tsy fahazoana zaza

1. lionnelia ( 18/01/2009 12:28)
mba toroy hevitra 28ans efa niterak 1 aho tam 2007 saingy ny jour d'accouchement vao fantatra hoe tsy azo. taorian'izay de in-2 hafa-jaza, 1 volana mahery kely ilay afaka voalohany ; 2volana ilay afaka farany ka ilay afaka farany ity izao dia mampatahotra ahy mihitsy satria t@ 31/12/08 teo no nisy rà farany dia zao ndray manao hémorasie be omaly "17/01/09. mety tsy hahazo zaza intsony ve zah, na ko mety voan'ny cancer n'ny tranon-jaza satria tena hitako tena miha-kely aina; no reraka be. possible ve hoe mbola mety misy tavela ny placenta na hahitra no nahatonga ilay emorazy. inona no tokony ataoko. tam le vao afaka mantsy ity ilay farany de pil kely ilay fanalan-jaza ireny no nomen'ny dokotera tany @ Marie-stop tsy tadidiko ny anaran'ilay pil fa oy ilay dokotera hoe efa niongotra ity ozy ka alefa any anaty vagin ireto pil ireto. fa ny tena hataorako de efa tam decembre ny nisy ra farany de zao manao emorazy zao ndray. mba toroy hevitra. misaotra tompoko
novalian'i lepa ny 15/04/2009 06:13
2. Noue ( 18/01/2009 13:22)
ka io retsy tsisy afatsy ny mpitsabo ihany no afaka tena milaza oe zao sy zao ee! nefa moa sao dia nisy vavy efa mba tratran'zany teto ka aleo ry zareo no hilaza eee! dia mahereza hatrany retsy aaa ! dia aza hadino ny manaraka fivavahana lalandava ee!
3. titisoleil ( 18/01/2009 18:24)
manaoana,hitako ny hafatra napetrakao tao @ serasera,ny hafatra hapetrako aminao dia mandehana haingana any @ hopital aza mangataka andro intsony fa tena grave be izany emoragie izany!miteny anao izany aho satria je suis passer par la le fin d'année et je faillie laisser ma vie!bevohoka 10 semaines koa aho,dia nanao zaza antsosokoditra izany!bon courage et aza mangataka handro intsony!veloma!!!
4. elyzo ( 19/01/2009 10:03)
Torohevitra kely hoanao: tokony hanantona gyneco mitsy enao fa mety misy antony tsy ahazoanao zaza foana, mahatonga azy ho afaka foana io! Ary koa mety mahatonga izany hemorragie-nao zany! Izy mamapanao anao analyse sy fitarafana maromaro ahitana izay tena anton'izany sy izay fitsaboana azo atao aminao! Fa na izany aza, aza manary toky fa mety azo sitranina ihany izany!!
5. hana ( 19/01/2009 13:54)
miarahaba anao lionnelia
voalohany aloha, zavatra mpiseho ny fahafahan-jaza na dia tsy firesaka firy aza. Tsy midika izany fa tsy hahazo zaza intsony akory ianao. Araho tsara ny fitandremam-pahasalamana atoron'ny mpitsabo dia aza mihinan-kinana fanafody raha tsy ny mpitsabo mahalala tsara ny toe-batanao sy ny efa niainanao no manome. Mety hisy koa tsy fahasalamàna mahatonga ilay zaza ho afaka ho azy. Séléction naturelle, izany hoe, ny vatanao dia mahatsapa fa tsy arifomba ilay zaza dia apitiny. Fa ny mpitsabo ihany no afaka mahalala izay. Tsy maintsy atao curetage ny vehivavy avy afa-jaza. Na fara-faharatsiny jeren'ny mpitsabo fa tsy misy "potipoti-javatra" tavela intsony ao, mety hanelingelina aoriana.

Raha sanatria ka efa lasa ilay zaza, ny toro hevitra dia ny miandry 6-volana raha kely vao mikatsaka ny manaraka indray. Izany dia ny mba hiverenan'ny fahasalaman'ny taova rehetra ho @ laoniny indray, ho vonona tsara handray izay tonga aoriana eo.

Resaka cancer izany esory ao an-doha. Efa lavitra be ny lalana vao tonga @ izany. Mety hoe misy tsy fahasalamana ianao (taova tsy ari-fomba), mety koa hisy infection, azo tsaboina tsara. Fa tsy manakana ny hahazoana zaza izany akory. Ny mety ho maha-reraka be anao dia ilay rà mandeha mifanakaiky loatra, ny saina rahateo malemin'ilay fahavoazana teo.

Raha olona bevohoka indray no misy rà mandeha dia ny manatona mpitsabo haingana no tsy maintsy atao. Eo @ 2 volana eo hono no tena mora afaka ny zaza, indrindra raha efa nisy lasa taloha. Indraindray, avotry ny mpitsabo ihany @ alalan'ny fanaovana repos be. Tena tsy ankihetsika eo am-pandriana mihitsy raha tsy hisasa sy poritra. Anaterana sakafo eo aza fa tsy mitsangatsangana manao raharaha. Izany hoe mila olona manampy anao ianao: manome sakafo farafaharatsiny na tsy hanadio trano aza (avelao haloto eo fa ny zaza no zava-dehibe).
Ny atoron'ny mpitsabo koa rehefa misy ahiana toy izao, dia ny mifady rano sy zavatra mafana : tsy misasa @ rano mafana, tsy misotro rano mafàna na mihinana sakafo mafana. Tsy atao glacé akory fa ilay hafanàna tsy tian'ilay zaza tsy mipetraka tsara ka mety hanosika azy mivoaka. Hatr@ ny hoe ny kibo aza tsy fonosina hafana loatra.
Fadiana ny firaisana ara-nofo satria ankoatry ny havizanana mety ho azo, manohintohina ilay zaza ka mety hampipitika azy.

Mitrakà fa aza kivy fa ny vehivavy mila saina matanjaka. Dia mahazoa fara sy dimby araka izay ilaina. Ny Tompo homba anao

hana

:D :D
6. ikaretsaka ( 19/01/2009 14:19)
Manatona doko fa radoko ihany no mahalalany antony
7. lepa ( 15/04/2009 06:13)
asaivo manao test ny vadinao fa mety marary mety misy aretina
ny cousinako nanana cas mitovy aminao de notsaboina ny vadiny de nahazo ry zareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8903