MATY MAY SY NIANJERAN'NY TRANO TSY MISY VIDINY @ TGV

1. nyavo2000 ( 29/01/2009 11:17)
Mahagaga ihany ny lohan'ny TGV sy andry Rajoelina, manao mizana tsindrian'ila amin'ny famonoana olona nataony.

Voalohany ny fandehanana teny @ MBS: hanao inona teny ==> valiny handoro, handroba (tsy misy antony tokony handehanana eny raha ny votoatin'ny fitakiana natao teny Ambohijatovo). Rehefa maty voatifitra anefa ireo mpandroba sy mpanafika teny Anosipatrana dia ankalazaina be sy hanaovana an'izao sy zao ho fandranitana ny olona ( ka raha tsy paiso ko!).

Ankoatr'izay anefa dia misy faty maherin'ny 30 may sy nirodanan'ny trano teny @ MAGRO sns izay toerana nalehan'ny mpitolona, dia nahoana tsy sahy asiana resaka fa tena responsabilitén'ny TGV ireny, izy ihany no nitarika ho eny @ MBS , MAGRO, JUMBO sns.... aiza ny fandraisana andraikitry ny TGV: tsy karohina ny havan'izy ireny, tsy karakaraina ireny faty ireny....

Hay tokoa moa ireny no sorona amin'izao tolona izao, raha tsy ireny tsy ho tonga amin'ny fikorontanana mafy toy izao ny firenena.....nefa tsarovy fa TODIN'AINA AINA, ny atao no miverina.

Maninona moa raha mba alaina izy ireny dia mba andrasana eo @ 13 mai, f'ireny no tena mpitolona mahery fo (tsy sanatria mandatsa ny maty) tokony hojerena ?

novalian'i yvonKEL ny 29/01/2009 14:43
2. sitraka1 ( 29/01/2009 11:22)
Ny tantara no hitsara azy e, asa na hilamina ny sainy manoloana ny zava-nisy na ahoana? Ka ny tsy azoko am le zava-misy de ity: nasaina nandoro fotsiny ve ny olona sa nasaina haka ny entana aloha vao mandoro?
3. xxx ( 29/01/2009 11:32)
Mbola marina ihany ny teny gasy hoe " Ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina " .Ka mipetraka ny fanontaniana hoe inona no nisy aloha ny akoho sa ny atody ? aleo asiana évasion kely fa mafaitra ny mianjady ,hay .
4. mion ( 29/01/2009 11:34)
aza miasa saina amin'izany fa na handroba na handoro mitovy ihany
5. Zokibenareo ( 29/01/2009 11:42)
:cry:

Ny tena mampalahelo tamin'ny nataon'i Andry dia ny fahapotehan'ireo "grandes surfaces" be dia be. Izany hoe asa raha azony antsaina ny vokatr'izao eo amin'ny fianana andavan'andron'ny olona atsy ho atsy.

Tena hisy fahasahiranana be tsy mbola nisy toy izany eto Madagasikara. Hiakatra be ny vidim-piainana.
Ny demokrasia teneniny anefa izy ihany no maniratsira azy.
Ny fandoroana ny RNM, sy ny TVM ary ny MBS ve no atao hoe demokrasia.
Ny fanonganampajakana andalambe ve no atao hoe demokrasia
Tena mampalahelo isika malagasy fa dia izao foana no hanaovan'ny mpanao politika antsika.
Asa raha mba mahita tory i Andry TGV mijery ireny sarin'olona kila sy may ireny.
Raha mba misy havany mba teneno fa manala baraka eh! Misy todiny anie ny atao eh!
6. xxx ( 29/01/2009 11:49)
i TGV zany no nanao azy, fa i ra8 tsy nety nahatakatra an'zany hatry ny ela oé, efa mijaly reo vahoka reo. raha nahay nihaino ny vahoka izy hatr'zay, tsy nisy izao zvtr zao. faly va enao, @ ataon-dra8?
jereo, fa 7ans izy zay no teo, zao nivadika aminy ny chiffre-ny.
7. mion ( 29/01/2009 12:23)
ary toi ry XXX faly va toi t@ ireo ain'olona nalatsaky TGV, faly va toi fa 20 000 izao no tsy manana antom-pivelomana eto, sa tsy raharahan'i toi zany fa @ zay mba misy miara-maratra @ toi? ary nga toi mbola tsy teraka t@ Deba ka tsy nahita ny fiainana teto, ary inn no mba tetikasa aroson'toi sy i boay kely hatramzao afa-tsy ny handrava ny efa nadritry ny 7 taona? tsy patriotisme zany, ny soa ho an'ny firenena.
Raha i Ra8 no tsy tiana , maninn ny RNM/TVM fananan'ny vahoaka malagasy no nodorana fa tsy ra8 (raha sahy) . maninn no manao kely endaka ka dorana etsy , dorana eroa fa maninn raha ifanatrehana io raharaha io raha tena lehilahy.
Naninona no nanao mpamosavy malemy ka nodorana velona ireo mpiaradia nandroba?

Fa tsy eo no mitady pretexte oe ka izao ndray ny conditions-ko, miova isan'andro.
8. Rafahafahana ( 29/01/2009 12:36)
xxx:

i TGV zany no nanao azy, fa i ra8 tsy nety nahatakatra an'zany hatry ny ela oé, efa mijaly reo vahoka reo. raha nahay nihaino ny vahoka izy hatr'zay, tsy nisy izao zvtr zao. faly va enao, @ ataon-dra8?
jereo, fa 7ans izy zay no teo, zao nivadika aminy ny chiffre-ny.



Tsy ny ataondra8 no mahafaly sanatria dia sanatria fa ny nataon'io Andrinareo kely saina io no tena zava-doza.
Raha ra8 no tiany esorina nahoana no nodorana ny RNM sy ny TVM fa tsy ra8 no natao nahita faisana zao mijaly daholo nareo tavela any.
9. xxx ( 29/01/2009 12:52)
KA I RA8 IHANY NO AO AMBADIK'IO FANDORONA NY RNM SY TVM MBA HANOSORANA FOTAKA AN'I TGV.
10. mion ( 29/01/2009 12:56)
zay le fikan'antitra , filma efa nande zany e, avadika @ olona tsy nanao n'inn n'inn ndray le kôzy, efa 2009 zao nama a!
11. xxx ( 29/01/2009 13:07)
marina ny anao ry mion zao foana fika ny olona nahatonga ny faty sy doro-trano!!
12. xxx ( 29/01/2009 13:10)


Ravalo no nandoro sy nampandoro ny rnm sy ny tvm e! Amin'izay tsy fantatry ny olona manerana an'i Madagasikara ny zava-misy ao Antananarivo.
Amin'izay koa mora ny manosopotaka an'i Andry, ary mandrava ny politikany.

Lehilahy lozabe sy tia tena raha iny lehilahy iny. Tsy vitany mpivarotra tanindrazana fa mbola mpandrava koa.
13. nyavo2000 ( 29/01/2009 13:14)
Ianao indray ry xxxxxx efa fantatro ny fomba fanoratra a!

Mbetika TGV mbetika ianao R8, mivadibadika ohatry ny lela may

izay te misy anao lazaina f'aza be resaka e!

Raha avoaka eto daholo ny échange nao dia tena ho tsapa izany
14. TWING ( 29/01/2009 13:16)
satria ve i Andry TGV no nanosika an ireo olona ireo hiditra ao @ grande surface, sns
ny an ireny olona ireny dia ny fahatsapany ny tsy AMPY eo aminy e.
ny sasany aza miaraka @ voiture 4 x 4 mihintsy.satria TGV !


ny anireo olona may ireo aloha dia sitrapony e
15. akamatiana ( 29/01/2009 14:01)
oujyyyyyyyyyy , mampalahelo e, samy mpiara-mitolona ka refa voa le akama de oe sitrapony na oe tsy olonay reny ??? Aleo ny tantara no itsara e
16. Noue ( 29/01/2009 14:11)
Diniho ny zava-misy ,fa ny tantara no hitsara.


Efa volana maromaro no niketrehan'i Andry TGV ny tetika. Ny tanjona dia ny handrodanana ny fitondrana amin'ny "fitakiana an-dalam-be". Ny vola efa nahazo betsaka, ny fitaovana izay ilaina misy. Ka izao no paik'ady:


1. Vidina ny Radio sy TV RAVINALA ka soloina VIVA hahafahana manamboatra tsikelikely ny sain'ny vahoaka hankahala ny fitondrana sady hanaovana ny propagandy hahazoana ny fitondrana ny tanànan'Antananarivo ( Ben'ny tanàna).

2. Tamin'izany no efa nisy nilaza fa volan-DRatsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo no nampiasainy fa tsy nino ny olona.

3. Tsy ho resy vetivety ny fahantrana ka io no asaina ventesin'ny mpanao politika izay miteny


4. Kitihina ny fanavaozana ny fianarana ary averimberina fa fanagasiana tamin'ny 72 io. Hatao fitaovana amin'izany ny Katolika izay ao ambadik'ilay firenena tsy tononina.

5. Karamaina ny mpianatra eny sasantsasany eny amin'ny Cité Ankatso mba hanamboatra "cocktail Molotov" hatsipy handoroana tranom-panjakana

6. Karamaina ny jiolahy handroba fananan'olona mba ilazana fa tsy misy fandriam-pahalemana eto.

7. Karamaina ny olona maro mba hitarika fihetsiketsehana any amin'ny faritra sy hitarika grevy.

8. Vidina vola ny mpanao gazety maro mba hivoy ny hevitra fankahalana fanjakana sy hivoy fa sakantsakan'ny fanjakana i Andry TGV amin'ny fanatanterahany ny asa maha ben'ny tànana azy hany ka tsy vitany asa. Tokony hivoy koa ireo mpanao gazety ireo fa tsy milamina ny tànana.

9. Atao ny tetika rehetra mba tsy hisian'ny " Fivoriambe-faratampon'ny Firenena Afrikana"eto Madagasikara satria hoe misavorovoro eto..

10. Tsy hisy hoazy araka izany ny fivoriamben'ny tany miteny Frantsay amin'ny 2010

11. Tsy avela ho tody hatrany amin'ny fifidianana ity fitondrana ity fa tsy maintsy arodana alohan'izay. Satria mantsy amin'izay fotoana izay efa misy vokany betsaka eo amin'ny fiainam-bahoaka ny MAP ka ho sarotra ny handresy azy amin'ny fifidianana.

12. Tsy maintsy mirodana ary tsy maintsy tafiditra ao anaty velam-pandrika ny fitondram-panjakana ka ny ambon-DRavalo no hamelezana azy.

13. Asaina miteniteny foana ao amin'ny VIVA RATSIRAKA ary dia tsy maintsy hanidy an'ioTV io ny fitondram-panjakana.

14. Aely ny tsaho fa ho samborina I Andry TGV.. Io fisamborana azy io no tena tadiaviny mafy hatreto.

15. Hetsehina amin'izay ny vahoaka mba hitaky fa tsy misy ny " DEMOKRASIA" eto Madagasikara...

16. Ampiasaina ny radio VIVA, Ny radio ANTSIVA, ny TV Plus, ny La Gazette de la Grande ile , ny LA verité sns mba hitarika ny olona hanaraka an'I TGV sy hanaratsy fanjakana.

17. Ny resaka atao dia hanamboarana ny sain'ny olona mba hankamamy indray eo amin'ny sehatra politika ireo goaika antitra very seza efa fantatra.

Fa ity no tena loza : Ny« LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.

a) Rehefa tsy mampiasa "FORCE" ny fanjakana dia terena hanao izany mba hisy faty olona indray eto Antananarivo.

b) Noho izany dia taritina ny olona hirohotra hanao ankeriny hamoa ny TV VIVA. Efa misy mpitarika nahazo vola hanao an'io. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana.

c) Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia hovelona ny saritaka. Iodia tsy mazava na ao amin'ny tafika no voakarama na ao anaty vahoaka hanao an'io fitifirana io.

d) Raha tsy mety ny eny amin'ny VIVA dia taritina ho eny amin'ny Ministeran'ny Vola indray ny vahoaka, sady efa eo akaiky eo rahateo Ambahitsorohitra, mba hitaky ny fialan'ny Minisitry ny Vola hono araka ny resaka efa nataon'i Roland Ratsiraka sady naverin'I Andry TGV teo Ambohijatovo. Tsy maintsy hampitandrina ka hanao tifi-danitra sy hampiasa fitaovana mampilatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ary eo no hisy karamaina hitifitra ny vahoaka ary dia ho velona ny saritaka syny savorovoro.

e) Hampiaka-peo toy ny fanaony avy eo ireo mpanao politika toa an-dry Daniel RAMAROMISA sy ny forongony mba hitaky ny tetezamita hiverenan'ireo mpanao politika saribakolin'ilay firenen-dehibe eo amin'ny fitondrana.


Vokany :

(1) Mbola hanjakazaka eto amin'ny firenena io firenen-dehibe io satria hiverina ireo saribakoliny.

(2) Mbola vao mainka hahantra ny vahoaka satria hitsitongana ny vola gasy noho ny fikorontanana hatao eto amin'ny firenena.

(3) Mbola tombotsoan'ilay firenen-dehibe ihany io.

(4) Tsy hisy ny fandrosoana eto satria hiady saritaka indray ireo mpanao politika izay hiady seza samy hilaza fa izy no namono ny voay. Tsy ny rehetra anefa no hahazo seza, fa izay efa votendrin'ilay Firenen-dehibe ihany.

Ny fitiavako tanindrazana no nanosika ahy hilaza izao tsiambaratelo izao aminao mba hilazanao ny havanao mba tsy sanatria no ho lasa sorona ho fatifaty foana na haratra foana hampiakatra an-dry zalahy eo amin'ny sezany. Raha anisan'ireo nahazo vola moa maninona, fa raha entim-po amin'ny resabe no tena mampalahelo. Tsy misy mahay manao fahagagana eto ka afaka hanafoana ny fahantrana ao anatin'ny taona vitsivitsy.
Azonao porofoana amin'ny zava-misy ireo voalazako ireo.
Ny fanompoam-pivavahana saika natao teo Ambohijatovo. Ny fanokanana ny kianjan'Andohalo izay natao kimaimaika, hany ka vao avy ny orana dia nirodana.
Ary ny nampalahelo aza nandratra olona mihitsy io firodanana io satria nianjeran'ny tafo tao ireo olona sendra nialoka. Tsy efa fambara ataon'Andriamanitra ve io. Iza no namatsy vola nanamboarana io kianja io ? moa tsy ilay firenen-dehibe ve ? Nahatadidy rahateo ny isika fa tsy io mihitsy ny planina nasehon'i Andry Rajoelina fony izy nanao propagandy tamin'ny fifidianana ho ben'ny tanàn'Antananarivo. Mihevitra izy mantsy fa tsy nisy nahatadidy ireny. Ny sarintsarim-pitokanana ny kianjan'ny Demokrasia teny Ambohjatovo.
Ireny rehetra ireny dia mizotra any amin'ilay "lojikan'ny fifandonana hanaovana sorona indray ny vahoaka".
Raha tia tanindrazana ianao dia aelezo ity amin'ny mailaka na amin'ny fomba hafa.

Tena ekena fa mampandroso ny DEMOKRASIA ary ny fototra lehibe amin'ireny dia ny fifidianana. Tsy misy afaka hilaza fa DEMOKRASIA ny fitarihana ny olona haka fahefana eny andalam-be!
Tsy misy afa tsy ny fifandimbiasam-pahefana amin'ny alalan'ny fifidianana ihany no filaminana sy fampandrosoana ny firenena.
Izay ny zava misy ka tokony handinin-tena ny mpitondra sy Andry TGV !
Samia mandinika vao manao zavatra ho tombotsoa ambonin'ny firenena ! Mbola fotoana izao hieritreretana.
Ny Kristianina aoka hivavaka fa tandindomin-doza ny firenana.Tsy maintsy ho sambatra isika raha manana an'Andriamanitra ho tokin-tsika.

Tiako loatra ilay hevitrao ka mba hozaraiko ho an'ny hafa .
Dia mba samia mandini-tena amizay fa mba nandia fianarana daholo ihany anie ny ankamaroantsika e! Lany fotsiny ny vola sy harena nianarana raha tsy afaka hanao étude sy analyse akory io lohabe tsika io.
Koa dia samia amizay mizaka ny vokany e! efa tanteraka zao ny " DEMOKRASIA "
17. xxx ( 29/01/2009 14:13)
Fa ahoana tokoa moa ny @ ilay tany daewoo ry zalahy a ? toa tsy mazava mihintsy anie ilay izy é .Mba mila fanazavana fanampiny fa tsy mahaaraka ny tena .Aty an-dakira be aty izahay . :?: :?:
18. yvonKEL ( 29/01/2009 14:43)
xxxxx: io le lazaina fona hoe aza ny lohatenim-baovao fotsiny no henoina na jerevana fa ny votoatiny mihitsy ,zao enao tsy maharaka akory fa toa miteniteny foana. sa tsy takatry ny sainao izany fa maika hijery dessin animé nareo sy TGV
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3396