Tokony ovaina ny Lalam- panorenana ary foanana ny présidence

1. lemenakely ( 27/01/2009 07:06)
Tsiranana, Ratsimandrava, Ratsiraka,Zafy, Ravalomanana...Toa éternel problème foana ity resaka présidence de la république ity!Ny seza dia anakiray nefa dia io no ifandrotehan ireo mpanao politika eto Madagasikara , etsy andaniny izay tonga eo @ ilay toerana toa manao promesses etsy sy eroa , no sady mameno paosy no manao tsinotsinona ny vahoaka.Dia normal sahala @ ao antokatrano ihany io raha misy mpivady ka ny ankilany tia tena loatra dia tsy maintsy rafitr ady e , ny ankizy no mampalahelo !


Ny zava-misy ankehitrio dia tsy tongatonga ho azy fa nisy etapes maromaro!

Ka amiko ny firenena efa mahantra , ilaina ny fitsitsiana (économie),tsy ilaina ny présidence fa praiministra dia ampy raha eto Madagasikara .

Io presidence io no olana lava eto

Asa ny hevitry ny hafa !...
2. gasyjean ( 27/01/2009 20:23)
Mety ho marina izany,efa tsy misy hevitra intsony ity antsika ranamana,na ho lany aza ny generation efatra raha mbola izao no mitohy dia ny eo ihany ny eo,marina efa lova ilay izy ka sarotra avela.Raha mbola isika samy gasy tsy mavaha io olana io na oviana na oviana ka asa?
3. OoRakotooO ( 27/01/2009 20:36)
tsy ny anaran'ny tomponandraikitra no mampiova inona (na prezida io na PM) fa ny fahefana mitsara azy ireo rehefa misy tsy mety ny ataony. TSY MAINTSY azo tsaraina mora foana izany ny mpitondra (facilement justiciable) ary tsy hafaka manindry bokotra @ io fitsarana iray io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.058