tgv sa ravalo?

1. xxx ( 28/01/2009 17:35)
Tsotra fotsiny no ho ambarako aminareo rehetra miady tgv sy ravalo ireo :
tsy mahafantatra ny mombamomba ny tgv aho fa i Ravalo kosa dia efa niharan'ny fikasany izahay mianakavy : efa saika namboariny ny tanindrazanay efa nohadiny mihintsy saingy tsy fantany fa tsy tanindrazana adala tompo ka azo bodoina fotsiny amin"izao.
Saika hataony alatr'ombin'ny mahaka ny fananan'ny raibenay. Nohadiny tsara tsy ankisalasana ny taninay fa lazaina fa tsymisy tompo hono! Rehefa tratra izy dia mody adala sady nilaza hoe : "avereno ary ny vidin'ny nanazariana ny tany dia asoriko eto ny fitaovam-pisanako!"
Averiny fa mahantra be tsy manambola angamba izahay dia ampitahoriny amin'ny vidina 'labourrage" na tany. Izany ve dia olona mandeha amin'ny rariny? Hasainy tsy misy era ny taninao dia avy eo ianao tsy nangataka n'inon'inona indray no mbola mandoha vola raha tsy izany tsy hiala izy?
rariny ve izany?
novalian'i Noue ny 29/01/2009 08:26
2. belakely ( 28/01/2009 18:25)
zany an! :/ :/
3. xxx ( 28/01/2009 18:43)
Tsoriko aminao fa tena lasa saina mihitsy ny tena satria ny fianakaviako isan'ireny mafana fo tamin'ny 2002 ireny.Tenamampiova olona tokoa angamba ny fananampahefa asa? izay tafakatra eo ve dia hampandady foana ny firenena sy ny vahoaka mandinika, dia iza izany no azo itokisana?
Ity ary miova indray dia hiala an'Ankatso dia hiditra an'Ambohidempona?
4. sitraka1 ( 28/01/2009 20:58)
De ahoana ny nataonareo mianakavy ry XXX tam zany, nandoa vola ve sa izy no noroasinareo?
5. Andribe ( 28/01/2009 21:46)
raikitra ny geran ny pro mpitery ronono sy boay kely iza no bokona zay mpitazana an :-D :-D :-D
6. xxx ( 29/01/2009 06:38)
Nandoa vola izahay mianakavy nandoavana ny vidin'ny zavatra nataony tsy an-ky era amin'ny tany, dia nasaina nesoriny ny fitaovam-piasanany. Saiky hamboly soja teo hono izy . Dia saika mbola ho rebirebeny indray aza izahay hoe alao aloha hambolenay 3 volana monja dia averinay ny tany. Raha tsy adala ny olona ka tsy hahatakatra ny paikaidinao. Izaho aloha tsy miditra politika fa ity politika ity tena resaka maloto fotsiny ho antsika malagasy fa tsy entina hanasoa firenena izay no tena marina angamba. Fananany goavambe maneninika ny Madagasikara dia ataony inona ny taninay tsy misy 60 ha akory?
7. mion ( 29/01/2009 07:01)
Ny lalàna ry XXX de mazava: tanim-panjakana avokoa izay tsy misy titre sy borne ary tsy voasoratra any @ fanjakana ny tompony.
Manana zo feno izay olona mahafeno ny fepetra takian'ny fanjakana momba ny fananan-tany refa miaro ny taniny, ka matoa nareo niharan'izany de tsy manana taratasy. efa taonjato vaovao ane zao e ary efa 10 taona lasa ny taon-jaton'ny raibenareo, ka tokony mba nihetsika zany nareo nanoratra ny tany. Fa tsy aveo vao hitabataba etsy sy eroa sy hankahala olona. Nenareo efa zavatra tadiavina.
Tadidio n'aiza n'aiza misy anao oe mila zavatra ecrit noir sur blanc ny fiainana fa tsy mandende goana ôtrizany eritreretinao zany
8. xxx ( 29/01/2009 07:13)
Soa fa misy taratasy ny taninay "borné, légalisé,titré ny tany raha tsy izany efa nampamangy an'i Liza hoy ny fitenenena" saingy lova io tany io ary vao maty tsy ela ny raibenay ka mbola tsy nifanaraka izahay mpandova amin'ny tokony atao taminy dia noheveriny angamba fa tsy misy tompony. Misaotra azy ihany aloha fa raha tsy nisy azy tsy nisy fanampahankevitra ny hizara ny tany fa samy nizirizy teo daholo. Efa nozaraina izy zao dia samy manasoa ny azy amin'izay.Izy izao ilay ataony gasy hoe mindrana angandy lohataona ka maniraka ny tompony hiasa. Fa na izany aza tsy mety izany ry mion an! tanim-panjakana anie ny tsy misy tompo fa tsy tanin'i Lalasoa e! sa Ravalo sy Lalasoa = fanjakana. Fa maninona no hafangarony ny harenany mitokana sy ny harem-pirenena?
9. mion ( 29/01/2009 07:43)
ka ny tiako lazaina t@ toi de oe mety hitany fa tsy nisy taratasy io tany io t@ zany de noketrehany tany de izy no nahafeno ny conditions rehetra @ appropriation araka ny takian'ny lalàna. Zon'ny olom-pirenena Malagasy rehetra ané ny mangataka tanim-panjakana e. Za ve zao andeha ho eny Fenoarivo de hiteny aho fa taniko ito na tsy ahy aza fa tsy misy tompony. Tsy ara-dalàna izany. Otran'le tomobil 4x4 milay be taraiky tetsy isotry tam ireny korontana ireny , tonga de tombanan-zalà 15 million fmg nefa tsy azy akory
10. Noue ( 29/01/2009 08:26)
Ny « LOJIKAN'NY FIFANDONANA » tetikadin'i Andry Rajoelina miaraka
amin'ireo mpanao politika tranainy sy ny firenen-dehibe iray.
Mpianatra ety amin'ny Oniversite ny tenako. Tamina mpianatra eny amin'ny Oniversite iray antsoina hoe "
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2737