mandat d'arrets ho an'ny TGV sy ny Leader rehetra !!!!!!

1. andrywui ( 26/01/2009 09:38)
efa mande amzao ny fanakatsakanana sy fomba rehetra (fika antitra) mitady hanapahana ny lohan'ity Tolona ity !! toy ny fitadiavana hisambotra(toy ny fanaony) ireo leader sy ze nandray anjara fitenenenana rehetra teny ankianja! ka raha tafita amin'io tanjonany "hisambotra" io izy de ho faty tanteraka ty ezaka natao HANAFAHANA ny TANINDRAZANA amin'ny Didy Jadona, Fahantrana Lalina, Fanavakavahana, Fivarotan-tanindrazana ty, ...
ka hizaka tanteraka ny tena mangidy amzay , indrindra isika eto Andrenivohitra fa ho afatratrany eto daholo ny fampijaliana rehetra hamaliany faty! ka na RESY na MANDRESY isika eto ANTANANARIVO (Ny fiarovan-tena tsara indrindra anefa dia ny ....)
novalian'i xxx ny 26/01/2009 14:05
2. tsiafoi1 ( 26/01/2009 09:49)
Ka ny lalàna tsy maintsy hampiarina amin'izay mandika azy rehetra e. Na lohandohan'ny mpisorona io, na vodimbodiny...

Aza variana @'ny sarin'ady wa fa andana miasa de ze ahazoam-bola ho an'ny fianakaviana himasoana...
3. nyavo2000 ( 26/01/2009 09:50)
VAOVAO MAHAFINARITRA IZANY R'INGAHY !

Mba hatory tsara amin'izay angamba anio alina ary tsy handeha tongotra noho ny fisakanan-dalana intsony angamba rahampitso fa efa betsaka izay korontona nataon'ny Jiolahim-boto izay !

Misaotra amin'ny vaovao e!

andrywui:

efa mande amzao ny fanakatsakanana sy fomba rehetra (fika antitra) mitady hanapahana ny lohan'ity Tolona ity !! toy ny fitadiavana hisambotra(toy ny fanaony) ireo leader sy ze nandray anjara fitenenenana rehetra teny ankianja! ka raha tafita amin'io tanjonany "hisambotra" io izy de ho faty tanteraka ty ezaka natao HANAFAHANA ny TANINDRAZANA amin'ny Didy Jadona, Fahantrana Lalina, Fanavakavahana, Fivarotan-tanindrazana ty, ...
ka hizaka tanteraka ny tena mangidy amzay , indrindra isika eto Andrenivohitra fa ho afatratrany eto daholo ny fampijaliana rehetra hamaliany faty! ka na RESY na MANDRESY isika eto ANTANANARIVO (Ny fiarovan-tena tsara indrindra anefa dia ny ....)



4. xxx ( 26/01/2009 09:54)
MISAOTRA AMIN'NY VAOVAO FARANY FA TONGA DE DABA-PAKO BEDEBE NO HO APETRAKITSIKA ENY AMIN'NY TRANON'NY TGV SY ZAY MISY ANIREO OLONA IREO FA TSY MAINTSY MIHETSIKA ISIKA VAHOAKA80% ETO IARIVO RAHA TIANA HO TAFAVOAKA TY FANAFAHANA NY TANINDRAZANA TY!
5. penguin ( 26/01/2009 10:00)
May zao ny RNM sy MBS ka dia mifalia fa nafaty baolina izany ééé. Tsy hanamboatra foto-drafitr'asa intsony izany éééé?
6. andrywui ( 26/01/2009 10:10)
MAY NY RNM MBS !! ! MISY MIARAMILA BEDEBE MIANDRY IREO KO HO MAY ? IZANY HOE OLONA MANAO KOSITARA TAO ANATINY IHANY IZANY NO NANDORO AZY ! POLITIKA AVO LENTA ENTINA HAMONOANA AFO ! D'EFA NESORINA MIALOHA TAO NY FITAOVANA ! EFA FIKA ANTITRA ZANY !!!!
7. naughtyboy ( 26/01/2009 10:21)
Ny fanafahana ny tanindrazana dia tsy maintsy ho tanteraka ,tsy ampinoana fotsiny ihany fa @ fahatokisana tanteraka ny hetahetambahoaka ,averiko ihany fa tsy an'i Iarivo fotsiny ity tolona ity na i Andry TGV fa i Madagasikara tia hiavotra sy hitolona @ fahantrana anlentiky ireto fahavalombahoaka @ fitondrana i le8 sy ny tariny ,tsy asiana resaka betsaka ny ratsy efa vitany t@ tany sy lalàna fa fantatry ny daholobe sy ny any ivelany...
Dia hieritreritra ve fa tsy ho azony rehetra veroka ny zvniseho marina nandritra ny fanentanana nataony TGV sy ny mpanohitra teto andrenivohitra ,
aoka isika no handinika fa ity ny sarisary antsaina amphazava ny niseho marina
Iza no manana porofo eto sy nahatratra ireo lazaina fa mpanakorotana omaly iny,nisy ve ireo tratra na nitonona anarana ho nahatanteraka izany avohay eto izany raha fandresena lahatra no tadiavina fa tsy fanosorampotaka an'i Andry sy ireo mpiaradia aminy fotsiny ,fomba fiady tsy vaovao avy @ le8...
-Amiko dia tsotra ,nahoana no tsy mahatoky ireo mpitandro ny filaminana intsony le8 fa nitondra mpikarama an'ady avy any ivelany toy ny nataony sy ireo zanadambo teto antoerana:arrow: efa misy fizarazarampahefana mikotrika aoa anaty fitondrany @ izao fotoana ,tsy fifampitokisana
-Tsy sarotra anie ny mandefa sy manakarama mpanakorotana ary ampisalorina ny anarana oe TGV izy ireny ,satria tsy bado ny malagasy ka azo ambakaina dia atao antsokosoko izany mba hahamora ny fanendrikendrehana
-Tsy sarotra anie ny manakarama ireo TIM hitsena an'i le8 toy ny t@ androny AREMA ka ilaza fa misy mitia ilay efa aloany vahoaka nifidy azy 2 taona
-Nahoana raha olony adihevitra i le8 tsy manangana ny fampihavanana politika @ alalany resaka ambony latabatra @ ireo mpifanandrina aminy fa fisamborana no ampihorohoroana azy ireo , tsy mihaino ny hetahetambahoka izany ary tsy fanajàna koa ny lalànany fanehoankevitra malalaka nahoana noho ny tahotra @ ampamoaka @ ireo asa malotony
Koa ahirato ny SAINA ry ambanilanitra fa tsy orany fileferana intsony izao ary efa be no mahafantatra izany fa tsy rebirebena @ hevitra lomorina toy izao,
na iza izy na iza mahatsapa fa mila fiovana i Gasikara dia tsarovy fa orany FANDRESENA NY DIDY JADONA IZAO ka tsy manda intsony no arodana fa zozoro efa boboka ny lainga sy fitaka,tsy manohana ny TGV na ankolafy hafa ny tenanay fa miaraka mitolona ho an'ireto vahoaka eo ambany haratony fahavalompirenena
8. penguin ( 26/01/2009 10:25)
Tohano izy ary dia mirosoa amin'ny fanasoavana ity Tanindrazana tanisana ary. Efa may ny sasany ka mba ny tsara aroso fa tsy hifaninana {ny fanimbana.
9. xxx ( 26/01/2009 10:34)
toko nareo iany ane lety ry lety no nadoro ny Rnm nareo sy ny Mbs nareo tao ka innn no idiran'ny pokna amzany e!! ereto ao ny fahavoazana !
10. rixes ( 26/01/2009 10:51)
fa manin ary ra mba doran-dry pro ra8 koa ny MACRO @izay izy tena mampalaheo oe potika ny fanananay =)) tena mifoka ronono :@
11. Manasse ( 26/01/2009 10:55)
NAUGHTYBOY

Mampalahelo ahy ny fieritreretanao , mba azonao tanisaina ve ny fiandohan`izao zavatra takian-Andry izao.Mba diniho lalina hoe avy @ inona no niandohany.Ianao ihany no ataoko mamaly azy hoe tsy hafanam-po no itondrana ahy amin`ity firenena ity(enao no tsy fantatro) mila fahaizana,fandinihana lalina fa tsy lava sanga aho ka izay no hitaritana ahy.De ho sanatria ve ka I rolland RATSIRAKA NA i Hasina AnDRIAMANJATO no hitondra eo. Ny fanjakana aloha dia ampahafantarina anao fa tsy mandray zaza tsy ampy taona e :D
Ataovy eo @ Toeran`ny fianakavianao ny toerana,tsy faly amin`ny rahalahinao ny namany de potehi`ilay aka ny fanananareo ao an-tranonareo.Hoatry ny hitako ery ny ho fihetsikao.Sady fahitako ny hevitra avoakanao eto de karazan`ireo olona mora taritina enao, izany hoe vao misy miteny ao akaikinareo hoe ndao lavahina ny arabe eny analakely e.. de lasa enao fa tsy misaina akory hoe fa maninona
MBA SAINTSAINO IHANY E.TSY ZOKINAO AHO MIRESAKA AMINAO ETO NEFA MBA TIAKO IHANY HOE MISY HORAISINAO IHANY IREO NOLAZAIKO IREO MBA HAHATSIAROVANAO AHY
SINTSAINO IHANY E :idea:
12. andrywui ( 26/01/2009 11:01)
---hoy rixes etsy ambony hoe==== tena mifoka ronono
hi hi hi hi ha ha ha ha her her her :p
13. naughtyboy ( 26/01/2009 11:19)
eny @ mahazoky miresaka amimpahendrena anao dia nohenoiko ary nodinihako izay voalaza ka valiako tsotra ihany,
araky ny teninao oe tsy fantatrao aho ary diso tokoa ny fihevitrao ny momba ahy satria tsy naharaka ny voalazako hatr@ izay ianao teto @ politika ka afaka maminavina na tsia ny fihevitro dia fintiniko ny fehinkevitro
-Tsy karazan'olona mora tarihina fotsiny aho satria mitarika olona @ andrakitra misy ahy,ary manana fotokevitra mazava @ fitondrana ny fiarahamonina sy politika raha miverina kely aho @ inona moa no antony hisiany izao fihetsehambahoaka izao dia ,fitakiana ny zo sy ny rariny ho an'ireo olompirenena voagejany didy jadona ao antanindrazantsika na inona filaza azy na inona
-Efa ela no nolazaiko mbola tsy tonga akory aza io fihetsiketsehana io fa i Andry dia bouc émissaire,ary i ndrema sy rolland no ao andamosiny ,tsy ianao akory no vao nampahalala ahy izany fa afaka nandinika izany mialoha ny tenako
Nampiako indray fa hisy valinkafatra tsy maintsy omeny le8 @ izao ka io fomba io no entiny andotoana ireo mitady ny marina ,fanakorotanatana @ alalany olona voakarama,fa ato manko misy mihevitra fa raha simbaina i Magro na ireo orinasa sasany le8 dia tsy hisy assurance hanolo izany,ny mbola zaza saina no voafitaky izanyhahamarimarina ny fanosorampotaka ireo nitaky ny zony .tsy hijanona eo akory izany fa vao phase voalohany no hitantsika rehetra
-tsy i Andry TGV na i Hasina sy R.Ratsiraka irery akory no atao oe olomangany Gasikara fa ,maro izy ireny tsy ireny no tokony hahataitra antsika satria tsy misy oe tsy maintsy hisoratra aminy d'office ny tranony Iavoloha nisy ny didy amandàlana mifehy ahatongavana @ izany io no mila hajainy REHETRA ao anatiny izany izy ireo ???? efa betsaka ireo lesona sy niainana hitany vahoaka tsy ireo intsony akory no hahavoafingana azy indray fa tohatra ireo hiakarany @ fahafahana marina,dia misaotra anao nihaino sy nanaraka ny voalaza ary mankasitraka koa
14. xxx ( 26/01/2009 11:27)
toko nareo iany ane lety ry lety no nadoro ny Rnm nareo sy ny Mbs nareo tao ka innn no idiran'ny pokna amzany e!! ereto ao ny fahavoazana !

tsy azoko mintsy nareo @ ahoana e, inona no dikan'le nareo eto?
1- nareo = Malagasy ve?
==> inoako angamba fa Malagasy enao io matoa mahay manoratra tsara teny gasy sy mahazo tsara ny zavatra tenenina eto.

2- nareo = Mpomba ny TGV ve?
==> tsy azo ho eritreretina ho izay ihany, mety ho politikan-dry zalahy mpomba an-dRa8 koa ne io e, araka ny voalazan'ny namana iray etsy ambony, "mety efa nalana daolo ny fitaovana tao" de mody hoe ndao ho dorana mba haharatsy endrika ny tolona taritin'i TGV

3- nareo = Mpomba ny mpitondra ve?
==> ny haromontan'ny vahoaka tsy mankatoa ny fitondrany tsy azo hamaivanina

Ataovy mazava refa miteny fa aza atao vague be ohatr'io.
NAREO??????
15. xxx ( 26/01/2009 12:16)
ENTANINA ISIKA VAHOAKA MALAGASY REHETRA ZE EFA NANOMBOKA ITY TOLONA HO FANAFAHANA ITY MBA HIARO IREO MPITARIKA ATSIKA REHETRA MIHITSY FA FANAPENAMBAVA SY FAMONOANA ARY FISAMBORANA NO LALANA TADIAVIN'NY FANJAKANA HO ALEHA !!! KA MAILO RY MALAGASY
16. xxx ( 26/01/2009 14:05)
Fisamborana zany no foana no hatao biby fampitahorana, aiza hisy fitondrana hanao an'zany rah tsy eto Madagasikara? ze miteny maneho hevitra de samborina, rah tsy inona koa, ny oul anie tsy voatery hitovy fomba fijery e,mahamenatra, tsy mahatanty kianina, mahatoa tsy mahatanty kianina de be zavatra tsy mety ao izany.
le resaky Ratsiraka 40 mn tam Viva ve no fototr'izao rehetra izao, de maninona izy rah niteny? tsy raharahina fotsiny reefa tsy ilaina ny teniny koa, manova chaine, chaine be de be io,
Izao le hoe Raharaha tadiavina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0494