Fananana may SA 10 MORTS no tena ZAVA-DEHIBE SY LOZA?

1. rabingogilabanga ( 27/01/2009 08:43)
1)Tsy ny fananana may akory no tena zava-dehibe, fa ny ain'olona nafoy (10 be izao no maty); ary mahagaga fa tsy misy na iray aza miresaka izanyFa dia hoe fananako e! fananako

mirary fiononana @ fianakaviana ny tenanay @ maha-malagasy, ary tokony hisy ny fanampiana ny niharandoza sy ny naratra rehetra, na miaramila, na vahoaka


2)Tsy voatery ho ny ekipan'ny TGV ireo nanao fandrombana, fa mety olona voakarama; ny TTS mpandroba na Barbouze d'Etat dia fomba fanao t@ andron'ny ratsiraka;

ary fanao koa io @ andron'ny Ravalo; ireny no nandaka an'i ZAFY t@ 2005.

3)NA izany dia responsable fa tsy coupable, koa i TGV, tokony hamboariny tsara ny groupe de securité-ny; mila matotra, na nisy barbouze na tsy nisy, olondehhibe manano zavatra tokony hijery tsara aloha, manomboka @ fanombohana ka haramin'ny fiparitahan'ny olona dia tokony dia ara-himaso ny fandehan'ny tolona

4)farany ny fanjakana no garant ny securité. Any andafy raha misy manifestation, dia omena alalana izzay te hanao, fa tsy sakanana,ary dia misy CRS na polisy manaraka miambina. ny fanjakana no tsy nanao ny asany.na tsy mahavita ny asany matoa misy rotaka sy faty olona indrindra indrindra..


5)de toute façon, efa vaky roa ny vahoaka, iza no maro ( ny an-dravalo sa ny an'i andry?) asa fa ny hoe vaky roa dia midika fa, na zarain'izy roa ny fitantanana ny fitondrana, na teteza-mita tsy momba ny atsy sy aroa no ajoro.


NA IZANY NA TSY IZANY , na misy tolona na tsy misy, na miasa na tsy miasa ny fanjakana, aoka tsy hisy intsony faty olona. Soyons responsable
novalian'i xxx ny 27/01/2009 12:59
2. xxx ( 27/01/2009 08:51)
Tratra ny tanjona a ??????????????????????????????????
3. tsiafoi1 ( 27/01/2009 08:53)
Tompon'Andraikitra voalohany ny ain'ny vahoaka vorinao enao mpamory.

Tokony ho napetrak'i TGV tsara izany mialohan'ny manifestation rehetra... Izao ny vokany rehefa ny fo no miasa fa tsy ny saina...

Ho aiza intsony, ny rano raraka tsy ho azo raofina fa de mizaka ny vokany sisa...

Aoka hisaina ry Antananarivo a! Zao ny vokany rehefa miseho ho maranitra sady malama... Abolisatry ny sasany @'ny resaka vola, de mifanipaka an-karona toy ny valala!!! Mahamenatra e!
4. penguin ( 27/01/2009 08:55)
Ny maty no sorona ahazoana ny tanjona koa inona indray no modiana hialana ra-bogosy ?
5. rabingogilabanga ( 27/01/2009 08:55)
tsy misy TGV any MAHAJANGA , fa ahoana omisy rotaka?
aiza ny fanjakana,

sa hiandry hisy koa ny any Tulear dia tsy hihetsika ny miaramila, hisy ny any Fianarantsoa, dia tsy hihetsika ny fanjakana, hisy ny any diego dia tsy hihetsika ravalomananana, hisy ny any....
6. xxx ( 27/01/2009 09:00)
De mbola ho fay koa ianao ny vahoaka amin'ty.................
7. penguin ( 27/01/2009 09:01)
Nisy ary misy AREMA efa miandry rotaka ny faritra rehetra fa aza miala bala ra-bogosy é.
8. xxx ( 27/01/2009 09:03)
xxx=>> tsy mbola tratra ny tanjona.


raha mandinika isika. Matoa nisy ireny zavatra ireny, zay zavatra mampalaelo. ny olona ré tsy hanaonao fona a, efa noana izy. tsy i Andry no naka tao, tsy ra8 no nandé nandoro ny magazainy.
NOANA NY VAHOKA, NAHITA OCCASION IZY D NAKA. AVY EO NAMPARINY NY HATEZERANA TAO AMPONY EFA ELA, D NANDORO IZY.

n'iza n'iza mpitarika politika, MANDAINGA ZAY MITENY FA AHAFEHY IZANY.
n'aiza n'aiza eto antany, refa misy soulevement populaire, tsy maitsy misy zavatra potika. na efa firenena mandroso tahakan'inn aza.

9. rabingogilabanga ( 27/01/2009 09:05)
d'accord, atao hoe misy partout ary, dia ahoana, hiandry 20 morts vao hihetsika ny mpitondra, izy izay manana ny miaramila sy polisy.

hiandry 100 morts vao hi-bouge ny governemanta.
hiandry 300 morts vao ho taitra ravalo.

h@ firy morts vao hihetsika ravalo? 300, 400, 500?

mahita miaramila izy hanakatona ny VIVA, hifanandrina @ vahoaka.

nony injay misy maty tsy mahita miaramila izy.
10. penguin ( 27/01/2009 09:12)
F'angah tsy izay no aha-tonga ny teteza-mita haingana ry mody vendrana a ???? Izay manaiky atao sorona na firy na firy no ahazoana ny tanjona ? Elah mihintsy no mitady izao na hivereno vakiana ny soratr'elah isany hatr'izay.
11. naughtyboy ( 27/01/2009 09:18)
efa very ny fahefany le8 eo anatrehany tafika izay natao hiaro ny filaminambahoaka ny hitsoahanay izao no mahamay azy ,ka izay no ilaina ambenany tafika tsara sao tafavoaka alohany fitsarana azy izy,izay tompon'andraikitra voalohany @ izao zvmiseho izao
12. penguin ( 27/01/2009 09:30)
Arabaina fa tody ny fahatra efa marobe hatr'izay ra-notti. Aza amelana izay azon'elah ary hasoavy ny vahoaka fa mila an'elah ny tanàna. Tongava amin'izay fa efa mazava ny lalàna ary.
13. naughtyboy ( 27/01/2009 09:37)
aza asina eritreritra ny @ notty ry zanety fa ny fandevenana an'i le8 sy ny MAP fotsiny jerena defa izy
14. penguin ( 27/01/2009 09:44)
Kay moa tsy hisy intsony ny karazany MAP na hoe hiova anarana fotsiny aza an ???? Tena mpamorika ireto. Rehefa hiova ny anaran'izay Document Cadre dia tsiy vé no dikany ? Avereno Boky Mena sa Boky Oranjy ???
15. naughtyboy ( 27/01/2009 09:57)
zanety/zankely >hay v ka mampitapy toy izao le very seza ,tsy napoiziko an
nefa mahazo manao fialantsasatra eny @ toby18 fa tsy olana izany maka rivodrivotra , tsy manapotoana izahay aloha ato ho ato iresahantsika fa bonne vacance e
16. penguin ( 27/01/2009 10:01)
Aza maika @'ty hoe very seza fa tsy lesona avy @'elah vé ny mivadika palitao ary manome hoditr'akondro hiverenan'i dadatoa ééé?
17. xxx ( 27/01/2009 12:05)
zao no izy bainn àààààà!!!

io na i le8, la le lazain-dry zalah fa "vendrana", efa mipoka io d mipoka. elah tsy nanao satria mbola feno ny posin'lah. fa ny pokona noana, d mirangorango, d nahita, d nandraoka nameno ny tanany (ny tranony).

FA ZAO, IO NA IZA NO EO, NA IZA!!!!! TADIDO FA Underlined textRAVELO IANY NO RAFRA; DOC TSY MISY MIOVA EO
18. yonikafopl ( 27/01/2009 12:33)
mampalahelo ramalagasy
19. xxx ( 27/01/2009 12:59)
hihihihihi, tadidiko eto r'kama le hiran'i Lôlô oé "antananarivo anie ka malaza, malaza maditra vahoka é........"

asa aloha é, vita koa hono zany ny ao bira ao é?? aiza koa no misy fofompofona TI(M)KO???? alefa @ le TIKO AIR (FORCE ONE teo aloha), iny tonga d mahazaka betsaka mantsy. le anakiray efa lasan'lery any morondava hono mantsy. raha fenona pokona noana zao mantsy iny, tonga d veti2 d mahavita tour de mada bedabé é. sa aona r'zalah??

hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0914