Tanan'Antananarivo... Novonoina ara-bakiteny...

1. xxx ( 30/01/2009 17:02)
Raha sendra mandalo eto afovoan'Antananarivo dia ara-bakiteny tokoa, ilay Tanàna maty. Novonoina angamba ny marina kokoa. Araka ny tetika efa mati-paika sy voaomana efa hatry ny ela....
Indrisy manko...Hafaliana ery taloha tam'mbola kely ny ho any Antan..narivo rehefa vakansy...Hijery an' Analakely sy Hilton, Tsimbazaza, anaty rova....
Ny loza amin'zao fahapohehan'ny tanàna izao da tsy ny tanàna amin'ny maha-tanàna materialy azy fotsiny, fa maro be ny zavatra fonosiny ho amin'ny tantara ny firenena sy tsirairay mihitsy aza ...fo sy saina, fanahy....Ny amin'ny lafiny maha-olona manontolo . Lasa fahaverezana "point de référence "hoy ny antropology sy ny filôzôfa. Ho an'iza moa ny tombotsoa ary ho an'iza ny fatiantoka ? Antsika aby io.
novalian'i xxx ny 31/01/2009 02:57
2. bozyboleta ( 30/01/2009 19:04)
Ny ben'ny tanàna ihany no tsisy saina nandoro ny azy e!
3. Belami ( 30/01/2009 22:25)
Tantarampirenena lava be raha hiresaka momba an'Antananarivo isika, fa ny tiko tenenina kely dia izao :
- Nisy mpitondra teo aloha, niezaka nivoy tsy ankijanona ny atao hoe firaisampirenena foana nandritra ny fotoana nitondrany, ambadik'izay dia nataony izay hanapotehina an'Antananarivo na mivantana na ankolaka (fandorana ny rova, tsy nikarakarana ny lalana sy ny endriky ny tanàna, ...). Dia izany rehetra izany no nahavery ny hasin'Iarivo indrindra tamin'ireo mpitantana mivantana ny tanàna ohatrany mitranga amin'izao fotoana izao.
4. belakely ( 31/01/2009 01:25)
mandrorona angamba ilaikely io koa.
Asa raha nanenina izy amin'izao na tsia!!!!!!!!! :roll: :roll: :roll:
5. xxx ( 31/01/2009 02:57)
Fa angaha Antananarivo ihany no niharan'izao ry tony eee!!! tsy hainao angaha fa Mahajanga dia rava koa??? ary Tamatavy??? Toliara?? Sambava???....Fa toa Antanananarivo foana no ahindrahindra sy asian-tsento raha misy fahavoazana!!!!Fa angaha tsy M/car ireo faritra hafa niaram-boina irao????
NEFA DIA ADY SEZAN'NY MERINA ROALAHY NO ANTON'IZAO REHETRA IZAO!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0617