Ra8 mitondra ary manatsara fa TGV karamain'ny mpanimba M/car

1. penguin ( 29/01/2009 13:48)
M/car dia hizahavana hevitra ny mba hampisongadina azy ary ezahina ny hijoroany. Mila ary manantena izany ny Malagasy rehetra. Manomboka manao izany ny fitondran-dRa8. Tena afa-baraka ny mpitondra teo aloha mihoatra ny vitan'ny ankehitriny sy ny mety tohiny ka aleo potehina an-dàlana tsy hitohy. TGV no hevitra hanimbana azy.
2. ranitse ( 29/01/2009 13:52)
Ny tanora aloha dia mora tratran'ny TGV raha tsy manadihady tsara. Raha t@'ny andron'ny AREMA dia tsy tafiditra @'ny fifaninanam-panjakana isan-karazany raha tsy akan-dry zalahy. Ankehitriny rehefa milofo dia tafiditra @ sehatra izay tiana hidirana. Mankararirary ny zatra ny làlan-dririnina izany ka aleony hizahavana hevitra handrebirebena ny tanora hanamaro isa ny MPANDRAVA EFA.
3. penguin ( 29/01/2009 14:01)
Manomboka zahavina na savaina izao ireo olona ahihina ho nitaona entana t@'ireny sarisary nifaliana navoaka ho hita teto ireny. Koa ho hita eo ny TGV raha sahy hanitsoka izay tratra na koa hilaza indray hoe havohay ireo fa mahantra tsy manantsiny. Sa ahasahy hilaza hoe olon-tsy fantatra ireo ka gadrao. Eo no hanarahan'ny tanora azy na tsy satria mpivadi-dela.
4. Noue ( 29/01/2009 14:02)
Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny Oniversite iray antsoina hoe "
5. penguin ( 29/01/2009 14:08)
TGVendrana, Mpandrava Efa ary tia hamerina ireo sesi-tany efa nanimba an'i Madagasikara.
6. tashaa ( 29/01/2009 16:44)
[quote=Noue]
Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny Oniversite iray antsoina hoe "
7. xxx ( 29/01/2009 18:20)
penguin:

M/car dia hizahavana hevitra ny mba hampisongadina azy ary ezahina ny hijoroany. Mila ary manantena izany ny Malagasy rehetra. Manomboka manao izany ny fitondran-dRa8. Tena afa-baraka ny mpitondra teo aloha mihoatra ny vitan'ny ankehitriny sy ny mety tohiny ka aleo potehina an-dàlana tsy hitohy. TGV no hevitra hanimbana azy.


Ny azo amin'ny kiloadoaka dia mivoaka amin'ny kilavadavaka, Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, Aza manao fisitrik'alika rehefa manoloana an'Andriamanitra ny alika rehefa mihafina dia ny lohany ihany no hafeniny dia mihevitra izy fa voahafina daholo ny tenany iray manontolo, Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha, tandremo io tany io fa tany hanototra ka tsy hamidy ary tsy atakalo, aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka ny mpamboly vary kely sy zara raha mahazo ny hivelomany mandritra ny taona ao Ambatondrazaka no hanamparampahefana sy robaina, tsy ny mpiompy ronono be ronono manana omby efatra no hanamparampahefana ka raha mba tehanitatra ny asany dia hanaovana sakana tsy afaka mampiditra fitaovana hitahirizany ny ronony, aoka mba tsy hangalatra ny asa sain'ny sasany ka rehefa nangataka fanomezandalana ny sasany dia tsy nomena fa natao ilay tetik'asa (projet) avy eo Soanirariny (Antanifotsy), aza ny mpivaron-kena tsy mamono omby amanjatony no anaovana asan'ny be sandry ka hanaovana antsonjay hilazana fa zaranareo aza mbola izaho no miresaka aminareo fa rehefa i Dada asa fotsiny... Andriamanitra tsy mijery miakatra fa mijery midina ka na rahoviana na rahoviana dia rehefa tsy hinjinja ny nataony ny mpanao ratsy dia hivaly amin'ny taranany izany ary efa voalaza fa ny harena toy ny zavona ka mora manjavona ary hamafisiko ihany koa fa mora ho an'ny rameva ny fidirana amin'ny vodi-fanjaitra fa ho sarotra ho an'ny mpanankarena ny fidirana amin'ny fanjakan'ny lanitra.Tsy afa miala eo izay manao ratsy amin'ity (Jereo ny manjo ireo teo aloha ireo é 25 taona nireharehana fa mafy ny fijaliana fito taona é) Madagasikara tany Masina ity fa mbola hanjakan'ny devoly aloha é!
8. OoRakotooO ( 29/01/2009 19:06)
Zao e, miala r8 dia tsaraina fa nangalatra volam-bahoaka, nanabotry ny mpandraharaha gasy (fa nanampy kosa ny karana).
Avy eo zay manaraka eo dia azo tsaraina sy gadraina torak'izany koa raha vao manivaka.
Ny sisa conjecture sy ranomaso-taoka fotsiny fa na inona na inona vitany (ary nahavita tokoa izy @ lafiny sasany), dia nangalatra sy nanabotry anay gasy mba mihezaka ny hamelona ny vady amanjanakay aty Dago io ka zaody ary gadrainay raha mbola tsy mitsoaka any aminareo any an-dafy any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2681