Olana foana?

1. gasyjean ( 17/01/2009 15:12)
Fa inona marina izao mitranga ao Madagasikara ao izao ee? isaky ny manakaiky ve ny footona hifidianana mpitondra vaovao dia misy foana ny olana sy ny fikorontanana?, sao dia tokony handefasa miaramila avy any @ ONU i Madagasikara mba hampilamina ka ho tahaka ireo firenena miady sy be korontana, aiza ny demokarsia ee?.
novalian'i xxx ny 21/01/2009 09:57
2. lemenakely ( 17/01/2009 16:03)
Madagasikara dia tsy mitovy @ ireo tany afrikana ohatra : izay mifamono , mirongo fiadiana ,sns....

Tonga teto ny OUA ( Amarra Essi) t@ 2002 mba hanelanelana fa tsy nahomby ... N'entina tany Dakar , mbola tsy résolu ihany koa .


Resaka dialogue tsy ampy no olana eto , ary ny zava - misy matetika dia ireo olona manodidina sy ireo conseillers no mibaiko ny 2 tonta tsy mifankahazo eto Madagasikara...
3. xxx ( 19/01/2009 06:31)
Angamba tsaratsara raha omena ny deawoo ny tany izay ilainy ary soloina Korean ko ny filoha dia mety hilamina i Madagasikara.
4. penguin ( 19/01/2009 07:57)
Lazao ze marina ra-xxx fa an-kolakabe izy zany an ?
5. xxx ( 19/01/2009 08:37)
pinguin> Efa ho 50 taona izao no nahazaoan'ny gasy fahaleovan-tena.
Tsy nisy na iray aza FILOHA izay mba nankasitrahan'ny gasy teo hatramin'izay.
-Tsiranana, nahongana
-Ramanantsoa, voasavika dia nanipy gant
-Ratsimandrava, nogilevana
-Ratsiraka, nahongana
-Zafy, nahongana
-Ravalo ?????? ho ahongana koa angamba???

Raha atao ny jery todika dia ho hitanao fa tsy nisy na iray aza filoha gasy izay nankasitrahan'ny gasy . Tsy mahay mifanohana ny samy gasy. Mifampialona, miady seza sns...Asa na dia toe-tsaina efa raikitra na ahoana??? ka io no nahatonga ilay teniko feno fandatsana hoe "omeo ny deawoo ny tany dia soloy korean ny filoha".
Angamba mila fanjanaha-tany II ny gasy vao ho tonga saina.
6. ARINOFY ( 19/01/2009 08:52)
za alo de manamafy ny teninao ry xxx.Inona moa zao no anton'ny fanenenana fa tsy ny fampanantenana t@ ireny tolona t@ 2002 ireny?firy ny olona very asa tamin'ireny fotoana ireny.Koa mbola hanaiky ny tetik'ireo mpanao politika ireo indray ve isika ry malagasy?Tsy aleo ve miandry ny fifidianana manaraka ra tsy tia ny filoha.Ireo mpanao politika ao ambadiky ny tgv ireo anie ka olona mitady toerana daholo e!aza mandany andro mitokona rizareo fa fotoana tokony hitadiavana sakafo ve no holaniana any Ambohijatovo any?
7. xxx ( 19/01/2009 09:17)
Marina tokoa izany ry Arinofy fa aleo mitady sakafo nefa kosa dia hita indraindray fa na ny sakafo hotadiavinao aza dia tadiavin'ireo mpanao politika rombahana?
Amiko dia tsy ny gasy no vendrana fa ny ankamaroan'ny olona izay milatsaka sy mitono-tena ary mpilalao politika eto Mada no fositr'izao rehetra izao.
Ny ankamaroan'ireo mpanao politika gasy dia mpamahan-dalitra sy lainga ary manararaotra ny vahoaka avokoa hatramin'izao.
Mila olom-baovao manana ny fahamarinana sy vonona hiady ho an'ny vahoaka i Madagasikara.
Ny zavatra tsy azon'ny gasy dia ity:

Maro no miheritreritra ary tsy mahalala fa rehefa lany ho mpitondra izy dia mihevitra ny tenany ho toy ny mpanjaka. Hatrany @ fokotany ka hatrany @ filoham-pirenena io. Tsy izay anefa no tokony ho izy fa tokony ho toy ny SOLAFAN'NY VAHOAKA izy ireny satria dia nofidin'ny vahoaka izy ireny ary VOLAM-BAHOAKA no hanakaramana azy ireny mba hitantana ny firenena. ka izy Solafa indray ve no hangorona sy hivarotra ny fananan'ny patron???
8. andrywui ( 20/01/2009 11:29)
de ny olana anefa ny toetsainy tsy hanaiky hatao oe solafa zany izy fa miakatra ambony be otran'ny an'i Filoha ra8 zao io oe mitovy amin Obama aho zao ra mividy avion ho anahako fa afaka mizesta tsara, ka vao mietsika eo i patron de piouu! voatifitra any Tsiafahy
9. xxx ( 21/01/2009 09:57)
Ka ny rafitra (constitution) mihintsy izany no tokony hovaina. Be loatra ny fahefana ananan'i ngahy prezida dia manararaotra i lery ka mila balansy. Ary zo an'ny patron(vahoaka no mitaky izany).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6011