NY LASA, ANKEHITRINY, NY HO AVY

1. naritsimba ( 30/01/2009 07:23)
Ninia nangina tsy namaly izay resaka mandeha etsy eroa mihitsy ny tena tato anatin'ny fotoana vitsivitsy.
Ireto kosa fanamarihana izay hita hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana, ka anomezana soso-kevitra ho an'izya mihevitra ny hitondra any aoriana.
1-Raha ho an'ny TGV dia mazava fa ireo tanora tsy an'asa no tena nanohana azy izany hoe ireo generation1970-1980 izay ireo nahavita fianarana kanefa tsy mahita asa, izay tsapa fa ireo no maro an'isa amin'izao fotoana, azo atao tsara ny maka ny antontan'isa ahalalana hoe firy ireo tanora tsy an'asa.
Mazava ho azy fa nanohana azy ireo ny ray aman-drenin'ireo tanora ireo satria nampiana-janaka nefa dia malahelo fa dia na mahavita fianarana aza dia tsy misy ny asa ary raha misy dia nanjakan'ny fianakavian'ny mpitondra.
Tao ihany koa ireo nanohana ny mpitondra nefa diso fanantenana t@ filazana ny fahamarinana sy fahamasinana tsy voahaja.
2-Ho an'ny Mpitondra fanjakana.
-Raha nandeha nanao fetin'ny taranaka izahay t@ Alahady 25 janvier 2009 tany @ iny lalana mankany toamasna iny dia nisy ireo fiangonana izay nasaina nirava mba andeha hitsena ny filoha Ra8 teny Ivato, marihana anefa fa tena mbola tao anatin'ny fotoam-pivavahana no nitrangan'izany, nanomboka tany @ FJKM Ziona Manjakandriana izany, soa ihany anefa fa tsy amoron-dalana ny fiangonana nandehananay ka tsy tratran'ny baikon'ny chef distrika. Ary dia 2000ar isan'olona, nahavariana anefa fa niakatra 5000ar izany rehefa nisy ireo tsy nanaiky fa niady varotra.
-Teo ihany koa ilay fampiasana olona na ilay antsoina hoe HIMO, maninona no tsy natao taloha izany satria efa hita fa sahirana ny ankamaroan'ny olona.Fa vao nisy ny fihetsiketsehana dia nivoaka ny vola anaovana ilay asa tana-maro.
-Raha tsy navoaka ny didy nanakatonana ny VIVA tsy nisy izao.
-Maninona no nofoanana ny fandaharana Karajia tao @ RAdio Don Bosco.
Efa nampahatsiahy ireo ny Nonce Apostolique raha nikabary teny Iavoloha saingy nahazo valinteny boribory.
Fehiny:
Ho an'izay hitondra eo dia tadidio fa tsy maintsy hiseho foana ny toy izao fa miova fotsiny ireo mpitolona, dia hanao toy izao koa ve ny generation 1990 atsy ho atsy satria rehefa tonga ny fotoana ahalebiazan'ireo zaza ireo dia tsy maintsy hahalala ny tsy rariny indray izy ireo ary hilaza fa tsy mamely ny mpitondra rehefa tsy avela hiteny sy haneho ny heviny izy ka tsy hahazo izay SAHAZA ho azy.
Jereo tsara fa miha tanora ireo mpitarika hetsika fanoherana eto Madagasikara noho izany tokony handini-tena isika izay mihevi-tena fa ho lehibe na Ray aman-dreny fa misy jadona apetratsika ho an'ireo ho avin'ity, firenena ity, ary ataontsika ho toy ny mitaiza zaza any an-trano na fitondrana orinasa ny mitondra firenena, ka raha maditra ny zaza dia kapohina ary rehefa miteny ny tsy mety ny mpiasa dia roahina.
Ny tena ilaina dia OLONA MAHAY MIHAINO NY FITARAINANA, MAHAY MIRESAKA. MAHAY MANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA.
novalian'i Fanazava ny 30/01/2009 11:28
2. penguin ( 30/01/2009 07:32)
Ny fianarana na fampianaran-janaka dia zavatra ahafahana mamorona asa na hizahavan'ny mpampiasa anao no atao fa tsy ny fakana diplaoma fotsiny akory. Na tany aiza na tany aiza dia samy misy tsy an'asa saingy foronina hoe eto M/car ihany no sahirana sy be tsy mahita asa.
Resaka habobo no tiana hatao fa lainga tototra ny filazana hoe mahay mamaha ny tsy fananan'asa mihoatra ireo tany sy firenena lehibe sy mandroso ireo i TGV.
3. tsiafoi1 ( 30/01/2009 08:00)
Manao petit projet de mamorona asa rehefa tsisy ny orinasa. Ataoko azo atao tsara raha faisable tsara ny dossier nao, ny manao crédit bancaire pour PME, sady efa facile be ny accès @'io... Tsy toy izany ve no niaingan'ingahy le Maire fony izy nanangana ny panneaux injet

Betsaka ny azo atao eto, fa ny finiavana hanao no tsy misy. Koa maika raha zarina hitokona an-dalam-be indray ny tanora, ka hiandry fahagagana ataon'ny mpitondra, izany ve tsy ho looooooza!!!
4. tsinjo ( 30/01/2009 08:32)
ireo tsy anasa kou no azony TGV adalaina afaka hanampy azy ,sy anakorotana sy andrava ny fanana'olona fa tsy ireo manana asa akory mazava be nge zany e,ny olona manana asa koa tsy adalainy andany andro eny aminy 13 mey
5. andry44 ( 30/01/2009 08:49)
manahona daholo!!
Raha namaky ny hevitr'i Naritsimba aho de ny fototry ny olana @zao no tiany asongandina;
Raha ny tsy fisian'ny asa @zao aloha de tsy ny mpitondra @zao angamba no tena rangory fototry ny asa fa ny mpitondra nifandimby teo aloha.Inona ny antony?Ny rafitry ny fampianarana nampianarana ny génération 70 sy 80 mihitsy no tsy hahafahana mahita asa sy/na mamorona asa @ zao taona 2000 izao;nefa t@ zany nodradradraina re-tany ren-ndanitra fa "ny zaza ankehitriny no tompon'ny taona 2000".
Ny tena olana eto @tsika de ny tsy fisian'ny rafitra tena matotra hitondrana ny firenana( sosialy, ekonomika, fampianarana,....) fa de kitsapatsapa foana na copie colé avy any ananona any foana hany ka tsy mifanaraka @ toe-tsaina gasy ilay izy ka mitroatra ny olona.
Tadiavin'ny sasany ho ny toe-tsaina gasy no hovaina hifanaraka @ zay tiany sy hitany tany ho any de mifamototra ny zavatra!
Mahereza daholo fa mbola ho ela ny dia e!
6. bozyboleta ( 30/01/2009 08:49)
Naritsimba>>> tsy hoe ninia nangina ianao fa tsy nahita nolazaina teo anatrehan'ny tsy nampoizinao fa nazeran'ny "andry" boboka niankinanao.
Ho toy inona ery ny vavavanao teto raha hafa ny fisehony????
Tsy mainka voaozonao hatramin'ny vahoaka nanaraka ny FILOHA???
Ny tena ilaina dia OLONA MAHAY MIHAINO NY FITARAINANA, MAHAY MIRESAKA. MAHAY MANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA.

Ka IZA ary e!!! I ann ve? sa i ann? tsssssssss

Mba manomeza soso-kevitra f'aza ilaozana mitondra bala dombo.
7. nyavo2000 ( 30/01/2009 09:06)
Diso ihany ny analysenao ry Naritsimba, ny tanora miaraka amin'i Andry ny akamaroany dia zaza vao erotrerony daholo, raha tsy hilaza afatsy ireo olona 2 maty teny @ MBS fotsiny. Ireo no tsy mahalala ny tantara ka fahanan'i Andry lainga sy fampanan-tenàna poak'aty (ny demokrasia mantsy efa nangatahina ela efa hatramin'ny 1985..fa tsy zava-baovao).

Ny génération vers 1985/1990 any ho any no liana amin'iledela ary ireo tsy mahalala firy ny tantara sy ny fangirifiriana tamin'ny 1991 na 2002...ka tia andrakandrana sy mafana fo na ho any na tsy ho any. Fantatr'i andry izany dia lalaoviny sy ataony sorona izy ireo....

Tsetsatsetsa tsy aritra: milaza ny naritsimba hoe ireo tsy an'asa no manaraka azy ary omena toky mafy kanefa ny mifanohitra amin'izany no hita olona aman'arivony eran'ny M/car no very asa ankehitriny sy ny ho avy raha ny zava-misy no jerena.

8. naritsimba ( 30/01/2009 09:12)
Afaka miteny ange zà eto hoe aleo andeha @ zao fa zà angaha no tsy an'asa sa ny tenako no mitady asa???
Saingy mahaiza mijery @ maso tsy miangatra fa ianareo ireo no tsy menatra akory fa izay tonga eo dia ekena daholo ary malaky mamadika palitao fa tsy manana foto-kevitra mazava.
Ny foto-kevitro dia tsotra: ny filazana ny marina, ny zava-misy, ekenareo fa misy ny tsy mety ataon'ny mpitondra nefa ianareo mangina. Ianareo no tena ratsy raha izany satria minia mikipy eo anoloan'ny tsy fahamarinana.
Mihevitra ve ianareo fa mety ny ataon'ny mpitondra? raha nety ny nataony tsy nisy nanohitra akory teo.
9. Mandefitra ( 30/01/2009 09:19)
Ny fanoherana bontolo, tsy amim-piheverena no tena tsy mety ary mitondra henatra ho an'ny firenena sy ho an'ny malagasy tsivakivolo.

Inona zao no vokany?
Hanarina foana fa eeeee

- Mbola tsy mahay maka lesona foana ve fa ny fidinana andalambe nge tsy ataotao foana, fa mila fitandremana sy fahamalinana ary fahafehezana ny vahoaka taritina

- mbola tsy tsapa ihany ve fa ny fikatsoana iray andro miteraka fatiantoka tsy hay harenina @ ekonomia efa marefo

- Mbola tsy hay ihany ve fa @ tolom-bahoaka tsy maintsy misy foana ny mpanararaotra ho an'ny tombotsoany manokana.

Atao ahoana moa fa ny vahoaka ihany no sorona ... noana sy tsy ampy fahalalana tsinona koa.

Asakasak'izay manao azy ireny ho tohatra fiakarana anefa.
10. Fanazava ( 30/01/2009 11:28)
Raha mandinika ny lasa sy ankehitriny ary ho avy dia tsotra eh ;
Niezaka nandrodana fanjakana teto foana ny goaika antitra tamin'ny politika raha vao tsy mahazo seza izy. ( Ndremanjato, Ratsirahonana, Zafy Albert, Randjivason, Pierre kely, Ny Hasina, Betina Bruno, Alain Ramaroon sy ireo Arema efa fantatra eh..)
Nozarin-dry zalahy ireo hilahatra andalambe hanongam-panjakana ny vahoaka. SAtria fanatany fa tsy hahasehaka izy amin'ny fifidianana. Tsy tena politika fampandrosoana no natao fa politika fitadiavan-tseza. Dia izao no vokany. I Andry TGV no hitandry zalahy lalaovina dia nataony. Jereo fa efa ireo mody miseho moramaora ireo ny Mptanty rakena.

Tsy misy manaiky ny hiverenan-DRatsiraka sy ny forongony eto eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.036