledala tsy teo (saika isaky ny jour ouvré io). TENA NIKANDRA ANGAMBA LEDALA, dia pause dia manoratra, hay ve élà tsy manaraka ny TGV koa e! TGV vavany fotsiny fa mbola mikandra ihany.
7. andrywui ( 02/02/2009 10:09)
ka misy ry le ngah ny olona tsy mahazo resaka milamina sy ampanajana sy fiangaviana zany a!! ohatra :: andao prezida hifanatona hiresaka hifampila hevitra fa misy maharary ane amin vahoaka sy ny mpanao politika sasany e!! inona no valiny tsisy ilako ze mpanao politika sy ze olona manadala ahy aho!! de izao kou vao tsy lany maire i Rafaly tamle eleksio iny de ny Tananariviens rehetra no nahazo kibay oe ""tsy misy hiraharahiako ze vahoakan'Antananarivo any ...."" ary nanaomboka teo ny lonilony tamin olona !! ka misy ny olona tsy mety mahazo zavatra mihitsy raha tsy somary voakapoka kely ny lohany!! de inona amzay ary !!? rehefa tonga le 26janv teo de lasa bonaika be sy gentil be sy mangataka fihaonana foana tsara fanahy be tampoka sy olona tsotra be tampoka teo iPrezida !! de ny konklizio zany mila domina amina gidraka foana ny olona sasany vao tonga saina!!
8. nyavo2000 ( 02/02/2009 10:19)
Tana leitsy tsy nahazo kibay izany a!

Mato tana tsy makato ny baikon'lisany dia fantany fa mbola tsy teraka aloha ny hisolo an-dR8, miandry fifidianana izay hisolo azy.

Tsy mpanaraka ambokony an-dR8 izahay , tena manana fahalemena leiry ary mila hovainy izany, saingy raha ny zava-bita dia mbola be lavitra noho ny halemeny izany sady ny vahoaka sy ny toekarena koa no tsinjovina satria raha misy ny krizy dia farafahakeliny 4 na 5 taona vao hiverina @ situation 01 janvier 2009 indray isika.
9. maronibe2 ( 03/02/2009 08:32)
Misaotra anareo aloha namaly ilay loha hevitra,fa ny tiako ho tsindriana fotsiny dia tsy fandranitana fizarazana akory no nambarako tany amboalohany, fa leo korontona ny any amin'ny faritra hafa,satria Antananarivo mirotaka any amin'ny fokontan'ny Faux-Cap Androy no mijaly,sns...,satria Malagasy sy Madagasikara any,Angamba any amin'ny taona 3000 ny TGV vao ho tonga any!,Tsy misy mandà ny mety mampitombona ny fitakian'ny Maire ny Tanà,fa tokony Antananarivo-Renivohitra aloha no jereny sy izay nifidy azy vao i Madagasikara,ny antratra tsy lavo ka antsoy koa ny hafa, izay no nilazako hoe"sao dia tsy normaly ary ilay ranamana io"izaho aloha tsy mpomba RA8, fa kosa iaraha mahita ny vitany teo amin'ny firenena fa ny Jamba angamba no tsy mahita, iaraha mahalala ny krizy eran-tany,koa ahoana no simbaina ny kely vita? Ho anareo mpitaingina TGV tokony ahatsapa tena ianareo ka ialao ny nofy fa revy daholo ireny,fa ty hisy manà hilatsaka avy any an-danitra akory eo ,fa raha izao no hitohy korontana Grevy Sy Revy dia ny anareo no ho be indrindra!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0789