Ho aiza moa isika zany zao?

1. OoRakotooO ( 31/01/2009 19:08)
Mo ve hafaka nanao zavatra hafa no iny auto-proclamation iny TGV?

Raha, théorie dia eny ny valiny satria azo napetraka ny fitoriana pour haute trahison (efa vita ilay dossier notantaraina t@ Viva sy antsiva) fa iza no handray azy? Tsy misy satria tsy eo ny haute cour de justice. Dia ny any vahaolana dia ny mandalo @ assemblée izay baikon\'i R8 na vidiana @ vola mikararana ny solombavambahoaka.

Ny zava-misy dia efa notaritina teny an-dalambe ny olona ary eto Dago, ary eny zany no alaina ny fitondrana sy fanalana an-dr8. Fa zany fomba izany dia sady ANTI-constitutionnel no ANTI-démocaratique fa io moa ilay formule malaza hatramin\'izay : LEGITIME.
Ary tsy maintsy natao haingana be satria raha tsy izany dia nifoteran\'ny aromotan-dR8 teo ilery sy ny tarina ary sur fa tsy namelany mihitsy raha tsy ripaka tanteraka. VORETRA be ilay lalana fa tsy misy hafa mihitsy aloha raha ny fahitako azy izao.

Ilay resaka négociation mantsy tsy possible mihitsy raha miaraka @ r8 satria :
1. Lery tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina sady mpandainga tsy roa aman-tany.
2. Tsy anaiky mihitsy ny hizara fitondrana izany izy satria be loatra (ary fantany) ny fandikàna lalàna nataony ka ny any négociation possible ho azy dia hoe IZY IRERY IHANY no filoha mitondra, fa ny sisa mitsipona akotry.
3. Tsy maintsy hamaly faty izy (izany foana no nataona hatramin\'izay na t@ politika na t@ asany) raha vao mbola namelàna na sombina fitondrana aza.

Izany no mahatonga ny hoe tsy maintsy apetraka AINGANA DIA AINGANA ny rafitra ahafahana manaramaso, mitsara, manasazy ary manala ny mpitondra fanjakana rehetra raha va manao fahadisoana , haute cour de justice na izay tiana hiantsona azy.

Ny tohiny dia izay hironan\'ny miaramila amin\'izay izao. Tsy maintsy hitsipaka farany i R8 ka hampisambotra an\'i TGV sy forongony. Efa nankany @ TGV ny vahoakan\'i Vohitsara androany (feno hipoka Analakely nanomboka teo @ Glacier ka hatrainy @ gare ~70 à 80.000 pax), raha manaraka ny administration @ alatsinainy ary manaraka ny miaramila izany hoe tsy mety misambotra an\'i TGV (satria izany manonga-panjakana izany dia azo vonoina ho faty raha ny lalàna gasy) dia vita hatreo ny an\'i R8 fa aleo ampiasaina haingana ny BBJ andosirana fa raha tsy izany dia mizara fandriana @ Pety eny Tsiafahy no miandry azy.

Fa raha tonga eo koa i TGV mbola raharaha hafa no miandry antsika satria ny ekipany toa tsy izy mihitsy ka maika koa tokony apetraka haingana ny rafitra fanarahamaso an\'ilay io.
novalian'i Noue ny 31/01/2009 20:23
2. patrick2002 ( 31/01/2009 19:15)
alao eo ,tsy maintsy misy ny demonstration de force rehefa miaraka @ olona tsy manaraka lojika ianao , sady efa tsy nianatra no mbola tsy mihaino tenin'olona ihany hatao inona conseiller ,zaho ilay firenena no fadiranovana ,
3. Noue ( 31/01/2009 20:23)
Fa raha tonga eo koa i TGV mbola raharaha hafa no miandry antsika satria ny ekipany toa tsy izy mihitsy ka maika koa tokony apetraka haingana ny rafitra fanarahamaso an'ilay io.
oatran'ny oe mbola tsy ampy zay firy taona nijaliana zay eee ??? any @ dry ratsiraka no mitonatonana tsssssss
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0426