Ho an'ny FFKM

1. xxx ( 29/01/2009 00:39)
Isaorana lehibe ianareo RR FFKM, nitsodrano sy nitondra anay ambavaka tamin'ny fiandohan'ny tolona.
Efa madiva ho vita izy izao, koa dia ny Tompo anie hitahy anareo mandrakariva.
Ary dia raho toa moa ka ilain'ny Jesuite ny amerenana an'i Mopera URFER eto an-tanindrazana. Dia mivoha ho azy ny firenena Malagasy
Dia samia ho tahin'Atra
novalian'i Noue ny 29/01/2009 08:22
2. Ryhana ( 29/01/2009 04:23)
Mampahery anareo FFKM amin'ny asa fanelanelanana efa hataonareo.

Aza gaga amin'ny fandranitana ataon 'ny mpomba an'i TGV tahaka zao fa mbola tanora fanahy eh!

Mamelàny helony fa tsy fantany izay hataony
Fa dia azon-doza inona re ny Malagasy no manana tanora sahala amin'ireny ?
Mbola tsy menatra izy niondrika teo amin'ny faty omaly teo amin'ny 13 mey. Iza anefa notsy nahalala fa izy no nitso-drano ireo olona ireo handeha handoro teny amin'ny MBS. Ary fantany tsara fa nisy miaramila mpiambina teo.
Ny satriny aza angamba dia mbola be noho ireny ny faty olona.
Tena mampalahelo
3. klitika ( 29/01/2009 04:31)
Ireny Ra-zoky no atao hoe bandikely sady DJ an, vao ampanenoiny fotsiny ny mozika dia tsy misy tsy mihetsika ny mpanao bal. Dia manana Videur koa fa tsy adino an
4. tsiafoi1 ( 29/01/2009 05:27)
Tsy azon'ny saina hinoana fa sitrak'Andriamanitra ny hisian'ny aina latsaka toy ireny SATRIA :

- Andriamanitra no niteny fa "Tsy sitrany ny hahafatesan'ny olona, eny na dia ny ratsy fanahy aza, fa ny handehanany ho @'ny fibebahana" Ezekiela
- Faharoa "Andriamanitra tsy tompon'ny fikotranana fa ny filaminana"
- Fahatelo, Andriamanitra dia mampianatra ny olony hatrany hanoa sy hanaiky ny fitondrana, araka izay voasoratra ao @'ny Romana 13 : "Aoka isika hanaiky ny fahefana lehibe, fa izay fahefana rehetra misy dia voatendrin'Andriamanitra. Fa izay rehetra manohitra ny fahefana misy dia efa nandray ny fanamelohana tao aminy".

Toe-tsain'i Losifera sy ny anjeliny hatrany an-danitra ny toe-tsain'ny Fikomiana, de niaraha-nahay ny tantarany, fa voeloka sy voaraka tany izy ireo...

Noho izany ny fahendrena de fanarahana ny lamina misy eo @'ny fitondrana. Miandry fifidianana de eo maneho ny safidin'ny tena.
5. klitika ( 29/01/2009 05:35)
O ry Tsiafo an

Tsara ny mivavaka nefa tsaratsara kokoa ny mandini-tena

Ary dia aza asiana afob sy Atra izany moa fa ny fahazavana ange avy amin'ny afo eh
6. Noue ( 29/01/2009 08:22)
Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny Oniversite iray antsoina hoe "
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1113