Aiza i Ra8, nibaraka marina ve?

1. OoRakotooO ( 27/01/2009 04:23)
Ny zava misy :
- T@ 7.00 maraina teo dia niteny t@ Antsiva Ra8 niantso ny olona ho tony. Olana enregistrement ilay izy fa tsy direct.
- Omaly ariva tamin'ny 18.00 dia niala avy tao Ivato ny BBJ (boing Business Jet) nandaniana 60 mégaUSD.
- Tsy nety nihetsika ny foloalidahy omaly satria tsy voabaikon'i Ra8 intsony.
- Misy milaza fa tsy misy miambina intsony eny Faravohitra fa barrière tsy misy olona sisa no eo.

Maninona moa tsy mandray fitondrana @ izay ry TGV dia miantso ny miaramila @ zay sa andrasana ho voaroba sy ho may hatramin'ny fasana rehetra?
novalian'i xxx ny 27/01/2009 06:37
2. hery ( 27/01/2009 04:40)
Tsy afaka mandray fitondrana i TGV satria tsy voafehiny ny vahoaka nolazainy fa nanohana azy. Raha mandray fanjakana amin'izao izy dia hotsarain'ny tantara hoe zavatra mampahonena toa izao no nidirany teo amin'ny fitondrana.

Izao izy vao tsy maintsy mody miantso fitoniana kanefa efa simba ny fananan'olona. Tsy noheveriny ho toa izao ny fivadiky ny raharaha satria tsy takany (kely saina) hoe olona noana sy mahantra no asainy mikoontana @ désobéissance civile. Dia tokony hizaka ny vokatry ny korontana nantsoiny i Andry. Hotsarain'ny tantara ihany.

Tsy hoe tsy nety nihetsika ny miaramila fa raha nasaina nihetsika dia ra mandriaka no teo satria olona tsy matahotra basy intsony no vonona handroba. Raha Ratsiraka jadona no teo dia efa norarafany ireny olona ireny. Ka noho ny miaramila natao hiaro ny vahoaka dia nasaina nihemotra izy ireo na dia hoe faharavan'ny tanàna aza no vokany. Tsy ireo vahoaka ireo tsinona no diso fa izay naniraka azy.

Hotsarain'ny tantara daholo e.
3. naughtyboy ( 27/01/2009 04:55)
hoy hery
Tsy ireo vahoaka ireo tsinona no diso fa izay naniraka azy.
marina fa tsy diso ny vahoaka nefa tsy zazakely izy ireo ka irakirahina fotsiny,olondehibe nitaky antsitrapo ny zony,ny naniraka dia i le8 no mahalala azy na dia mora aza ny manao tondro molotra satria tsisy porofo,fa maninona hatr@ izao tsy nahasambotra na nandray fepetra@ izany nefa fahefana ampilamina ny fanjakana dia mbola ao aminy(ao raha...)manàla tena tsy tompon'andraikitra mihitsy izany izy @ zvmiseho fa anisany mpijery baolina ???? mahagaga
4. zandikely ( 27/01/2009 04:55)
- Tsy hoe mankato ny fanimbana zavatra akory ny tena fa mampahatsiaro ny zavatra lasa, angaha moa tsy nisy zavatra simba nataon'ireo mpiaraka tamin'i R8 tamin'ny 2002: ohatra ny tranon'i Razanamasy, RadioTsikavao, ............Ohatrin'ny adino foana ny lasa e! Tsy dia ela loatra akory izay...
- Samy manana ny fandraisany azy ny olona, mpanararaotra no betsaka fa tsy hoe ny ben'ny tanana velively naniraka olona handroba.
-Tsy voatery hampiasa basy akory ny miaramila vao lazaina hoe mihetsika, azo atao mandamina tsotra. Efa naka mercenaires tany Afrique du Sud R8 dia manasa tanana ny miaramila sy ny polisy gasy e!
5. naughtyboy ( 27/01/2009 05:07)
tsy manana fanazavana azo asetry izany nge ry zandikely ireto manakiana ireto fa endrikendrika tsy misy porofo mivaingana fotsiny no eo antanana eee...izay le mahagaga
6. tsiafoi1 ( 27/01/2009 06:10)
Ka raha tsy miaramila vendrana ko hijabaka @'ny fandrika politikanareo zatra ny mandroba sy baribarianina....Aleo hiseho tsara ny demokrasianareo e!!!! Zao izy mazava tsara... Aza manantena ny miaramila hiditra cafouillage @'izany.... Alamino ny anareo!!!! Fa ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany!!!! Zao kendan'ny vomanga nasesiky ny tananareo....

Fananan'olona norabainareo...., ny fonja misy ny akamanareo novakianareo,... Zany ve ny Demokrasia orange!!!!
7. OoRakotooO ( 27/01/2009 06:37)
Tsy hoe satria nihinana maloto ny teo aloha dia tokony atao koa izany zao. tsy mety ny nataon'i Ra8 t@ 2002 sy ny namany, tsy mety ny nataon'i TGV sy ny namany omaly satria fantatra fa raha vao tonga an-dalambe ny vahoaka dia tsy maintsy tonga ny fandrobana.
Ny olana dia ity : tsy nisy izao raha tsy nihejana be fahatany ny fitondrana ary raha tsy nanapatra fahefana ny mpitondra na tamin'ny 2002 izany na izao 2009 izao.
Ny foloalindahy tsy nihetsika anie ka mazava e: tsy mazaka intsony ny firenena ny mpitondra satria ny miaramila aza tsy zakany nefa izy "chef suprême des forces armées"
Ka tsy misy vaha olana mihitsy ity tany ity raha tsy mbola azo tsaraina sy ahitsy ao anaty lalàna ny mpitondra. Tokony izany misy rafitra ahazoana manao izany ary tsy azon'ny mpitondra tsindrina.
8. xxx ( 27/01/2009 06:37)
zandikely:
Tsy hoe mankato ny fanimbana zavatra akory ny tena fa mampahatsiaro ny zavatra lasa, angaha moa tsy nisy zavatra simba nataon'ireo mpiaraka tamin'i R8 tamin'ny 2002: ohatra ny tranon'i Razanamasy, RadioTsikavao, ............Ohatrin'ny adino foana ny lasa e! Tsy dia ela loatra akory izay...

fa nisy inn tam 2002 ??? tsisy fananan'olona rava zany ka, tsy nisy radio nakatona izany, tsy nisy olona naratra, ......... nilamina be tam 2002, tamin'ny fahatoniana no nahazoan-dra8 fitondrana ka ... tsisy korontana zany mintsy teo.
RIRININ-DASA RE RY ZANDIKELY TSY TSAROANA A,
TAM RENY IZY NANONGO OLONA TSY FANTANY HOE MAHARARY ANIE IZY IO DE ZAO ZAZA VAO MIANA-MAMINDRA NO MANONGO AZY DE HENONY MAHARARY BE MINTSY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1448