Mbola mampitandrina ihany hono ny Didy jadona :-)

1. hery ( 25/01/2009 11:42)
Miely indray ny tsaho hoe nivoaka any ny taratasy fisamborana an'i Andry TGV :-)

Dia raha tena misy ve izany dia havelan'ny governemanta lazainareo didy jadona halaza akory?

Tadidio ny tamin'ny andron'i Ratsiraka, izay tena didy jadona tokoa. Tonga dia manjavona izay voasambotra, efa voasambotra izay fantatra hoe any Mantasoa no migadra sns. Tsisy filazana mialoha hoe hosamborinay i ranona na ranona.

Fa angaha tokoa aloha efa tokony ho samborina i Andry e? Sa izay no tena tadiavina? Maninona raha manao zavatra tsy ara-dalàna mihitsy ho haingana d moramora kokoa ny misambotra azy? :-)

Mbola tsaho indray koa izany ity idray mitoraka ity.
novalian'i xxx ny 27/01/2009 15:36
2. xxx ( 25/01/2009 11:59)
ny tsaho nisy na hatramizay! tsy voatery hanao hotran'ny tamin'ny andron'i ratsiraka ravalo fa samy manana ny fomba fanehony ny didy jadona avy!efa nanidy radio na télé ve ratsiraka tamin'ny andro nitondrany? nanao didy jadona izy ary ravalo dia manao didy jadona ihany koa!tsy mipetraka aty antanindrazana marina ianao ka tsy mahita ny zavatra ataon'ny filoha!ny mahasamihafa azy sy ratsiraka angamba dia ratsiraka tonga de managadra tsisy inoninona fa i ravalo miandry kendry tohana tahaka io nanidiny viva io vao manao didy jadona!
3. hery ( 25/01/2009 12:09)
Ka raha vao misy antony no hanagadrana dia efa tsy jadona intsony izany :-)

io ilay vao lazaiko hoe raha te hogadraina d manaova ny tsy mety d mora b.

D amin'izay lazao hoe gadra politika indray

Mbola tsy fay ny nataon-dRavalo fitaovana wah dia ataon'i Andry TGV fitaovana indray tsss.
4. xxx ( 25/01/2009 12:13)
ka mety zay indrindra ange eh!! mety oe leon'ny ataon'i ravalo fitaovana ny vahoaka malagasy dia aleony olokafa indray manao izany! :lol:
5. mala ( 25/01/2009 12:57)
Tsy lojika anie zany teneninao zany ry Hery eh! Fa angah rehefa misy antony ny anamborana olona dia zay fa tsy jadona? rehefa tsy manaraka ny procédure dia efa azo atao hoe jadona zany. T@ resaka VIVA TV dia efa nakatona aloha ny TV zay vao nitady antony sy porofo nanakatonana azy zareo. Sady tsy tokony izy no manana an'izany fahefana izany fa ny HCA, tsy ny gouvernement mintsy na ny ministère Télécom ary manana delai de plus de 3 mois ny TV vao afaka mandray fepetra ny tompon'andraikitra.
Olona mahavita miteny hoe tsy jadona io fitondrana io dia olona efa tsy mampiasa na maso, na sofina. an-dRa8 zany anie hafan'ny zava-tena miseho aty am firenena anie no ataony kabary any ivelany any eh!
Indrisy moa zany TVM sy MBS ihany no TV gasy mety hita any ivelany...
Mino aho sady maniry ny ahatafa an'zao ketrika am' tanàna zao eh
6. ds ( 25/01/2009 13:26)
Izaho aloha, dia sahy miteny hoe manao jadona io fitondrana ankehitriny io. Tsy noho ny zava-mitranga ankehitriny ihany fa hatramin'ny nijoroana 7 taona lasa izay. Izany akory tsy midika fa mankasitraka ny fomba fihetsiky ny sasany ankehitriny aho. Ny tiako holazaina, dia ireo mitondra vahoaka handrobaka fitondrana avy eny an-dalambe. Maro amin'izireo no mahafantatra tsara ny zava-mitranga hatramin'ny 2002 kanefa ninia nanampi-maso noho ny tombotsoa manokana. Ankehitriny, manararaotra ny fahoriam-bahoaka mba hiseo ho virjiny amina raharaha pôlitika. Mino sy manantena aho fa tsy hanaiky hatao tohatra izany ny vahoaka. Mirary koa raha mirary fa tsy hamerina ny fomba ratsy tamin'ny 2002 amin'ny fanaovana valifaty (fanapotehana fanan'olona sy/na fananam-panjakana - na Tiko aza).
Ny hoe iza no hasolo an'i anona ? efa fandre hatramin'ny taona faha-80 ka nahatonga ny gasy niaritra ny ngidy nandritra 25 taona...:-) Tsy lany olomanga i Gasikara e.
Ho an'ireo te hanongam-panjakana : tsarovy fa "ny tody tsy misy fa ny atao no miverina".
7. gasyjean ( 25/01/2009 13:28)
xxx sy ny tariny tsory fotsiny ny marina hoe tianareo hiverina ratsiraka sy ny tariny mba hampisy ady eto M/ra dia izay fa tsy mody ahodikodina ny resaka, mazava hoa zy izany Andry tgv = Ratsiraka,satria raha i Andry irey tsy hanana izao heritseritra izao, dia raha tonga eo @ fitondrana Tgv mazava hoazy fa hiverina daholo ireo fahavalom-pirenena exilés,dia inona moa tsy izay vao tena jadona,olona vitsivitsy voakarama hitolona sy hanankorotana dia lazaina hoe ny vahoaka no hanala ny filoha ankehitriny.mba mieritrereta ihany ee!!
8. patrick2002 ( 25/01/2009 13:42)
koa raha tsy Ratsiraka irery ny elite national koa ,ary aoka izay ty fitenenana hoe jadona Ratsiraka ,ka rariny raha manao jadona ra-8 ,nangalatra Ratsiraka ka rariny raha mangalatra a-8 , izaho indray hamono olona ra -8 dia mbola hiteny indray y gasyjean sy ry Hery hoe rariny ny an' ra-8 satria Ratsiraka namono olona ny 10 Aout .
Izany no nandakana ireny olona ireny tsy tokony hisy hiverina intsony ,ary tsy tokony hipetraka eo izay mbola nanao izany dia i ra-8 izany.
9. xxx ( 25/01/2009 14:27)
Ny mampalahelo de Andry lasa atao fitaovana, tsy film efa nandeha ve izao zavatra mitranga izao e?
Diniho tsara ange...amin'ny fo sy saina tsy mirona...
fa ny carrière politique n-n'i Andry 'ty no toa 19 x 0....
iza moa no ao ambadik'zao rehetra izao.... e e e raha mba fantatrao mantsy....
10. sipagasy ( 25/01/2009 15:31)
ao fa valiako boraingina hoe ny frantsay mitady hametraka ny marionetiny no mbola ary ho ao fooona ambadik'izao fa ho iza moa, ianareo fotsinny no dominy tapany handoa erany eo hhmmmm
11. soanja ( 25/01/2009 16:24)
xxx:

Ny mampalahelo de Andry lasa atao fitaovana, tsy film efa nandeha ve izao zavatra mitranga izao e?
Diniho tsara ange...amin'ny fo sy saina tsy mirona...
fa ny carrière politique n-n'i Andry 'ty no toa 19 x 0....
iza moa no ao ambadik'zao rehetra izao.... e e e raha mba fantatrao mantsy....



Mety ho marina io. Fantany ve io zavatra ataony io, efa arany tsara ny ho fivadiky ny tantara??? hummmm
Marina fa niharan'ny tsy rariny izy saingy misy fomba hafa angamba, ampiasaina ny lalana hiadivana amin'io. Mbola tsy ampy angamba ny mpanolotsaiana afaka manome fijery mazava azy. Fa ny hoe ataon'olona fitaovana raha izay no misy dia mbola tanora saina marina izy.

Diniho tsara izay atao ary jerevo akaiky ny tantaran'ny firenena! Raha te ho presida izy indray andro any dia miala amin'ny vahoan'ireo mpandoto rano efa nisy teo aloha.
Vahoaka Malagasy leo no eo saingy vahoaka malagasy tsy hoe tsy misaina akory!

12. naughtyboy ( 25/01/2009 17:22)
voalaza teo
Vahoaka Malagasy leo no eo saingy vahoaka malagasy tsy hoe tsy misaina akory
ekena ...ho bouc émmissaire fotsiny lery satria ao ry ndrema sy ny tariny ary ireo opportuniste taloha efa miandry @ kihondalana... tsy azo heverina ho zaza intsony ny malagasy na ny zaza aza mbola mitombo andro aman' alina aratsaina sy vatana
13. naughtyboy ( 25/01/2009 17:52)
ny vinavinako manaraka dia tsy maintsy misy valinkafatra aloha avy @ le8 mety afaka hisambotra an'i Andry izy hanalavirana azy sy ny vahoaka(na tsy aradalàna aza) fa tsy afaka hanagadra intsony saingy risika be satria hampitombo ny hatezerambahoaka ka vao maika hanafaingana ny fialany,nefa tsy afaka ny hamela azy hiriorio fa itady fomba amelezana azy ankolaka .Miankina @ influence ny Andry any ivelany sy ireo mpomba azy ary koa ny akaiky an'i le8 izay hivadika aminy tsy ho ela, efa manomboka tsy mahatoky na ireo akaiky azy koa aza i le8..Ny iverenany Deba kalo de nofy gadra no hiandry an'iny ao @ tanàna na dia mamporosika mafy an'i Andry aza izy @ zao fotoana
14. xxx ( 25/01/2009 19:36)
ka na iza na iza ao ambadik'izao raharaha izao aloha dia izaho mahita fa manao tsy mety ny fitondrana amin'ny izao fotoana izao!izaho dia anisany tena nitolona t@ 2002, nanohana mafy io filoha io, tsisy tombontsoa no tratrariko nefa tamin'izany fa nangetaheta fiovana aho, amin'izao fotoana izao ny tenako dia diso fanantenana tanteraka amin'io fitondrana io! taiza no mbola nisy firenena mahantra nefa ao anatin'ny 7 taona dia nahavidy air force one roa?
tena ilaina marina ve io?maninona re raha fitaovana hitsabona marary ho didina no vidiana amizay ireo manana mila tsaboina sy didina tsy vizaka ny mangataka fanapiana amin'ny fitsaboina aty ivelany.
15. xxx ( 25/01/2009 22:35)
Raha mba fantatrareo mantsy :Jereo ny tantara nanomboka t@ taona nanontana ny baiboly voalohany indrindra tao Mada. Itompokovavy Rasalama , izay anisan\'ny maritiora nolefonina teny ambohipotsy ,nohon\' ny fanoherany ny mpanjaka t@ izany fotoana izany ary navarina teny Ampahamarinana .T@ andron\'ny fanjanahan-tany izay amanaliny no namoy ny ainy.Nanomboka t@ sarintsarim-pahaleovantena nomena an\'i Mada 1960 ka hatr@ izao fotoana izao, mbola maro ihany ireo namoy ny ainy .Azonareo antsary ve ny mampitovy ireny olona namoy ny ainy rehetra ireny ? :cry:
16. vale ( 25/01/2009 22:59)
xxx:

ka mety zay indrindra ange eh!! mety oe leon'ny ataon'i ravalo fitaovana ny vahoaka malagasy dia aleony olokafa indray manao izany! :lol:



:lol: TROP BIEN DIT hozy ny teny baiko zay!!! hihihihihihihi..
17. tsiafoi1 ( 26/01/2009 07:40)
Rehefa manohintohina ny lalam-panorenana de efa tsy ara-dalana zay ary mendrika famaizana araka ny lalana velona eto @'ny tany sy ny fanjakana... Ka raha izay no atao we Jadona, de aleo ho jadona any... Fa ny lalana tsy maintsy hampiarina ho an'izay mandika azy!!! F'angah ny mpangalatra akoho ihany no mendrika ho any amponja???

Tena tacle ho an'i TGV sy ireo diplomates iny fitsenana makotroka iny, indrindra ho an'ilay mpampiady angely malaza zay te hametraka ny saribakolony, ... Midika ireny fihetsik'Antananarivo ireny, fa matotra ara-politika ny malagasy... Na tsy miteny sy mitabataba eny amoron-dalana aza de mandinika sy maharaka ny fizotry ny tantara...

Ho an'i TGV, Soavaly fotsy mihoso-potaka enao ankehitriny, satria nanaiky hotaingenan'ireo maloto efa naloan'ny vahoaka... nohon'ny fitiavam-bola sy fitiavan-tena... Mandahana aloa misasa sy manadio ny tenanao!
18. xxx ( 27/01/2009 15:36)
Mifohaza re isika gasy fa na andrytgv,na ra8,na ratsiraka dia samy ratsy daolo avokoa,resultat:simba ny tanàna,ny kibo mbola noana,ny fahantrana miha mafy ampiany crise mondiale koa;
dia ahoana ndray no anarenana anizao?te iverina @ratsiraka ndray????????????
za mitsinjo anireo gasy kely mahantra ataondry zareo miseho manatsaina ireo pasy bolina fotsiny .
mivavaha ho any firenena mba ho olombanona no itondra ny firenena e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6738