Mila arofanina maharitra tsy azo hovaina

1. OoRakotooO ( 26/01/2009 11:07)
Profo izao fa zay ray tonga eo dia hanivaka anapatra fahefana daholo. Ary tsy ivalan'izany io TGV tropikal vaovao io, fa Ra8 bis io raha tonga eo. Noho izany dia tsy maintsy mametraka rafitra tsy misy mahazo manova ahafahana manitsy, mitory na managadra ny mpitondra manivaka. Ary tsy miankina @ mpitondra izany rafitra izany fa mahaleo tena tanteraka.
Aiza ve dia akamerim-botsitra lava izao, sa ve tsika vendrana e? :roll:
répondu par OoRakotooO le 26/01/2009 16:33
2. andrywui ( 26/01/2009 11:15)
marina zany samy tsy misy mahafantatra ze any andohan'ny olona any alou isika ! toy ty ra8 ty !! iza mo no nanampo anreny oe 6mois ihany de hiakatra daoul ny farimpiainantsika sy ny sisa !!ka fifanarahana mety aminio satri atsy maintsy hiala teo ira8 io !! de ny fifanatonan'ny samy deputé na ny senatera de mandinika lalina ny amzay satri izy ireo iany no manana fahefana manao lalana ,ampidiriny ao ny oe tokony hisy rafitra matanjaka ivelan'ny fanjakana natao hitily ny fihetsiky ny fanjakana ankapobeny fotsiny!! fa tsy toy ity BIANCO an'ny pirina kely ty
3. OoRakotooO ( 26/01/2009 16:33)
Mampalahelo sy mahonena izao resaka doro sy vaky trano izao. Na i Ra8 aza no kendrena. Tsy aleo ve nationaliser-na toy zay potehina?
Ary raha mbola tsy miova io lalam-panorenana io dia zao foana no hitranga. Zany hoe tsy misy fandrosoana mihitsy fa resaka fanaparam-pahefana foana no hitranga dia rehefa tsy zaka dia mipoaka an-dalambe.
Ary tsy any @ assemblée izany no tokony hitranga fa zao isika miteny izao alohan'ny hiakaran'izay hisolo an-dRa8.
Mahagaga koa ireto olona mbola milaza fa tsy miala @ Ra8. Efa vita anie ny aminy e! Ny miaramila sy ny force de l'ordre efa tsy misy manaraka azy ka andeha aninona ho aiza intsony, anao Hulk?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0594