iza no efa nihinana alika?

21. sipagasy ( 01/02/2009 19:43)
http://www.rtlinfo.be/rtl/news/article/215099/ nihinan'ny tsy fihinany izany veh??
"Un restaurateur marocain prend le mot "hot dog" à la lettre: du chien à la place du boeuf
Un tribunal marocain a condamné à six ans de réclusion un restaurateur qui vendait de la viande de chien en faisant croire à ses clients qu'il s'agissait de boeuf.
....."
22. sitlo ( 02/02/2009 04:02)
sao dia ilay marron-marron iny aza izany :-D
23. fahamarinana ( 02/02/2009 12:35)
:arrow: sipagasy : mahita raha koa an !njekaiky o! :{ (l)
24. Lejoba ( 03/02/2009 12:12)
ireo mpihinana maskita eny @ sisiny ireo izao misy efa tratra fa tsy kôpy.
Nisy gargote izay mantsy tany Tanà, efa t@ roapolo taona lasa, nakatona satria tratra nitetika alika. Nefa eo ny falehan'ny mpisotro rehefa hariva. Raha tsaky toaka rahateo mety tsy heno loatra
=)) =)) =))
25. ikaretsaka ( 04/02/2009 20:00)
efa hoe kaly aby io .. ny ahy rehefa tsy vorona dia petahako aby!
ny vorona no tsy mety @ sekta ko
26. vale ( 08/02/2009 00:07)
Lejoba:

ireo mpihinana maskita eny @ sisiny ireo izao misy efa tratra fa tsy kôpy.
Nisy gargote izay mantsy tany Tanà, efa t@ roapolo taona lasa, nakatona satria tratra nitetika alika. Nefa eo ny falehan'ny mpisotro rehefa hariva. Raha tsaky toaka rahateo mety tsy heno loatra
=)) =)) =))


lejoba:
:lol: :-D :-D :-D :-D :-D ... f'angah misy fofony le izy? =))
27. ikaretsaka ( 12/02/2009 00:00)
tsy mamofona ny alika ka
28. rchrystos ( 14/03/2009 18:41)
Ny sinoa any @ faritra atsinanan'i Gasikara dia mihinana alika daholo ny ankamaroany. Tsy alika mirenireny anefa io fa alika ompiana amina toerana manokana ao an-tokotany ka tsy misy mpiasa mahazo mikarakara sy mamahana ireo alika ireo fa izy mianakavy ihany no manao izany. Sakafo efa voakarakara manokana no omena ieo biby.
Ohatran'ny gasy manome vody akoho ray aman-dreny dia alika iray efa masaka sy atao laqué no fifanomezam-boninahitra rehefa taom-baovao sinoa na misy fahasoavana amin'ny fianakaviana.
Tao amina fianakaviana iray tamin'iny faritra atsimo atsinanana iny no nihinanako roa taona nisesy rehefa nouvel an chinois. Ataon-dry zareo ohatran'ny tsa-siou ny fahandro azy ka dia matsiro aok'izany. Tsy nisalasala aho nihinanana satria nazavainy tamiko sy nasehony ahy ny fitaizàna manokana ilay alika.
Misy sakafo maro hafa koa nandramako tamin'ny nifaneraserako tamin'io fianakaviana io. Ny ataoko an-tsaina fotsiny dia ny hoe matoa tsy mankarary an-dry zareo dia tsy nasiako olana.
29. Djhamhal ( 14/04/2009 08:40)
tsy itako ze tsy inanana ny alika; na defa maty mosary zao aza ve tsy ho hanina any io? inona ny maha samy hafa ny alika sy ny kisoa ary ny ondry sy osy sns.... saingy isika no mbola miaingitraingitra sy mbola misy ho hanina de mseho milay ; oh koa : inona ny maha sami hafa ny voalavo sy ny ramanavy? ny iray antanety sy ny 1 manidina foptsiny fa de mitovy é torak'izany koa ny sokina ! fa sika oa no tsy mahay mitrandraka ny zavatra misy eto amintsika ; fa lazaiko anareo tsara fa ra misy olona mikaroka sakafo hafa fa tsy ny omby sy ny kisoa ary ny filao foana no hanina de tena misy betsaka miitsy ny mankafy! :idea:
30. raozigasy ( 20/04/2013 22:43)
Miarahaba ny rehetra eto sady mamelona kely ity adihevitra ity e !!
Raha izaho manokana dia tsy olana amiko mihitsy ny mihinana alika satria tsy misy fady aminay ilay izy raha resaka fady no lazaina
Misy anefa olona miady hevitra amiko dia milaza fa tsy malagasy izay mihinana alika , bia mba te hifanakalo amintsika eto !!
Misokatra ny ady hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.171