Mbola tsy tara

1. Mandefitra ( 22/01/2009 10:24)
Miarahaba antsika mpisera eto @ fivavahana sy finoana.

Tsikaritro tato ho ato, fa zary lasa dinika fifampihantsiana sy fifanasana vangy ny sehatra fivavahana sy finoana. Ka i Koto manenjika andrabe, rasoa mihantsy ani bozy etc ...


Vao manomboka ny taona 2009, mbola fotoanan'ny Epifania ty volana Janoary, fihariharian'ny voninahitr'Andriamanitra ao @ Jesosy Kristy, ka sao takona @ fomba firesantsika ilay Mpamonjy.

tsy aleo va manetry tena, mianatra, manaiky ho tsilovin'ny Fanahy Masina aloha, mba hitomboan'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy ny sitrapoNY, fa toa samy mihevitra ho mahalala sy tapitr'ohatra aby isika rehefa miresaka, kanefa raha tsy diso za "sombitsombiny ihany ny fahalalantsika ..."

Mirary soa
novalian'i bor2lais ny 23/01/2009 16:30
2. fahamarinana ( 22/01/2009 11:33)
:arrow: misaotra nampahatsiahy ranadahy a ! marina tanteraka ny voalazan'ise ! :-* (l)
3. rabilabila ( 22/01/2009 15:00)
Antony iray tsy dia ahitana ahy loatra intsony eto izany zavatra izany !! satria tsy misy n\'inon\'inona intsony mety hampitombo ny fahalalàn\'ny tsirairay , mba ahafahan\'ny tsirairay mandanjalanja sy mamaritra ny làlany fa lasa \"guerre de chapelle\" sisa ,miampy \" gueguerre de chapelets\",ary ny \"delits de sale gueule\" ,ny prétentions....... ;anisan\'ny nandray anjara tamin\'izany ny tenako ,ary ny fahatsapako izany indrindra no nakako eritreritra ary niezahako ,ary mbola hiezahako tsy handray anjara amin\'izany.......
Efa nilaza teo aho indray andro , efa elaela izay , hoe :\" raha tonga tampoka etoana angamba ilay andrasanareo , dia izy indray no hofantsihanareo !!!!\"

Niresaka \"vertus théologales\" aho indray mandeha ,volana desambra angamba izy izay , ary i Prime sy ny teny notsongainy no nahatonga ahy namelabelatra ny fahazahoako ireo tenin\'i Paoly ao @ korintiana ; ireo versets ireo no anisan\'ny ilazanareo hoe :andriamanitra fitiavana \" satria arak\'ireo versets ireo dia tsinontsinona ny finoana sy ny fanantenana eo anatrehan\'ny fitiavana.

Ianareo rehetra eto anefa dia milaza ny ankabeazany fa kristiana na mpanara-dia an\'i kristy,fa tsy hoe mbola eo am-pikarohana ny finoanareo .
Ka raha efa manana finoana ianareo , tsy ilainareo intsony ange izany ny finoana!!!
Ka rehefa miaraka aminy ianareo , tsy ilainareo intsony ange izany ny fanantenana!!!
Inona sisa no andrasany aminareo ? NY FITIAVANA .
Incapables kanefa ianareo hifanome tànana , sy hampifandray amin\'ny alàlan\'ny pont , ilay antsana manasaraka anareo , na koa ny tsara indrindra aza dia manentsina ilay antsana amin\'ny alàlan\'ny vatom-pitiavana entin\'ny tsirairay aminareo.
Niresaka ilay samaritana teto koa aho indray mandeha , araky ny tatitr\'i Paoly dia tsy nanontany mihitsy i Jesoa hoe :\" iza? avy aiza? handeha ho aiza? zanak\'iza? finoana inona?mainty sa fotsy ?.........\" amin\'ny momba azy , kanefa izy no nataony ohatra fa tsy ireo levita sns... satria ny fitiavana no efa lehibe aminy .

Miala tsiny aho amin\'ilay tora-po ,fa somary malahelo anareo namana serasera
namaky ny resakareo tato ho ato ,ka naleoko aloha nangina ; fa nosekafan\'i Mandefitra moa ilay lohahevitra ahafahako maneho izany ka dia nataoko ilay izy .Mety ho diso anefa ny eritreritro ka dia ialako tsiny dieny mialoha .....ary am-pitiavana sy amim-panetre-tena tanteraka no hanaovako izany .
4. ikaretsaka ( 22/01/2009 15:19)
Za koa saika hiteny kely fotriny hoe sao dia ilay manao hoe tsy mbola tara ireny no taraiky indraindray?
5. ari.malala ( 23/01/2009 06:15)
Ho ahy manokana aloha ny tena tsy zakako dia ilay mihevi-tena ho efa tapitr'ohatra ka sahy mitsara avy hatrany ny hafa ho tsy mpino na sahy manaratsy avy hatrany ny hafa! Tsy hoe izay tsy mitovy hevitra akory dia ratsy, fa rehefa tsy mety amin'ny tena dia mangina fotsiny fa tsy handeha koa hitsara na hanaratsy ny hafa! rehefa hita fa tsy mety dia ahitsy ary tokony miaiky ilay atoro refa hita fa tena tsy mety ilay nataony!
6. rakapy ( 23/01/2009 07:11)
Ny zavatra iray koa dia : Misy fihatraikany lehibe eo @ ireo samy xana ny fisitahan'ireo izay nolazainy fa TSY MPINO tato ato. Faona ny adi-hevitra somary mivatravatra. Tsy hita hoe nakaiza ry zalahy fahavalo . Dia lasa ny samy xana indray no mifandranatra.
Izay no antony iray mbola niverenako eto. Raha tsy misy adversera mantsy ny zavatra dia mety ady an-trano na lasa mankaleo be ilay dinika.
Ka izaho aloha dia mbola fahavalo iray azonareo petehana fa aza miady an-trano re nareo havako.
7. Mandefitra ( 23/01/2009 08:18)
Ka eo mantsy no olana rabilabila sy rakapy : izahay nirahina "hampanjaka fitiavana" indray no ohatry ny nivadika ka mampiahiahy.

Ika> ilay nataoko hoe tsy tara, dia ny mba hiovan'ny dinika ho tsaratsara kokoa dieny vao miandoha ny taona.
8. prime ( 23/01/2009 10:30)
Misaotra Mandefitra a... :)

Tenim-pahendrena tokoa izany...

rabila> tsaroako tsara iny resaka iny... mitombina tanteraka ny fanamarihanao... mila fandinihan-tena tokoa ny fanarahana dia an'i Kristy... misaotra... :)
9. ari.malala ( 23/01/2009 12:43)
rakapy, fa fahavalo ahoana moa ianao? :-P
10. ikaretsaka ( 23/01/2009 15:36)
Raha misy fihevitra hafahafa na tsy mazava ange ry mandefitra dia tsy maintsy hoeanontaniana sy/na ahitsy e...(jereo ny resak'i coopsal sy I fody ohatra)
Ny hevitra tsisy argu na ny fitsarana @ na pas olona tsisy fanampin kevitra
Ny tsy fiekena ny mahadiso ny hevitrao sns

mety drastic be io fomba fanitsiana io... mety mivantana...fa amiko raha mijoro @ inoanao ianao na misalasala dia ny Argus carte sur table. Ihany no Fika ahalalana ny hoe inona sy maninona sy ny nahoana... indraindray mila ahintsana koa na donina mafy ianao vao tonga eo
11. bor2lais ( 23/01/2009 16:30)
-> Misaotra an\'i Mandefitra nanokatra ity lohateny ity.

Voalazanao fa :

\"Tsikaritro tato ho ato, fa zary lasa dinika fifampihantsiana sy fifanasana vangy ny sehatra fivavahana sy finoana. Ka i Koto manenjika andrabe, rasoa mihantsy ani bozy etc ...\"

-> Maro tamintsika tokoa no samy nahatsikaritra io toe-javatra ambaranao io.
Rahefa jerena akaiky ilay izy dia toa sarin\'ny zava-miseho any am-piangonana (misy azy) ihany no mipoitra eto. Raha mijanona adihevitra mifanaja ilay izy dia mahasoa sy mampandroso ny Fiangonana satria marika izany fa velona sy miaina ilay Fiangonana (tsy matoritory na lasa routine). Fa ny mampalahelo kosa dia rehefa ilay adihevitra no lasa (miteraka) fifankahalana, fifanenjehana na fiandrasan-kendrin-tohina, sns satria amiko ireo dia toetra
mifanipaka amin\'ny nampianarin\'ny Tompo (Izay iraisana).

Dia hoy indray ianao hoe :

\"Vao manomboka ny taona 2009, mbola fotoanan\'ny Epifania ty volana Janoary, fihariharian\'ny voninahitr\'Andriamanitra ao @ Jesosy Kristy, ka sao takona @ fomba firesantsika ilay Mpamonjy.\"

-> Miresaka Epifania ianao dia mamelà ahy mba hanao \"parallèle\" amin\' ny tantaran\'ny magy tonga nitsaoka ny Tompo.

1. Ny magy izay heverina fa samy nanana ny \"culture\"-ny tany aminy tany no tonga nitady sy nitsaoka Azy tamin\'ny fombafombany izay nahazatra azy rehetra (volamena, zava-manitra, miora, sns). Ny tena olana eto amin\'ity sehatra ity indraindray dia ny tsy fanekena io fahasamihafana io na dia 1 ihany aza ny tanjona kendrena.

2. Mikasika io tantaran\'ny magy io ihany dia mbola toa marina mandraka ankehitrio : samy te-hitady an\'Ilay Zazakely na ny magy na i Heroda, saingy samihafa ny antony hitadiavana (na iresahana) Azy.

Ary hoy ianao hoe :

\"tsy aleo va manetry tena, mianatra, manaiky ho tsilovin\'ny Fanahy Masina aloha, mba hitomboan\'ny fahalalana tsara an\'Andriamanitra sy ny sitrapoNY, fa toa samy mihevitra ho mahalala sy tapitr\'ohatra aby isika rehefa miresaka, kanefa raha tsy diso za \"sombitsombiny ihany ny fahalalantsika ...\"\"

3. Mahalasa fisainana tokoa hoe naninona ary ny magy no \"nandalo\" tany Jerosalema tany @ Heroda fa tsy nanohy avy hatrany nanaraka Ilay Kintana hatrany Betlehema ? Sao dia nihevi-tena nahalala tokoa ary fa ao an-dapa ao ilay Mpanjaka.

4. Ny mpanora-dalàna sy ny lohan\'ny mpisorona izay mahalala Soratra Masina nefa toa tsy nino ny Vaovao Mahafaly nentin\'ny magy !!

Ny tiana lazaina dia toa mbola voamarina daholo ankehitriny ny toetran\'ireo \"personnages\" tao amin\'ny tantaran\'ny magy ireo. Tsoriko aloha fa ny tenako koa mba nanana ny 1 farafaharatsiny t@ ireo toetra ireo ! Ary miezaka miova làlana (tahaka ireo magy) rehefa avy nifanena tamin\'ny Tompo (taom-baovao rahateo koa moa ny andro) !

Fehiny : teny feno fahendrena araka ny voalazan\'i \"prime\" tokoa no nataonao ka dia misaotra !!

PS Miala tsiny indrindra raha somary lava na mety HS koa aza angamba fa mba fizarana fotsiny ihany ny ahy iny !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1799