TRES URGENT Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA »

1. Noue ( 29/01/2009 07:56)
Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny Oniversite iray antsoina hoe "
répondu par ranjasoa le 29/01/2009 14:01
2. ragaldybe ( 29/01/2009 08:17)
izao dia nisy sambo anakiroana nitondra vary entina hanampiana izay efa misy eto mba hiantrehana ny tsy fahampiana amin 'ity taona ity fa dia naverina satria ny norobaina aza tsy lany ka atao inona moa vary avy any ivelany ! ny hohanina eto aza maharaka tsara ary raha sendra miakatra ny vidiny tsy hanome fotsiny indray ve ry TGV hitondra ny Tonga Gaboraraka ny Vary omeny fotsiny io fa tsy vidiam-bola :idea:
dia ho hita eo izay ho tohiny fa samy eto avokoa isika e !
tsy ho katrami mihitsy ange ravalo ary efa nilaza izy fa "alaivo daholo aza misy ametrahana raha izay sakafo hahavoky anareo" fa anajaran'ny rehetra no mitsinjo ny ho avy satria lazaiko anareo fa ilay vary na menaka na rornona na lafarine izay norobaina anie ka amidy amin 'ireo grossiste izay nijirika ary hitanay maso teny amin'ny manoloana ny Magros tanjombato e: ny vary 50kg amisy iray alina na roa alina farafahalafony, toy izany koa ny lafarinina sy ny siramamy;ny menaka moa dia roa hetsy ny fut iray izay 200 litatra
Koa aza gaga raha efa misondrotra ny vidin 'ireo amin 'izao satria ny mpibizina rapida ange feno eto antanana e!
ny sira aza izao efa manomboka tsy hisy ny menaka efa fito arivo valo arivo ny iray litatra eny amin'ny mpivarotra izao,ny vary tsy ho atsy dia ho telo arivo ariary tsy latsak amarina ny kilao dia iza no hahatakatra an'izany !
samy eto dia samy hahita e !
3. mion ( 29/01/2009 08:38)
Bon , tafiditra le resaka de mba hizara ze fantatro koa aho,
Tonga ao anatin'ny tontonlon'ny "FRANC MACONS" isika ry vahoaka ka ho sarotra ny hialana ao raha tsy miray hina sy mandinika tsara.
i andry RAJOELINA dia manipulern-ny franc-maçons (jereo @ internet ny dikany) , ary ireo tetika voatanisa tetsy ambony iretsy dia exactement ny stratégie an-dri zareo. jerevo @ Internet ny mombamomban'ny ILLUMINATI fa ireo no atidoha mikotrika ao anatin'ny lohan'i TGV.

Frantsay no tena atidoha franc-maàon
4. bozimanga ( 29/01/2009 09:47)
hi!hi!hi! zany daholo an! de inona ary no solution omenareo fa efa fantatrareo daholo ny plannina maty paikan'i TGV eh !
5. ngoiha ( 29/01/2009 10:02)
Hita koa zao fa tsy to-teny ingahy Andry satria mbola niasa daholo mihintsy ny mpiasa teto Antananarivo,fa na ny ol hita fa nanaraka azy aza teo aloha dia nilaza fa nahatsiaro tena fa afa-baraka sy nanenina nahita ny ratsy vitany
Indrisy aza mba mpanao ratsy ihany oa
6. mion ( 29/01/2009 11:15)
Ko raha tsy adala kosa ny olona ka ho fitapitahan'toi @ bombô lalitra

Ny solution voalohany de tsy mankeny @ 13 Mai intsony na mivorivory hanongam-panjakana fa miandry ny fifidianana democratique, de miasa tsara raha te hanana ny ampy sy hitsinjo ny ho avy fa tsy miandry hofahanana sy toloram-potsiny ka refa tsy omena de mandroba, izany no tena atao hoe democratie.
Ny olona manana de niafy sy nitsemboka, fa tsy mialona ze ananan'ny hafa.

Ny solution faharoa de aoka ireo olona manana tetikasa fampandrosoana maty paika ary hita fa ahomby ka ahasoa ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo no ekena hitondra fanjakana fa tsy izao olona miseho ho kely fa dada rehetra izao satria leo ny vahoaka.


7. Mirananirina ( 29/01/2009 13:05)
lava be re ee
8. ranjasoa ( 29/01/2009 14:01)
Ary ny tetikadin-dravalo nga tsy mba jerenareo izao izy dia efa manomana ny fifidianana rehetra ho avy eoi . Izy no ho mpitondra jadona mandrakizay ary mbola ny zanany koa no handimby azy , ahorony daholo ny harena rehetra eto izay tsy azy dia an'ny vahiny fa isika malagasy hamidy hatao andevo any ivelany avy eo rehefa tsy mahazaka ny fiainana eto intsony .
Tsy adala akory ny olona nandeha nilahatra teny @ 13 may efa fantany fa mety hamoy ny ainy izy amin'izany saingy efa mafy loatra ny manjo azy dia aleo manohitra izay tratra aloha .zara aza aloha misy mpitarika hanalana ny ao ampo efa mavesatra loatra
Izaho zao anisany nilahatra t@ 2002 nanatena fiovana saingy fampanatenana poakaty daholo no teny HAPANANA NY TSY MANANA NEFA NY HETRA ALAINA AMINAY MANAO ASA TENA EFA TSY RARINY INTSONY IZAHAY NEFA MIADY @ TSY FANDRIAMPAHALEMANA ISANANDRO NY MPISOLOKY ISAKARAZANY .TSY MISY IZAY MBA PRISE EN CHARGE RAHA TOA KA MARARY sns . . . NEFE HETRA HETRA , HATRANY no ALAINA mIHOAMPAPANA be LEO LEO ZAHAY


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0643