Misy olana be

1. paiso ( 30/01/2009 12:21)
Inona kay no ataoko mba hitazomako hatramin'ny frany ny finoako fa ohatran'ny tsy mahatazona ny finoako aho. mba mangataka vahaolana na mangataka vavaka avy aminareo raha azo atao.
novalian'i soanja ny 31/01/2009 07:56
2. xxx ( 30/01/2009 12:41)
@ fomba ahôna no ahafahanao milaza fa tsy mahatazona ny finoanao enao! mieritreritra ny hiova finoana nga toi! tsy d mazava amiko ny tianao hambara!
3. ainaheri ( 30/01/2009 13:02)
hazavao tsara ny tianao lazaina fa otrany paisobe zany lay resaka :-P Nohon'inn lay antony,nisy nitarika ka tsy voatohitrao ny lahatra nataony sa d inn lay izy???
4. paiso ( 30/01/2009 14:02)
Aza de mifanao paisobe ohatran'izany fa mba tena serieux be ane za e.
Mba valio milay nama le izy a
5. ni81 ( 30/01/2009 14:14)
Inona kay no ataoko mba hitazomako hatramin'ny frany ny finoako fa ohatran'ny tsy mahatazona ny finoako aho. mba mangataka vahaolana na mangataka vavaka avy aminareo raha azo atao.
manaova fampiharana bebe kokoa e
6. bema555 ( 30/01/2009 14:30)
zay mitsy mila mijery zany ndry oe reto dôl ny zavatra ianarako momba ny bible de aiza ho aiza ny fampiharako an'ireo! satria ny finoana tsy misy asa de mitovy @ tsy misy! ho hitandry fa hihamafy ny finoan-dry raha miezaka mapihatra ny zavatra ianarana ndry.Ohatra milaza ny baiboly hoe: tsara kokoa ny manome noho n'ny mandray! d mba miezak ndry mizara! mianatra manome ny mahantra! eny e ohatra fontsiny io fa ndry mety efa mizara ihany eo @ fiainana!
miezaka mampihatra tsikelikely arakizay azo atao zay ianarana;
d aza hadino ny miresaka an'izany blem ndry zany an'Andriamanitra fa tena tiny b revô zavatra otrizany no resahina aminy: ohatra i Solomona zao nangataka fahendrana t@ Jehovah TSY harena na fandresena no nagatahiny fa fahendrena: de tena azony izany!
okay e!
7. ikaretsaka ( 30/01/2009 15:29)
ny tena tokony atao koa dia mila mijery .. tsy bible ihany fa ianao manokana tokoa hoe inona no mahatonga anao mino, inona ny tena momba ilay finoanao izoa, ary inona ny tena momba ilay finoana "tianao hivadihana"
8. Mirananirina ( 30/01/2009 18:37)
Finoana an'Andriamanitra ve izany?Ataovy ao antsaina fotsiny fa izy no nahary izao tontolo izao.
Tsy homena tsiny izay tsy mino fa betsaka ny antony tsy mampino ny olombelona.
9. xxx ( 30/01/2009 19:00)
Marina daholo ny voalaza etsy ambony nefa na zany aza ,mety miseho koa io cas mahazo an'i paiso io.Asa ianareo na efa voan'izany fa ny efa nahazo ahy de ohatry ny mahatsapa fa lavitra an'Atra za in-1-1.Ka na ny mamaky io baiboly io aza dia tsy haiko mihitsy.Fa toa ohatry ny mamaky histoire rehetra ihany ny fiheverako azy.Asa ny vavaka fangatahana ny fanahy masina ve no tsy ampy sa.... Fa tena misy moment tratran'izany mihitsy ary tsy hay itsony hoe inona no hinoana.In-1-1 manao programme tsara hoe hivavaka sy hamaky baiboly @ zay za,fa eee,ohatry ny varimbariana @ zavatra tsy de manahoana loatra oh:Film na te hatory tampoka zany,dia very teo le vinavina hamaky ilay baiboly.Na refa mamaky de mamaky betement fotsiny fa tsy misy aimpanahy akory na dia kely aza.
In-1-1 de tena mila hikiakiaka mihitsy hoe inona ary zany mahazo ahy zany Atra ooo!
Ka tsy homena tsiny paiso raha mametraka io fanotaniana io .
Za tsy mahita solution homena azy satria za koa mba voa ihany ko!Fa dia mba mila marina ny hevitra avy any aminareo namana.
10. Mirananirina ( 30/01/2009 19:24)
Hivavaka ho anareo aho,hangataka amin'Andriamanitra hitazonatsika izany finoana izany azy izany.
Ny amin'i Jeso indray aleo hoany hafa fa tsy ao aho
11. soanja ( 31/01/2009 00:58)
paiso:

Inona kay no ataoko mba hitazomako hatramin'ny frany ny finoako fa ohatran'ny tsy mahatazona ny finoako aho. mba mangataka vahaolana na mangataka vavaka avy aminareo raha azo atao.


Tsy misy atahorana akory izany fa fomban'olombelona ny mandalo izany zavatra tsapanao izany indrindra rehefa mahatsapa ianao fa ny fiainana eo ihany no miverimberina, fa tsy misy hafanam-po amin'ny zavatra vaovao (rejuvenating energy) na aingam-panahy mampitroatra ny any anaty ka mampisy aina izay jerena (inspiration na up-lifting vibes), hany ka zary hanadino ianao fa manam-pinoana mafonja.

Ireto no azoko hatoro hanome ireo raha io ambony io no tsapanao:
- Mandehana mamangy ny toerana misy ny boka ohatra na hopitaly be marary mafy ireny na toeran'ny antitra efa tsy afa-manao n'inona ireny. Na ezaho eritreretina fa manan-janaka ianao ary any Iraq na Afganistan no misy azy ireo. Jerevo tsara ny manjo azy ireo. Mahatsapa ve ianao fa mampahonena ry zareo? Diniho amin'izay ny tenanao, manao ahoana ianao raha oharina amin'izy ireo? Matetika eo dia hahatsapa ianao fa mbola sambatra lavitra noho ny misy azy ireo. Izy mety hahatsapa ny fisianao manodidina azy koa ka manantena izay fitserana sy fiahina azy ireo izay. Raha io no tsapanao dia isaory Andriamanitra fa mbola manana ny tsara azo ampiasaina ary ifikirana ianao. Ireo dia tokony hanome anao fijery vaovao manoloana ny sarotra. Ny fisianao dia efa hatsarana ho anao ary isika rehetra dia misy fanahy mpankahery sy mpamelombelona. Ny fifandraisana amin'io ao anatinao ka ifandraisanao amin'ny hafa no hanome anao ilay ainga hahafantatra fa manam-pinoana mavitrika ianao fa takona fotsiny izy.

Mbola hitohy....


12. sitlo ( 31/01/2009 01:27)
Ny finoana dia tsy misy porofo loatra. Ny tsy finoana koa tahaka izay ihany.

Amin'ny trangan-javatra tsy azo porofoina dia anao no safidy. Fa ny irariana ny soa no safidianao.
13. soanja ( 31/01/2009 07:56)
- Zavatra iray isan'ny manampy koa dia ny fanokanan-tena hanao asa iray misy ifandraisan'ny amin'ny finoana ary ahitanao fitsimbinana ara-panahy satria hitanao fa mamokatra. Ohatra iray hitako izao dia ny mampianatra katesizy na sekoly alahady ireo ankizy kely izay mbola tsy mahalala ny momban'ny hoe fivavahana sy ny finoana. Anjaranao ny mampita sy manilo ny sainy hamparisika azy hijery akaiky ilay Andriamanitra tia azy. Ny fidirana chorale ary iainana ny hira sy vetsovetso mivoaka avy any anaty. Manamafy finoana tokoa ireo ary mamelombelona ny fanahy marefo.

- Ny fialana kely amin'ny mahazatra ary mamonjy pelerinazy sy fiofanana ara-panahy miaraka amin'ny be sy ny maro na mitokana ; ohatra hoe mamonjy monastera ary manao fifadian-kanina sy vavaka tora-po isanandro sy alina. Ny hiran'ireo mpino manodidina no heno malefaka ao anaty saingy tsy natao hanaitaitra anao miresaka amin'Andriamanitra. Isan'ny mandaitra amiko dia y fandehanana irery any anaty ala mangina ary miresaka amin'ny tena ny ho momba anao sy ny ho avy ary fanankinana izany amin'Andriamanitra izay tokinao.

Farany dia ny fanokanan-tena hanome ny momba anao ho an'ireo mahantra sy izay mila ny fanampianao. Manome tsy terena ary manome ampitiavana. Io dia mampahiratra ny masom-panahy tokoa satria ilay fanahy mpampihavana no miasa ary manome anao torolalana ny ifandraisanao bebe kokoa amin'ireo solon'i Jesoa eto an-tany dia ireo namantsika mila ny fanehoam-pitiavana avy amintsika. Iray isika rehetra na dia samihafa aza!

Mahereza hatrany. Soanja
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.192