FIHAVANANA

1. tantara ( 26/01/2009 09:20)
ANTSO AVO !
Raha mba azo atao re raiolona aoka hanohy ny greve sy ny fitakiana fa tsy hanimba fananana sy handroba ary handrava ny efa vita, tazony ny endriky ny tanana efa mba nihatsara ary aza azon'ny fakampanahy hanimba zavatra fa isika ihany anie no hiaina amin'io zavatra simba io e! Ny mpitondra mandalo fa ny vahoaka mpipetraka, koa aoka re tsy hanimba zavatra e, ataovy daholo izay fomba mety rehetra hanehoanan ny tsy fahafaliana amin'ny mpitondra, fa kendreo mba tsy ho lasa fitaovana hoann'y hafa hanimba ny tanana efa mba mihatsara izany
Misaotra, Mahereza
2. Noue ( 26/01/2009 18:09)
tsy efa potika daholo indray ve any zao ee ??? may daholo zao rehetra zao
3. Herimiafina ( 01/02/2009 17:25)
Fihavanana???? Inona izany?
Tsy misy io raha tsy misy fahavalo iombonana, rehefa tsy misy fahavalo iombonana dia tapitra ny film sy ny comédie ara-malagasy. Miverina amin'ny tena endriny amin'izay ny olona = ny fitiavantena sy ny samy maka ho azy daholo.
Ireny ny vokany.
Mahantra ve izany hoy ianareo? Madinika?
Ny tena madinoka tsy afa-mitsahatra ny mamboly ny vomangany any antsaha fa tsy hanampotoana hanaovana grevy izany! :^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7257