aiza ho aiza ny toedraharaha @ izao fotoana sy ny vahaolana?

1. naughtyboy ( 26/01/2009 17:23)
Ao anaty krizy indray isika rehetra noho ny fiziriziriana ataony fitondrana minia tsy mahafantatra ny fitakiana ataony ireo leony tsindry hazo lena ,tsy ny ao Antananarivo irery intsony fa tafiakatra hatrany any faritra atsinanana sy ireo faritra hafa izao fitakiana izao,loharano izay tsy voasakany sivana nasionaly(journalist free-lance) ao @ nosy akaikintsika la Reunion no nahazahoana vaovao akaiky momba izany nefa ireo any antoerana dia vavolombelona mivantana manamarina izany zv rehetra izany na dia mbola tsy navoakan'izy ireo ofisialy aza ity vaovao farany.Amin'ny fo tsy miangatra sy saina tsy mitanila no ijerena ampitoniana ity raharahampirenena ity satria ny fitondrana dia very fanahy mbola velona toy ny akohokely nopahony voromahery @ izao fotoana...Efa niala t@ fifanarahana izay nahatonga azy teo @ ity toerana ity moa i le8 (izay marihina fa sitrapony tanteraka fa tsy noterena akory)dia ny andraikitra hanompo ireto vahoaka nanome fitokisana azy ka nitsipadoha laka-nitàna.Votsotra teo antànany ny fahefana mifehy tanteraka ny toedraharaha noho izany satria tetik'asa hafa no nimasoany(tombotsoany tenany sy ireo olombitsy mpanaradia azy)tsy fahaiza -mandamina sy maminavina manoloana ny krizy toy izao ,mihavery tsikelikely koa na ny fahatokisany ireo mpanaraka azy aza izay hiarahatsika rehetra mahita sy ho vavolombelona,tsy ivalamparako izany fa olany manokana @ fivadihampitokisana nataony @ vahoaka ,fotoan ny fitakiana ny marina izao tonga ireto vahoaka tompompahefana hitondra ny faktiora tsy maintsy alohany le8 ,ilay tapany nodominy hatrizay no tsy maintsy aloha erany ,lalampiainana izany izay efa nolalovany ireo teo aloha ka anatro manokana ho an'i le8 dia tsotra anjarany ny mampiravina izao toedraharaha izao @ maha symbole d'unité azy fa tsy manao be marenina ...dia mbola hitohy....
répondu par naughtyboy le 27/01/2009 09:51
2. naughtyboy ( 26/01/2009 18:23)
tohiny...misy ankolafiny 2 nefa izao rehetra izao tsy afenina fa iarahamahalala alohany ahatongavany fandresena farany dia aleo jerena inona avy izany ???
- ny vokatra ratsy ho entiny ity fihetsehambahoaka ity dia facteurs marobe no voakasika ,sosialy(sao hamoronany le8 hevidratsy koa andrangitana adimpoko,ampizarazaràna ny fiombonany malagasy,@ maha jiolahy azy)tous les moyens sont bons
aminy ,ny fikatsony motera administrativa marobe raha aharitra ny fibodoany le8 toerana,tsy hahataraiky ny famonjena ireo rahalahy sy anabavy tràboina any Morondava(cyclone erika),ampikatona ireo fampianarana eo @ toerana voakasika izany.
aratoekarena ny fihemorany ireo mpitsidika tany sy mpamatsy vola manoloana
ny hotakotaka,fiakarany vidimpiainana tampoka ho lafobe na dia hihidina aza izany avy eo .
Aleo kosa ary ho jerena ireo lafy tsara ho azo sy andrandraina @ izao fihetsehana izao sy ny fianjeran\'ity jadona tsy aharitra ity ary FANAMBY sy FANTANTERAHAN\'ASA ho an\'ireo mpitarika milaza tia tanindrazana ireo
TENY ATSIPIKO manokana ho an\'i ANDRY sy ireo mpitarika hafa...
-fijanonany fanabotriana sy fitantanana ny harempirenena @ alalany
orinasan\'olontokana ho tombotsoan\'olombitsy ka hidirany volampanjaka aradalàna hanasoavana ireo mpiray tanindrazana,hanatsarana ny fahasalamany ny fianarany zaza sy hanatsaràna ny famokarany mba hiakarany sata sy fenitra sahaza ho azy ireo
--Hiaina aminkalalahana ireo mpiasampanjakana voateritery ny ramatahora sy ireo sehatra mamokatra rehetra te hampandroso ny eo antanany
-anatsaràna mivantana ireo tombotsoa azony arampiarahamonina sy sosialy ary fanabeazana sy arapahasalamana
-ANATRA sy FIOVAMPENITRA eo @ tantarany malagasy ity kihondalana ity fa na i ANDRY na ireo mpanohana azy na koa ireo beholatry ny politika dia hitadidy fa manomboka izao dia ny vahoaka no TOMPONTSAFIDY ka tsy izy ireo nosafidiany noho FITAOVANA hanompo azy ireo sy hampandroso ny firenena
-HAHAY hanaporofo sy hanamarina @ vahoaka avy hatrany izay manampikasana manomboka any @ tetezamita manoloana ny toedraharaha fa manana :
- rafitra(planning),fifehezana(control),vahaolana(solution )ampiharina avy hatrany @ ireo vokadratsy sy toedraharaha :arrow: tsy fahaizamandrodana fa fahaizana MANARINA sy MANORINA indrindra indrindra ireo vokadratsy etsy ambony
-Hahafantatra ny vaindohandraharaha miandry ny firenena sy ny filàna takiany
fiarahamonina mivantana
-Tsy fanaovana antrano antrano politika sy ny fampisehoana ny mangarahara ny fiainampirena mandrapahatongany fifidianana manaraka,sy fanambarana ireo Heriny fampandrosoana sy fiavotana ananantsika rehetra
-Ny fifandinihana avy hatrany ny didy amanadalàna momba ireny fahefàna mandidy sy manapaka mba tsy ho feheziny olombitsy fa ifandanja hatrany eo ampanatanterahana ny asany na dia mbola tetezamita aza no ho avy
ACTION DAHOLO IREO ry Andry TGV ,ary rolland sy sy ny tariny miandry fanatanterahana ka asa ,no ilainy vahoaka fa tsy lokaloka mino aho fa mijery ato @ izao fotoana ny sasany @izy ireo ka isaorako namaky..mankasitraka antsika rehetra
3. belaza ( 26/01/2009 18:37)
lava loatra ka maha monamonaina e
4. naughtyboy ( 26/01/2009 18:40)
ho ezahina fohifohy @ manaraka fa misaotra e:)
5. hery ( 26/01/2009 19:27)


Alohan'izany rehetra izany dia gérer-o aloha ny vahoaka nasaina nikorontana.
Dia tena azo antoka ve fa ho tian'ny vahoaka ireo olona izay manimba sy mandoro tanàna ireo?

6. xxx ( 26/01/2009 22:08)
Hoy ilay fitenin-tsika gasy hoe " ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"Ny harena ratsy ary tsy mety hahasambatra velively .
7. tolipy ( 26/01/2009 22:29)
tsy rariny ny mampiady samy malagasy, vahaolana? fahendrena, dinika, communication, maninona no ny tsy mifakahazo teny olona samy hafa firenenena, tsisy dialogue fa monologue ao foana, ary raha samy haongana daholo na ra8 na tgv sy ny manaraka, mitambabe isiska izay be hevitra sy be vola haka mercenaire! pour rigoler! un peu humour hono dans un monde de brut!
8. naughtyboy ( 27/01/2009 03:12)
ozy hery
Alohan'izany rehetra izany dia gérer-o aloha ny vahoaka nasaina nikorontana.
Dia tena azo antoka ve fa ho tian'ny vahoaka ireo olona izay manimba sy mandoro tanàna ireo?

aleo kalo azava fa tsy zazakely akory ny vahoaka oe ndana lisany mirombo de lasa ,ary raha resaka ingérance politique dia tsy mahafehy filaminana,ary manimba ny tanana dia mbola anjarany fitondrana izany tompoko raha tsy diso ,hatr@ izao nge de tondro molotra foana ampiasaina sy ny honohono e,nefa jereo kely ireto mpikarama an'ady vao tonga tsy ela tsy hizaha tany mihitsy ,no nangalany le8 azy reny teto @ izao hotakotaka izao (fa ianao no mahalala)hanao ireo asa maloto hanendrikendrehina ny hafa
9. tsiafoi1 ( 27/01/2009 08:34)
jereo kely ireto mpikarama an'ady vao tonga tsy ela tsy hizaha tany mihitsy ,no nangalany le8 azy reny teto @ izao hotakotaka izao


Koa tsy fahendrena ve izany, fa toy izay ny samy malagasy ihany no hifandatsa-drà... Mety kosa raha ny fomba fijeriko. Amin'izay tsisy sentimaka, fa rehefa tsy manara-dalàna fa mijabajabaka, tonga de vita kabary.
10. naughtyboy ( 27/01/2009 09:42)
tsiafo
Koa tsy fahendrena ve izany, fa toy izay ny samy malagasy ihany no hifandatsa-drà... Mety kosa raha ny fomba fijeriko. Amin'izay tsisy sentimaka, fa rehefa tsy manara-dalàna fa mijabajabaka, tonga de vita kabary.

IZAO V no atao oe fahendrena ny ràny malagasy alatsadatsapoana indrindra fa vahiny no hanao izany,manaradrenirano an'i le8 elà ka omeko tsiny tanteraka ra izao fijery izao
11. penguin ( 27/01/2009 09:47)
Rehefa nasain'elah mirohotra mifanitsaka ary hianjeren'ny entana hifampisotomany ny olona nolazain'elah mahantra ka maty ao dia ireny koa asan'iza ry leitia aaa ????
12. naughtyboy ( 27/01/2009 09:51)
noho ny hafenoandrano be loatra dia tsy mifamaly @ ireto adala aho androany fa mahazo maka RDV any @ borne 18 izy ireo ,hanazava ny olana mahazo azy aby
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0519