Iza no mahatonga an'ity TGV ity ho sahisahy miteny sy mibaik

1. nancy ( 31/01/2009 18:40)

Iaraha-mahalala fa i Mcar dia colonie frantsay. Mbola te hanjanaka eto foana ny frantsay hatramin'izao. Tsy tiany handroso izany i Mcar e.
Ny zava-misy nefa dia nitodika tamin'ny firenena hafa i Ravalo hiara-hiasa aminy eto Mcar, toa an'i Japon, Korea, Canada,..sns. Tsy noraharahiany loatra intsony ny frantsay. Niha-tsy nahazo vahana intsony ny fiaraha-miasan'ny frantsay amin'i Mcar. Taitra ny amin'io ny frantsay ka nitady hevitra hafa hanakanana ireo firenena ireo tsy hitohizan'ny fiaraha-miasany amin'i Mcar, nitady hevitra izy ny itohizan'ny fanjakazakan'ny frantsay eto Mcar. Tiany esorina eo amin'ny fitondrana Ravalo satria manelingelina azy, Ravalo rahateo tsy tia azy. Dia izao zavatra hitantsika izao. Matoa i TGV sahy miteny ireny rehetra ireny, tsisy tahotra, fa tonga dia mibaikobaiko sy manonona ny tenany ho prezida sahady dia misy firenena manohana azy ao, manome toky azy, tsy iza izany fa i LAFrantsa.
Ka anjarantsika no mieritreritra. Tsy tombotsoa hoan'ny malagasy ny fiakaran-dry TGV eo amin'ny fitondrana fa tombontsoan'i Lafrantsa. Seza no tadiavin'i TGV, dia izay fotsiny ihany.
Am-bava homana e, am-po mieritreritra.
novalian'i voafarany ny 02/02/2009 20:00
2. Noue ( 31/01/2009 18:48)
efa nahazo ny sezany sahazy azy izy eee ! ho tapaka atsy ho atsy !
3. rakaroka ( 31/01/2009 19:22)
Ary tena "diplomate" mihitsy anie 'zany lé TGV raha nahazo ny "fanohanan'ny Frantsay" izany e. 'Dray miendrika ny ho filoha ny tahaka izany satria mahay mifampiraharaha amin'ny firenena hafa izany izy. Tadidiko na i Bush aza t@
ilay guerre tao Afgan tsy nahazo ny fanohanan'ny Frantsay izany na nikarataka izany aza an :wink: , 'ndrindra moa amin'izao Sarko efa mi se suffir am Europa izao no mbola mahatsinjo "tombotsoa" avy lavitra any indray parmis tant d'autres Pays africain. Izany 'zany no nahatonga ilay hoe nahazo fanampiana taty lé bandikely fa ilay bandibe tadidiko nitondra tanampolo nody :hi!hi!hi! fony niandrandra zavatra taty tam farany teo. Ka ilaina lé fahaizana mifampiraharaha tsy am Daewoo ihany fa am La Frantsa koa e, sinon mba asaivo ampiasainy ny diplomatie-ny hotoahanan'i US ohatra :-D :-D :-D
4. klitika ( 31/01/2009 23:09)
Normaly satria Frantsay i TGV vao Malagasy ka izany no ahazoany ny fanohanan'ny Frantsay.
5. mia ( 01/02/2009 04:58)
Tsy misy irarahian'izay gasy kely mahantra any e! mety efa tsy tia gasy intsony mihitsy izy matoa tsy mampihontsina azy akory mijery an'iarivo potika ary mandrisika gasy iray ra hifamono!!ny mponina mijaly dia mbola resaka fiadiana toerana ihany

na ny maty aza mbola sahy atao fitaovana hitarihana vahoaka !!

LEO adilahy politika e!fa mba atsaharo marina ilay fifampiandaniana fa toa variana loatra amin'io isika mianakavy dia tsy mahita hoe iza no tena mi-tirer les ficelles!

Esory daholo ny resaka tgv, ra8,deba dia vonjeo ny tanintsika tsy hisy ra mandriaka intsony!!mifankatiava e


6. soanava ( 01/02/2009 09:11)
Sarotra ny mahita ny tia tanindrazana eh,ny tia manabe paosy no betsaka
izay angaha no tanjona.tandremo sao lasa tohatra fontsiny :lol:
7. tsiafoi1 ( 02/02/2009 08:58)
Hafa dia hafa ny ity information farany henoko ity mikasika ny toe-draharaha ankehitriny: Azo ambara fa source fiable no nivoahan'izy ity : BIZNA AVO LENTA KA TANDREMO TAFAJABAKA FA SAROTRA NY MIALA!

A)- Tamin'ireny Evènement 2002 ireny, de nalaza be eran'izao tontolo izao i Madagasikara, idd tao Afrika. Ary tsy vitsy t@'ireo firenene afrikana no nanao référence an'i Madagasikara. Anton'iray nisafidianan'ny maro ka nahalany ny hanaovana ny Sommet Africain aty Madagasikara izany.... Vola mikararana no ho azon'i Madagasikara ho enti-manomana izany, etsy andaniny ihany koa ny Francophonie 2010....

B)- Manoloana izany tombotsoa lehibe azon'i Madagasikara izany, de misy firenena afrikana telo, izay miaraka @'ny firenen-dehibe iray, izay tsy mikely aina mafy, ny tsy hahatanteraka izany Sommet sy francophonie eto amintsika izany, noho ireto antony manaraka ireto :

1- Raha tanteraka eto amintsika tokoa io Sommet io, de automatiquement ho lany Filohan'ny Fivondronamben'ny Firenena Afrikana sy SADEC, ny Filoha Ravalomanana......, Ary dia zary ho lasa modely aty Afrika isika @'ny lafiny rehetra....., Ho vetivety tsy ho ela aorian'izay de ho maro ireo firenena izay teo ambany vahohon'ilay firenena lehibe io fahiny (ireo zanantaniny fahiny), no hiendaka eo ampelan-tanany.... Vokatr'izay de tsy mikely aina mafy ireo saribakoliny fahiny mba hanao izay tsy hahatanterahan'io eto amintsika.... Anisan'izany izao hetsika ataon'ny TGV sy ireo saribakoly fahiny izao... Tsy hitsahatr'izy ireo fa hilofo ny hanome image ratsy an'i Madagasikara mialohan'io Sommet io, ary @'ny fomba aingana tokoa izany. Objectif de tsotra "Tsy ho tanterahana eto Madagasikara izany Sommet africain izany"

2- Financement goavana ihany koa no miandry ao ambadik'izany fanomanana ny Sommet sy Francophonie izany(Milliard d'euros maro),.... Koa misy ireo firenena telo izay samy maniry mafy ny handray izany.... Tsy mikely aina ihany koa izy ireo mamatsy vola ireo ekipany eto an-toerana mba handrava sy hanapotika an'i Madagasikara mialohan'izany fotoana izany.....

3- Misy ireo zay mbola manina ny fitondram-pahefana ka manararaotra ny toe-javatra ankehitriny mba handrombaham-pahefana indray, nefa mbola azo lazaina fa bitika ihany ity antony fahatelo ity..... Satria raha mahomby iroa fikasana goavana roa lehibe ery ambony iroa, de mbola hifandrotehan'ireo nahazo sombiny amin'ny bizna indray i Madagasikara rehefa avy eo, ka hiaina ao anatin'ny ady an-trano sy ny ady fahefana indray....

Aoka ho tonga saina isika malagasy ary handinika tsara,.... Ny Afrikana aza te-hitroatra, isika indray ve no hamerina ny lasa efa nandoro antsika....

Masina ny tanindrazana, ary manainga anao ry TGV, mba handinika kely fotsiny, fa tsy ny tombotsoan'ny tena no hamotehana ny firenena iray manontolo.... Ny harena de mandalo, fa ny firenena hitoetra mandrakizay.... Koa tandremo fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,.... Raiso ny fanapaha-kevitra, azo atao ny miverin-dalana mba tsy hanenenana mandrakizay.....
8. voafarany ( 02/02/2009 20:00)
I Ravalo no nahatonga an´i Tgv ho sahisahy toy izao. Tsy fantatrao ve fa toy izao ihany koa no nahatongavan´i Ra8 teo@ fitondrana.
I Frantsa izany no ao ambadik´i TGV(!? ) Ary iza no tao ambadikí Ra8 ta@ izy nanao ny fihaztseketsehanan nataony tamin´ny fotoanandro ? Tokony hanaiky izao fomba izaoi Ra8 fa i Ra8 inanyno namoha ny Pandorabox ( Boitin´I Pandora ). Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4719