Ny toerana misy an\'i MADA @ izao fotoana izao.
1. ndenn
(
21/01/2009 23:16)
Indraindray aho aty an-tany lavitra aty dia manongo tena irery mamaky ny hevitra miseho eto @ ity serasera ity. Toa latsaka ambany dia ambany marina ny toe-karem-pirenena @ izao fotoana izao . Ny antony araka ny hevitro dia ny amintsika tsi11 avy ihany .Voalohany aloha dia ny momba ny teny malagasy indrindra , raha zohina ny tantara dia ,anisan\'ny teny be mpampiasa tokoa ny teny malagasy t@ andro fahagola ,ary teny efa voasoratra amanarivo taona maromaro lasa izany , saingy niova endrika izy @ izao vanimpotoana hiainantsika izao , navadika ho litera latina ny endriny .Anisan\'ny politika t@ andron- dRadama II no nanovana azy io ho latina mba hialan\'ny malagasy t@ fanenjehana ireo firenena izay nampiantra ny fanandevozana olona t@ faritra maro teto @ ity oseana indiana ity.Hatrany arabia saoudita ka hatrany inde, chine japon, indonesie , iran ,irak ,europe , ary maghreb ,ny tany asie du sud est ,dia misy hatramin\'izao ary betsaka ny fototeny iraisana, nefa niova izany rehefa nivadika ny taonjato maromaro.Ny zavatra tiako ho marihina eto dia ny fandraisantsika ilay fampiasana ny soratra ankehitriny; maro ny vahiny namako aty an-tany lavitra aty no mahay sy mahazo tsara ny teny gasy , saingy tsy miteny izany , ary mbola manao etudes grammaticales sy phonetiques ,ary ny etudes des vocabulaires expressifs.Na ireo resaka eto @ ity serasera ity aza dia vita vetivety ny fanadihadiana ny hevitra miseho eto rehefa manao izany rizareo.Ka mba tiako ho zaraina @nareo ireo traikefa fanao aty.Voalohany indrindra aloha dia ny ompa sy ny fanaratsiana ny hafa no voamarika voalohany ,mazava ho azy izany fa na dia ry zareo aza dia afaka mandinika tsara ny toetran\'ny tsi11 avy @ alalan\' ny soratra navela .Manaraka izany dia ny toe-karena sy ny varotra ,ary ny fikarohana siantifika eo andaniny.Ary ny diarin\'ny antoko politika samihafa dia anisan\'ny hanaovana fanadihadiana manokana koa , hifotoran\'izy ireo ny fahamafisan\'orin\' ny société sy ny entreprises manana ny maha izy azy,any @ izay firenena handehanany ,ka mety hahazoany tombony eo @ lafiny ara-barotra .Ny zavatra tiako ho faritana dia ity, ny teny avoaky ny vava dia tokony hanan-danja sy ho to ho an\'ilay olona miteny ,fa tsy feo avoaka hanakoako eny ivelany fotsiny.Ny teny atody ka raha foy manan\'elatra ,hoy ny anatry ny ntaolo , ary ny votoantin-teninao dia hanaraka anao hatreny ambaravaram-pasana.Ka dia miala tsiny miala fondro aminareo ny tenako raha nanao teny maharary na nanohintohina ny firehan-kevitry ny tsi11 avy.Hotratr\'antitra daholo anie ianareo.Veloma mandrampitafa indray. :idea:
novalian'i ndenn ny 22/01/2009 14:24
2. vale
(
21/01/2009 23:49)
Ny tsy fampiasana ny Teny malagasy ve no maha->>>>>>>
Tsy azoko tsara mantsy oe in no tena tiana resahina sy hahatongavana, ny tsy fampiasana ny Teny malagasy hatrizay ve sa ny fitotongan'ny toekarem-pirenena, ohatry ny tsy hitako izay hifandraisan'ireo hevitra roa ireo mantsy!Mba hazavao misimisy aloha eee??? ^:^
latsaka ambany dia ambany marina ny toe-karem-pirenena @ izao fotoana izao???
Tsy azoko tsara mantsy oe in no tena tiana resahina sy hahatongavana, ny tsy fampiasana ny Teny malagasy hatrizay ve sa ny fitotongan'ny toekarem-pirenena, ohatry ny tsy hitako izay hifandraisan'ireo hevitra roa ireo mantsy!Mba hazavao misimisy aloha eee??? ^:^
3. ndenn
(
22/01/2009 02:20)
Mifandray tokoa araka ny fahatsapako azy ny teny sy ny toe-karena.Raha mahafantatra olona nivoaka nahavita fianarana zestiona ekonomika avy any @ tany eropeana na amerikana na japoney ianao ka mijery tsara ny fomba fiasan-dry zareo rehefa manao fifanarahana ara-barotra ,dia hita mihintsy fa tena matotra ary tsy manaonao foana , fa tsy maintsy manao fikarohana momba ireo olona hifanaovana varotra ,@ fomba rehetra .Jerena ny fomba fiainany sy fiasan-dry zareo taloha, ny rafim-piarahamoniny,ny rafim-pamokarany, (ara-tantara ) , dia mandravina izany ary manao evaluation sy mikajy ny probabilité n\'ny mety ho tombotsoa ho azo avy @ izany.Dia averina jerena daholo indray izany rehetra izany ankehitriny ,ary manao fampitahana @ zava-nisy teo aloha ,tsy asiana tavela na dia ohatry ny silam-paingotra aza .Dia eto no mampisy lanja tanteraka ny teny hiresahana .Voalohany eo @ fitohizany (perenité ), faharoa ny fiparitahany (fléau lingustique ) ,fahatelo ny fandrefesany (unités de qualification et quantification ),dia mbola misy marika arahin\' ireo societé sasany any eraopa sy amerika ary azia koa aza , momba ny fomba (tradition ) , ny fanabeazana (instruction pedagogique). Dia raha tsoahina avy @ ireo fotsiny ihany aza dia hita fa misy lesoka maromaro hita taratra ao @ fiarahamonin\'ireo olona na ao anatiny na any ivelan \' iMada izay mampiasa ny teny malagasy.Tsy ny teny malagasy no ratsy ,fa araka ny voalazako teo aloha ,araky ny tantara , io teny gasy hiresahantsika andavanandro io dia ,teny nampiasain \'ny fanjakana marobe taty @ faritry ny ranomasimbe indiana ,teny nosoratana ankavanana miankavia izy io taloha ,ary t@ litera austro-arabo nikambana t@ indo- melanesienne ,izany hoe teny iray ihany izy io taloha fa navadiky ny taonjato dia nizarazara .Ary anisan\'ny fahafantaran\'ny olona io fahatanjahan\'ny teny io no antony mampihemotra ny toe-karena raha ny fijeriko azy satria mahay mifandray sy miady varotra ny olona nampiasa ilay teny na dia t@ izany andro fahagola be izany aza.Ary nampisy ny fanandevozana sy ny fivarotana entana teny @ ireny comptoir commercial feno eraky ny ocean indien ireny. :!:
4. xxx
(
22/01/2009 06:29)
Ra Ndenn zany koa hoatran'ny mitily fara sy antibroiara @ andro atoandro ko!!!
5. andrywui
(
22/01/2009 11:51)
ary le teny gasy tena taloha ve zany le teny gasy saika ho aparitak'ilay rangahy teo amin'ny sampanan'Ambohitrimanjaka hoe ZAHAVANAY iny sa teny teny gasy vaovao ry ndenn fa toa nalazalaza ihany iny oe hovaina teny zahavanay ny teny gasy é! sa aona tsara mo no tena fadehany fa tsy haiko
6. ndenn
(
22/01/2009 12:15)
Ilay javanais dia dialekta dérivén'io teny nanerana ny oseana indianina io ihany ,ary mbola mipaka hatrany @ireo nosy hatrany azie du sud est ka hatrany @ oseana pasifika ,na ny ampahafolon'ny tenin'ny aborigene any australia aza dia mitovy dika tanteraka @io fitenenana taloha be io.Araka ny fanadihadiana dia fiteny dialektika koa izy io fa tsy tena teny feno ohatr'ilay tena fitenenana taloha be!
7. andrywui
(
22/01/2009 12:21)
kay va re!! de gaga ktou ane aho ! de aiza no ahita an'io teny gasy tena pur io zao eto madagascar sa efa tsa misy koa fa atao arakeviny?? toa tsary mbola nahita na de sombiny tamzay manko aho tam boky na tam tsy haiko tany hatramzay niainako
8. ndenn
(
22/01/2009 13:16)
Raha ao Mada ianao no mipetraka dia mety ho porofo fisika ihany no mety ahitanao taratra ny fisian\'io fitenenana taloha be io .Raha hisy aza izany ,ary ny fandraisanao ilay teny gasy dia somary diso kely ihany satria efa niova nanaraka ny vanim-potoana hiainantsika @ izao fotoana izao izy ity,izany hoe lasa fiteny analytique , flexionnel , niainga t@ilay tena teny voalaza teo aloha!Ny zavatra nohadihadiako tao @ oniverité any Tours dia t@ny nampisaraka tanteraka io teny io t@ taonjato faha 3 alohan\'i J.C.,ny ady t@andron\'ny mpanjakan\'ny mpitondra mesopotamiena,ady nifanaovana t@ireo semite orientaux ( akkadiena , na assyro-babylonyena ) ,sy ny semite cananéana ,semita arameana sy meridionala .Raha afaka mandalo any @ biblioteka any eropa any ianao dia mety hahita dokimao momba ireo tantaran\'ny fitenenana ireo eny @ biblioteka nasionaly ohatra :idea:
9. andrywui
(
22/01/2009 13:52)
aty Paris ah zao fa bibliotek iza nomisy anio ozy enao!! de misy ny tantaran'ny teny malagasy sy ny teny malagasy voalohany mihitsy ve avoakany ao ?? mba tiako jerevana any fa atoroy oe!!
10. ndenn
(
22/01/2009 14:24)
Raha ao Paris indray aloha dia tsy fantatro hoe aiza no toerana mety ahitanao ny ouvrage mirakitra ireo.Andramo tetezina ny 5éme ,6éme ,7éme, ary ny 16éme arrondissements ,dia jerevo ny rayon' ny anciens livres ,ouvrages de grande portée intellectuelle ,dia mety mahita koa ianao ao @ Foyle library ,ao londres , ao @ Fnac koa tsidiho , dia ao @ les presses universitaires de france koa raha tsy diso ny fitadidiko .Dia mahavita betsaka.
