Nanenina nanambady

1. gasystras ( 25/01/2009 17:40)
Mba fanontaniana ny ahy ty e ! Efa nisy taminareo ve vao avy nanambady dia nananenina avy eo après 6 mois na 3 mois akory aza !! Tena nahavariana ana fa nisy olona fantatro tena après 3 mois dia vita e !dia inona no mety antony ? :-@ :miam:
novalian'i gasystras ny 31/01/2009 13:30
2. xxx ( 25/01/2009 21:00)
misy aza tena 1 volana de nisaraka , ny antony de samy voafitaka , samy be calcul no tena marina e , maro anie ny miseho ho anjely de lasa devoly be rehefa avy eo e .
3. Herimiafina ( 26/01/2009 00:53)
gasystras:

Tena nahavariana ana fa nisy olona fantatro tena après 3 mois dia vita e !dia inona no mety antony ? :-@ :miam:


Zatra miaina sy mitady comte de fée ny olombelona ka rehefa midona amin'ny realité tena fiainana dia diso fanantenana, hay ity noheverina ho prince charmant ka quasimodo klé. :-D
4. Lejoba ( 26/01/2009 13:18)
resaka tsy fahamatorana io amiko. Eo @ ireo mpivady aloha, fa mety koa ho avy @ fitaizàna azo. Heverin'ny sasany fa droit de man... fotsiny ny fanambadiana ka hiala @ ilay miafina sy ny tahotra isan-karazany no maha-may. Tsy fantany fa io anie tsy tsikonona na toy ny t@ mpisipa fa 24h/24h, 7j/7 ary 365j/ an eh, ny fiarahana io fa tsy ny firaisana ara-nofo an. Ka rehefa tsy vonona hi-supporte ny fahalemen'ilay iray dia mipoaka ny loha afaka fotoana vitsy dia barakay.
Misy koa RAD tsy mahatsapa ny fahavonona-janany na tsia, dia ataotao fotsiny ny mariazy, avy eo ny ankizy tsy mahazaka tokantrano dia mitsoaka.
Eo rahateo koa moa ny hoe nanafin-toetra t@ mbola tsy mpivady dia rehefa tafiditra vao tonga saina ilay iray hoe : fa ahoana ity?
Tsy kilalao an
5. gasystras ( 26/01/2009 16:08)

Tena resaka tsy fahamatorana marina aloha e ! eo koa anefa indraindray ny pression hazo avy aminy fianakams !! Surtout moa raha vao tokatrano vao zany dia ao daholo ny maso no mitontona .
Misy koa ny olona tsy hampozina mihintsy fa rehefa tafiditra izay vao miseho daolo ny tandroka; :roll: :roll:
6. Noue ( 26/01/2009 16:21)
mba mahavariana koa zany aaa! fa nga hono dia nivady aingana be no nisaraka vetivety ee ? misy aza olona efa amampolotaona niarahana mbola tsy nivady satria mbola tao foana ny hesitation eee! mbola tsy vonona , mbola tsy sur zany oe hety sa tsy hety , mbola mila fiheritreretana na firy taona io na firy taona ka hany ka raha maka decision aingana eo dia ny fisarahana ny vokany kooo
7. Noue ( 26/01/2009 16:22)
dia aiza ho aiza hono ny tenin'ny ntaolo oe ny nenina hono tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa eee ???
8. Mirananirina ( 26/01/2009 16:32)
tsy hitanao angaha ilay nalaza be taminy vaovao iny hoe,vao nivady 1 andro dia nitady annulation ny mariage fa hoe tsy vierge hono ilay sipa.Dia niady tany aminy tribunal ry zareo.Ary ny ministre ny justice mihitsy no nandray ny andraikiny.
Mety nisy ny tsy nifanarahana dia nisaraka e.
9. mala ( 28/01/2009 00:49)
izy alou mazava hoe tsy nifanaraka, fa t@ inona?
raha iz ambanin'ny 3-4 volana zany fitaka no tena probable...ötran'ny bandy akama vao tsy ela: tsy ampy 1 volana dia efa samy nitokantrano iz mi-2. lé vhv nanafina zanany iray, efa lébébé iany, nipoitra tampoka nony lé mariage...nahatsiaro voafitaka ny akama dia lasa nitsoaka dia somary niverina kely dia nilan-dRamatoa vaniny indray...ouaisssssss...Lasa lery
10. nikah ( 28/01/2009 07:10)
Tsy kilalao ny fanambadiana,ary zay indrindra no ilaina ny fifankalalana tsara vao mifanambady.Na ny andaniny na ny ankilany dia tokony samy ho matotra tsara daholo.Indrindra koa eo @ RAD,misy manko ny RAD sasany diso miditra loatra @ fiainantokatranonjanany,ka raha vao misy pepin kely de ry zareo RAD in-1 no mampisarakA.
Raha efa nifankalala tsara eny fa na de misy aza ny olana eny anelanelany eny,tsy hisy tokony hanenenana.
ka ny hevitro de aza maimay ny hanambady zany raha tsy efa matotra tsara sy afa po tsara @ fahatanorana fa refa tonga ao @ io tokatrano io anie ka tsy mora ry reto ee!Mila mi supporte an'izao rehetra zao,hafa ny fiainana celiba refa misy ny olana de afaka miala fa refa ao @ tokatrano de eeee!Miaritra na de maharary sy mafy aza.
Na ny maheno ny olona miteny hoe "tsy nahazaka tokatrano "fotsiny aza de efa mankarary andoha.
Tokatrano =Ady,fihafiana,fiaretana ,fitolomana,...Koa dia manome courage ze manana olana @ tokatrano .
Ho an'ireo zay tsy mbola manatokatrano de aza maika ny hanambady hoy ROSSY zay.
11. haritianah ( 28/01/2009 08:56)
Io indray dia bdb é, misy 1mois fotsiny de nisaraka divorcé mits.Nefa tena nifankatia teo alou an.
Za indray dia mandiso lé lazain'ny nikah owé mila fifankalalana tsara aloan'ny anambady ary mila matotra.Non na matotra aza ankehitriny dia tafalatsaka @ io fanenenana io daolo.
Na maika na ela io refa ts ety de ts ety é.
Matetika isika no maheno owé dé vitan'iny bandy iny ve ny nisaraka t@ lé sipa é nefa bandy matotra @ tokatrano bé mits iny bandy iny.
Dé misy ko isika maheno matetika owé dé vitan'iny sipa iny vé ny nisaraka t@ iny bandy iny nefa efa ampolotaona maro zareo no niaraka de vao firy volana no vita ny mariazy de vitany ny nisaraka.
Ka io ts misy zany ela vetivety zan fa dé miankina @ tsi 1/1 sy ny ao an doohany ampitso.
Betsaka ny vao nifankahita dé nivady nefa dia tojo zafikely é de aona zan reny ary betsaka zan ankehitriny ny ts miaraka ela fa tonga dia mivaduy fa lasa lavitra, misy ny cas owé vao nifankahita de niaraka de nivady de nisaraka vet vet fa maro kou ny naharitra atram farany t@ izy ireny ka io miankina @ ao antsaion'ny tsy1/1 ampitso.
12. batotoa ( 29/01/2009 21:01)
io zany lasa maka tahak be loatra @ feuilleton mandé @tv e! de zay ! fa tsy adal ve ze niteny oe " mila raharah otran'ny rainyzafylemena"
13. gasystras ( 31/01/2009 13:30)
Ilay izy zany tena mila fahamatorana nefa indraindray koa rehefa tonga eo aminy le age tokony hanambady dia otrany ataotao owé ny akama rehetra efa manambady daolo de mba lasa koa e !
Marina aloa hoe ny tokatrano fiafiana fa amiko rehefa tsy hita zay hifandaminana dia aleo misaraka e!, hantitra eo sady very fotoana , no mahazo aretimpo , ny stress ... Rehefa ny fitiavana zay mantsy no tsy mety dia mitotongana miaraka amininy daolo ny fiainanao iray manontolo , ny asa tsy mandeha aminy zay laoniny , ny saina tsy misy fivoarana ...
Vaux mieux être seule que mal accompagner !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0434