Tsy mety afa-bela

1. Samoana ( 18/01/2009 19:30)
Samy nolaniam-bahoaka

Henjana ny raharaha
Mifandefera e zalahy
Lehilahy ankiroa
Sady taviny no volony
Voahosotra menaka
Saingy samy be mokony
No indro mifamelaka

Ny filoha filoha ihany
Tsy ifandirana izany
Nofinidintsika hitondra fanjakana
Tanaty fahendrena
Saingy tsy mahay
Maneho am-panajana
Ny baiko izay omeny!

Ny sefon-drenivohitra
Tsy sanatria mpanohitra
Matsiaro ho very zo
Ka mba nentim-po
Lasa sahisahy
Tsy manaiky ho babo mora
Ireto "Arivolahy"

Ririnin-dasa tsy tsaroana?
Tsy vaha-olana, hakamoana
Ny miara-dia hatrany
No mampandroso tany
Tsy misy nampandoha
Mihoatr' ilay filoha taloha
Ka mba meteza re...
Hanao bisous bisous...

Samoina
(18/01/2009)
novalian'i xxx ny 21/01/2009 13:20
2. Annie2006 ( 18/01/2009 19:32)
Filoha mivarotra tanindrazana izany tsy mendrika hajaina na mitondra firenena intsony e.

TSY MISY OLONA VOAHOZONA

Tsy misy olona voahozona,
Ho voafitaka sy hambakaina
Hiaritra ela ny taingombozona,
Akilio ny Zioganao


Ampy izay ny lasa niforetana
Ry nadevoizina hitraka
Tonga saina aho tsy hiverin-dalana
Hiavo-tena ho afaka


Na ho vy, na ho vato
Ny madinika Mandresy
Fa foin'i Zanahary
Hi antsika izao NY TANY


Na ho vy, na ho vato
Ny madinika Mandresy
Fa foin'i Zanahary
Ho antsika ny FANJAKANA
3. xxx ( 18/01/2009 22:12)
Aza mbola akoraina aloha fa eo ampanombohana ny tena izy isika izao.Jo hitanareo eny ihany ny fiovan-javatra @ manaraka.
4. dadasy ( 19/01/2009 02:42)
De niainga I Rainivoavy
Nisakelika vilany vy
Ary feno ovy
:°) :°) tsy efa mba mety koa ve le tononkaloko? na de hoe nindramiko aza?
5. ravatorano ( 19/01/2009 05:15)
ny tena tsy azoko amin 'ilay fitakiana anie dia izao e :
-efa tena lasan'ny koreanina marina v ilay tany satria ny fanjakana manizingizina fa mbola eo amin'ny sehatry ny fijerevana ilay dossie izao fa tsy mbola nanome alalana ry zareo hamarotra ny tany :!:
-ary naninona ny ministeran'ny paositra sy ny fifandraisan davitra ary ny serasera tsy mba nagataha'Ingahy Andry ny fialany nefa dia izy no nanakatona ny haino amajery izay mikatona amin'izao na nanakana ny fandaharana misy amin' ireny mba tsy ho vokarina fa naatony :?:
marina fa foin'i Zanahary ho an'ny vahoaka ny tany sy ny fanjakana fa saingy tsy maintsy misy ny mpitondra ary misy ny entina e !
6. ainaheri ( 19/01/2009 05:44)
ravatorano>> Aza mitadi izany fransizy @ rafanja zany oa,indrindra tsika kontinanta afrikanina,ny any @ tany mandroso aza mbola sahy mandainga @ vahokany kou,jereo fotsiny ireny ,refa misy tratran'ny terorista ny frantsay na ny angalisy sns,d sahy milaza ilay firenena fa navotsitry ny terorista izy,tsy nisy vola naloa,refa ela ny ela nefa mivoaka iany ny afera fa saingy tsisy tohiny ilay izy satria ain'oul no navotana.....
7. naughtyboy ( 19/01/2009 10:56)
Ireo mpitarika izay nitondra
ny vahoaka toy ny ampondra
Amin\'ireo tafiotra sy ny onja
dia ramatahora sy ny fonja

mpitaribato vilambava
@ fampanantenana efa rava
no naroso teny antava
ireo voafitaky ny pli-vava

ireo vahoaka mitofezaka
miandrandra manantena
ny mpitsetsitra mihosomenaka
na MAP io na boky mena

Ireo no fahavalompirenena
izay namingana ny tena
nangalatra an\'i Gasikara ambongadiny
ny harena,zo sy sata ary koa ny hasiny


kozy aloha fa tena ilaina
mijanona ary maka saina
tsy vitany miferin\'aina
ny tolona tsy maintsy ho vitaina

ny ho avy rehetra antenaina
sy ireo faniriana izay kasaina
dia i Gasikara no andrandraina
Tsy maintsy ahita ilay maraina...


8. ds ( 19/01/2009 12:03)
ravatorano:

ny tena tsy azoko amin 'ilay fitakiana anie dia izao e :
-efa tena lasan'ny koreanina marina v ilay tany satria ny fanjakana manizingizina fa mbola eo amin'ny sehatry ny fijerevana ilay dossie izao fa tsy mbola nanome alalana ry zareo hamarotra ny tany :!:
(...)

Efa misy tany vitsivitsy efa azon-dry daewoo any atsinanana sy andrefana any...
Ity manaraka ity nivoaka tamin'ny alakamisy teo :

"The process was ongoing, but it has suddenly been stopped because of media reports. Those reports have made Madagascan people very angry because it makes them ashamed for being a part of what they say is a neo-colonial system." http://www.telegraph.co.uk/news/worldnews/africaandindianocean/madagascar/4240955/Land-rental-deal-collapses-after-backlash-against-colonialism.html

Dika malalaka : "efa nandroso tsara ny fifanarana kanefa nampiatona tampoka noho ny tatitra an-gazety. Ireo tatitra ireo no nahatezitra be ny vahoaka malagasy izay nahatsiaro menatra ny ho voazanaka indray".

Misy fanambarana vao nivoaka koa ao ministeran'ny fambolena ( http://www.maep.gov.mg ).
Araka ny gazety, dia tamin'ny volana jolay ny fifanarahana no natao. Faraparan'ny volana novambra no nipoaka ny afera. Iray volana mahery taty aoriana vao namoaka io fanambarana io ny ministera. Izany hoe raha tsy nivoaka gazety ny afera, dia efa...:-)
9. lupe ( 19/01/2009 13:07)
Etin ny fitiavan'karena loatra dia lasa mivarotra tanindrazana!
Tena efa tsy izy intsony ity!
aleo mihevitra isika rey olona fa zava doza no ataony!
MAPiresaka fotsiny!



10. naughtyboy ( 19/01/2009 15:25)
nahoana ny zv lehibe mikasika ny fiainampirenena no tsy ampahalalana ny vahoaka 1 manontolo fa fampielezambaovao any ivelany no mitatitra azy ho antsika ,misotra manokana an\\\'i ds @ io vaovao ratsy io fa mba ahiratra @ izay ny saintsika nofafazana habobo teto hatrizay...
Raha ny lalana iraisampirenena dia \\\"traite\\\"no filaza azy io NEFA fifanekena antsokosoko nataony fitondrana t@ ireo fikambana iraisampirenena toa an\\\'i DAEWOO ahazahoany fahazahoandalana ampiasa na koa hanofa ampahany @ tanintsika @lalana manakery(effets juridiques)

-Ireo volavolandalana n° 14 – HCC/D3 du 7 octobre 2005 ao anaty lalampanorenana izay nolaniany antenimierampirenena sy antenimierandoholona mikasika ny fampindramantany ity(bail empytheotique)
no jerena dia 18 ka atr@ 99 taona no azo ampiharina izany izay angalany Fanjakana malagasy hofany isantaona mifanaraka @ vidintany mandrapahatapitry ny fifanarahana,ary miampy ny hetra tsy maintsy alohan\\\'izy ireo

Raha tsy ekeny vahoaka malagasy nefa izany na dia efa voasoniany ireo olomboafidy isankarazany dia mbola azo tsipahina @ alalany lalampanorenana indray eo anatrehany lalana iraisampirenena(droit international publique),io no antsoina @ actes juridiques oe logique \\\" horizontale \\\" ,raha tsy azavainy le8 mazava ny vahoaka ireo fifanarahana ampahany izay efa nekeny dia mazava ho azy fa fisandohana @ anarany vahoaka ilay fifanekena satria tsy ampahalalana azy ireo.....hitohy.....

11. Papoose ( 19/01/2009 16:08)
naughtyboy:

nahoana ny zv lehibe mikasika ny fiainampirenena no tsy ampahalalana ny vahoaka 1 manontolo fa fampielezambaovao any ivelany no mitatitra azy ho antsika


satria betsaka ary efa mateti-pitranga ny fifanarahana MASISO atao any ivelany, satria mihevitra ny mpanao fika masiso fa rehefa any dia tsy de kobo loatra! ka rehefa mamoaka ny gazety vahiny izay "matetika" milaza ny tena fandehany marina, de kaody sy mailo ary 8O ireo mpifika masiso!
Dia zay no mahatonga hoe betsaka ny any ivelany no manana doc ny resaka magouille ataon'le mpanao fika masiso.......fa ny olona tsy mahita an'izany moa dia mionona @ zay fandrirarirana sy filaza mahia sy matavy ataon'ny gazety sy tele sy radio isankarazany!


12. tsiafoi1 ( 20/01/2009 10:39)
Ka maninon anefa raha exploitena ny tany rehefa tsy hanao ny gasy e. Ny enti-manana tsy misy moa ny fahaiza-manao aotra!!!. De avela ho tany lavavolo lava eo foana ve izany??? Sady tsisy rendement ny fotoana anefa mandeha... Sa raha ny renimalala no mahalasa azy tsy maninon fa raha ny kelimaso manahirana?? Any angamba ny olana!!!


13. andrywui ( 20/01/2009 10:47)
mba manaova demande mangataka tany lavavolo ho karakaraina enao Malagasy ra ahazo eo , ary rah mahazo aza efa volosana manta vao omeny sombiny kely fa ra ny vazah na kelimaso na karana de tonga de misokatra hoazy ny robinet!!
aetry tsy avela hitraka ny malagasy sao mahita ny adalana atao ao ambony ao ao ka aleo mahantra faraidiny ihany na poretina mafy hangina vao misokabava fa zarina amin'ny fahantrana
14. naughtyboy ( 20/01/2009 12:06)
andrywui > izay ko less marina mintsiny,toetsaina ory hava-manana io...
tsiafo > tsy any no olana kah,samy tompony sy masimandidy @ io fananana iombonana io ny malagasy rehetra ka maninona no afenina sy atao ankilabao ny fifanarahana raha nisy na tsia ary toy ny ahoana avy :arrow: ireny ilay zo sy sata nesorina ankeriny @ ts1.1 fa atao tia kano tsy tia kano,misy lalana daholo nge ity tany ity na iza na iza izay mifehy ny zony rehetra,azo gadraina soa amantsara elah ra manao folaim na prezida aza...izay ho avy tsy ho ela
15. naughtyboy ( 20/01/2009 13:27)
Raha io resaka tany lavavolo nolazainy andry io no oh. kely resahina dia porofo mitohoka @ tenda satria ao anaty fehezandalana/legislation fonciere sy volavolandalana/institutionelle juridique-Plans Locaux d’Occupation Foncière (PLOF) izay ny Direction des Domaines et des Services Fonciers no mitsinjara ny fampiasana sy fikarakarana ireny tany ireny ary fenitra sy fanamby napetrak\'izy ireo ho an\'ireo manana tetik\'asa @ famokarana sy fambolena,zon\'izy ireo no mangataka fanampiana @ tetik\'asa famatsiana arabola @ fanjakana,inona nefa no sakana lehibe na dia manana kapitaly ampiasaina aza izy ireo ,ny tsolotra sy ny fanimbinana ny kely ananana
no antony ,izany rehetra izany dia manomboka aty @ birao kely ka atr@ faratampony...dia marina ilay teniny andrywui oe

\"aetry tsy avela hitraka ny malagasy sao mahita ny adalana atao ao ambony ao ao ka aleo mahantra faraidiny ihany na poretina mafy hangina vao misokabava fa zarina amin\'ny fahantrana \"

ka izay ve ilay politika tsy nampandroso ny sehatra rehetra hatr@ izay,ary mampihemotra ireo mpamatsy vola rehtra nefa mamporisika ny mpandroba ambongadiny ny fananana iombonana,ilay toetsaina mihitsy no efa mahantra
satria ny mpitarika(le8 sy ny TIKO...) no modely hitany rehetra toy ny mpamosavy malemy ka ny ao antrano ihany no aripaka,aiza ilay fitiavantanindrazana, isika irery ihany no afaka anarina izany mba tsy hamela vato ho sakafrony taranaka sy taningazana...

16. tataka ( 20/01/2009 14:08)
andrywui zani avi ami andry TGVendrana ?
17. andrywui ( 20/01/2009 16:09)
hoy i naughtyboy ==ilay toetsaina mihintsy no efa mahantra...mpamosavy malemy ny ao antrano iany no aripaka //// ra tena tia tanindrazana tokoa de ny ao atrano aloha no tokony arovana, vokisana tsara, omena zay sahaza azy, fa efa sady tsy manampy ny malagasy amity volabeny angalarina ankolaka no mbola manao ory havamanana iany ka ze mba manankarena kely mba niakatra sarihina hidina daholo!!! de marina ny an'i naughtyboy oe hamela vato ho sakafon'ny taranaka sy taningazana" ve isika??? ny valiny de mazava fa TSIA!! TSIA!!! TSIA
18. xxx ( 21/01/2009 13:20)
raha hanao fanalavana teny eto anie isika de lasa mifanebaka eto fotsiny e!! TGVendrana TIM == Tena Idiot Marina ...sns de innon no vokatsoa azo fa aleo ny hevitra ano andeha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0377