tsy mbola tapitra foana efa @firy zao???

1. titix ( 26/01/2009 22:26)
Tsy mbola tapitra iany ny rotaka sy fandrobana hatr@zao ora izao?? Tokony hatory @zay aloha ry vahoaka fa sao tsy misy robana intsony rampitso sy rahafak'ampitso a.
pffffffff Efa tena mafy ny fiainana dia lasa betsaka koa ny mpananaraotra mandroba;
novalian'i ni81 ny 27/01/2009 04:59
2. lemenakely ( 26/01/2009 22:30)
titix:

Tsy mbola tapitra iany ny rotaka sy fandrobana hatr@zao ora izao?? Tokony hatory @zay aloha ry vahoaka fa sao tsy misy robana intsony rampitso sy rahafak'ampitso a.
pffffffff Efa tena mafy ny fiainana dia lasa betsaka koa ny mpananaraotra mandroba;



io moa izany dia tarazo manjo ny tany mahantra io resaka fandrobàna io , nisy an izany daholo na tao INDE na tao PAKISTAN, ny tao Côte d'Ivoire ,ny tao HAITI

Tsy nitondra nankaiza anefa izany fa vao maika aza mihamahantra e
3. xxx ( 26/01/2009 22:37)
Na tany San Francisco aza nisy an'izay vao haingana an
4. Belami ( 26/01/2009 22:38)
Ny mampalahelo dia izay mba zavatra tsaratsara dia potehina rehefa misy hetsika (tsy miresaka ny Magro aho fa ny galérie Zoom, Kourtz, sns ...).
Any amintsika efa sarotra ny mananganjavatra tsara, surtout ny fomba hisintomana ireo investisseur nefa dia potehina foana izay mba endriky ny tanàna.

Ny tsara angamba dia atao trano tafobozaka daholo ireny zavatra mba endriky ny tanàna ireny dia mora havaozina rehefa dorana @ hetsika ohatr izao.
5. titix ( 26/01/2009 22:38)
inona intsony moa zany no zavatra azo ho jerena rampitso maraina raha simba daholo ny mpivarotra rehetra???
Na Ra8, na TGV efa lasa tsy mahafehy ny hatezeran'ny olona intsony (mahatra sady naona) @zao ora izao ra azoko tsara.

Tena mampiteny foana ny zavatra tsy tiany malagasy mihintsy ity hoe: efa tsy eo tsony i Deba fa aleo iany izy na mafy aza t@ireny fa vita tsy misy taintaina ihany ny isan'andro.
6. mia ( 26/01/2009 22:42)
Aleo deba ihany ahoana kosa aza, nefa ny antokony ihany anie no mety ao ambadik'izao e!! izao eritreritrao izao mihitsy no tadiaviny fa te hody ho président indray izy fa efa antitra.

Tokony nandefa saina lavidavitra kely i Tgv
7. tolipy ( 26/01/2009 22:47)
deba, ra8, nizaniza tsy tia tanindrazana daholo, olokafa no ilaina izao, fa tsy ao anatiny ady, tsisy sahy hiditra ve nareo at ivelany be idée be dia be ireo, asa hivondrona tsy haka hevitrireo mamofona ireo fa hevitra hampivotra malagasy, hitondra @ marina, tsy hifadatsa-dra
8. bomara501 ( 26/01/2009 22:58)
aleo iz androba misy herim-batany daholo ané anatin'ireny MAGRO sy TIKO reny eh! na COURTS zany aza, izy ané no anisan'ny actionnaire ao e!
Ny fianana a Dago ané dia androany no mitady ny hoanina androany eh! Ny Rahampitso dia mbola rahampitso zay izy...
Zay no tena fianana aty. Ra8 sy ny namany ihany no tsy miaina ohatr'izany
9. sitlo ( 26/01/2009 23:16)
Tena Ilay Vohitry ny Nofy ity no raikitra kle. Iza mihitsy ilay mitrongy vao omana eh? TGV ve sa ianareo ampiadiany ao? TGV izao mihinana akoho miaraka amin'ny girda be dia be. Dia mijery tele canal sat amin'ny ecran plat fa ianareo andraso ny VIVA radio dia dory ny mba RNM fiainonareo angano.
10. hassa ( 26/01/2009 23:48)
Mahonena sady mahaketraka, samy mijinja ny vokany izao na Ra8 na TGV na ny mpanao forum mpanohana aty ivalany,Inona no azo atao izao? hijaly daholo indray ny fianakans any @ tanana noho ny tsy fahaizan'ny fo sy ny saina miara mihetsika........ny gasy entin'ny fo mandehandeha loatra ka tara vao tonga saina!!!!hay diso aho , tsy nety ilay teo!!!!!fiainan'olona no lalaovina?!!Tia loatra mitsiriritra ny fiainan'ny hafa, ny anin;ny tena tsy hay izay hitondrana azy. Dia mba ahoana izao ny vaha olanareo? iza indray no ho eo?dia hatao toy ny toerana fanaovana cirque ve i dago? marina!!!!!angamba be loatra koa ny lemur any koa
11. OoRakotooO ( 27/01/2009 03:52)
Hoy Bomara :
aleo iz androba misy herim-batany daholo ané anatin'ireny MAGRO sy TIKO reny eh! na COURTS zany aza, izy ané no anisan'ny actionnaire ao e!

Zany toe-tsaina izany no mahatonga antsika hitsipozipozy foana. Fialonana no mameno tanana ka afangaro daholo ny miasa sy ny mpangalatra. Toetsaina ambany.

Hoy Hassa :
........ny gasy entin'ny fo mandehandeha loatra ka tara vao tonga saina!!!!hay diso aho , tsy nety ilay teo!!!!!fiainan'olona no lalaovina?!!Tia loatra mitsiriritra ny fiainan'ny hafa, ny anin;ny tena tsy hay izay hitondrana azy. Dia mba ahoana izao ny vaha olanareo? iza indray no ho eo?dia hatao toy ny toerana fanaovana cirque ve i dago?
Tsy maintsy azo tsaraina sy gadraina ny mpitondra na ampierin'asa aza. voir mon poste hier.
12. ni81 ( 27/01/2009 04:59)
Tsy nitondra nankaiza anefa izany fa vao maika aza mihamahantra e
tena marina mihitsy fa vao maika fadiranovana :?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0579