Tsy misy olona mahafolaka ny lela ....feno ody mahafaty !

21. niryna ( 22/01/2009 12:50)
niryna:


.. 4 Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay*, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay* [Heb.efa nampianarina] Isaia 50:4

ari-malala a tsy izaho no niteny an'io fa voasoratra ao anaty soratra masina dia zaraiko ,raha miteny hianao hoe niryna izany izao efa mahay ,tsia ,mizara no ataoko ,mbola mianatra toy ny rehetra koa aho ,ary mizara izay mba fantatro ho an'izay mandray .

ny nampianarina ahy izao dia hoe stop,listen and pray :arrow: izany hoe amin'ny zavatra rehetra atao dia mianatra koa aho hoe mijanona kely aloha fa tsy tonga dia mteniteny foana,mandinika kely aloha ,dia mihiano izay lazaina dia mivavaka izay vao miteny ary dia ampihariko amin'ny fiainako io fampianarana io ,andramo anie e,na amin'inona izany na amin'inona satria ny tenin'Atra koa manambara an'io rehefa alohan'ny hitorinteny ny mpitandrina dia mivavaka kely aloha ary miteny hoe omeo ahy ny fahaninao masina mba ahazahoako milaza ny fahamarinana ,tsy misy afatsy ny fahamarinana ao anatin'ny fahamarinana ary hilaza ny fahamarinana ....samy mbola lavitra ezaka io fa izay mino an'ilay Atra mahefa ny zavatra rehetra ,izay mino fa izay angatahina aminy ka sitrapony dia ataony tanteraka tokoa ary dia mino izany tokoa aho na dia tsy mora aza izany fanantanterahana azy izany
:-*
22. niryna ( 22/01/2009 12:51)
lupe:

dia ahoana ilay hoe ny marina rehetra tsy mba filaza!



ahoana tokoa ry lupe ?
23. niryna ( 22/01/2009 12:52)
prime:

ari.malala> Angamba tsy ilay nofo amin'ny mahanofo no tian'ny Soratra Masina resahana rehefa miresaka io adin'ny fanahy sy nofo io izy fa ilay filan'ny nofo (ratsy) mitondra ho amin'ny fahotana sy ilay asan'ny fanahy (tsara) mitondra ho amin'ny fahamasinana eo imason'Andriamanitra...

Somary HS aho fa ilay fanamarihana no mahatonga ahy hitondra fohy ireto... hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy :

"16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo

18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.


22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.


24 Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana."
Galatiana 5:16-24

Ny tenin'Andriamanitra tsy mampianatra ny mpino hankahala ny nofo, fa mananatra ny mpino hiady hanohitra ny filan'ny nofo izay mandrafy ny fanahy ka mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra raha mahatanteraka ny filàny...

Diniho tsara ny andininy faha-7 voalaza io ambony io dia ho tsapanao fa ny tian'ny olona hatao amin'ny ankapobeny no ataony ary izany dia manatanteraka ny filan'ny nofo... tsy sitrak'Andriamanitra izany satria mandrafy ny fanahy, ilay tena endrik'Andriamanitra feno nahariany ny tena mahaolona... ary izany no nanaran'ny Apostoly Paoly fa mila resena ny filan'ny nofo mba hanehoana ny asan'ny fanahy, izay sitrak'Andriamanitra...

Ny mpino tsy mahalala miady amin'ny filàn'ny nofo izany indrindra no anarin'ny tenin'Andriamanitra mba hiambina fa tsy mandeha ho azy akory ny filanjana ny hazofijalian'i Jesosy sy ny fanarahana dia Azy fa mila miady rehefa amin'ny fotoana rehetra, toerana rehetra, atao rehetra mba tsy ho lavon'ny filan'ny nofo...

Ny miady amin'i Satana sy izao tontolo izao dia efa ady goavana etsy ankilany, fa ny tena henjana aza dia ny miady amin'ny filan'ny nofo satria miraikitra amin'ny tena mihitsy ilay ady...


mazava tsara fa isaorana hatrany prime e
:-*
24. niryna ( 22/01/2009 12:56)
coopsal:

I Jakoba izany miteny hoe, tsy misy olona mahafolaka ny lela.
I Jaona nampilazain'i KRISTY fa ny mpandainga rehetra dia manana ny anjarany any amin'ny farihy mirehitra afo.
==> Impiry aho no efa nandainga? Manana ny anjara-toerako any amin'ny farihy mirehitra afo aho izany. Mora ny fitenenako azy aminareo eto an, fa rehefa tafasaina izany ao am-po dia tena mahatsapa amin'izay hoe tena marina ilay resaka, spirituellement perceptible fa tsy voazavan'ny vava.
Efa imbetsaka mihitsy aho no niteniteny foana, tsy ny vokatry ny tsi-fahalalako fotsiny, fa maro mihitsy ny vokatry ny fitiavana hiseho ho zavatra.
Ary KRISTY niteny hoe : "fa hampamoahina ny olona noho ny teny foana rehetra izay navoakany, fa ny teniny ihany no hanamelohana azy".
Imbetsaka aho no efa nanao fianianana kanefa tsy tanterako sy tsy marina akory, ohatra vitsy tamin'ireny :
- "Izaho dia manaiky marina sy mino, fa JESOA no Tompo sy Mpamonjy ahy"
- "Voavela ny heloko ary azoko ny famonjena"
- "hazoto hivavaka sy hamaky baiboly isanandro araka izay azoko atao"
Nanao promesses tamin'olona aho nefa tsy notanterahiko. Tsy dia voatery hoe tsy afaka fotsiny aho fa indraindray tena noho ny hakamoako.
Izaho ilay niseho nanameloka ny hafa ary avo vava ery satria tsy nety ny nataon'ireo, nefa kay izaho tato ambadika mba nanao tahaka ireny :
- Tezitra sy nanenjika ny mpijangajanga (nefa izaho mba mpi fantasme)
- Nanenjika ny mpisotro toaka sy ny mpidoroka (nefa ny jeu vidéo sy ny chat sy ny sakafo sy ny mozika, ny namana sy ny olon-tiana ho ahy dia lasa drogue mihitsy, famalifaliako ny tenako rehefa sorisorena aho ohatra na malahelo)
- Nanenjika ny mpanao fampianarana diso (kanefa izaho koa mba efa impiry no nanao fampianarana diso?)
- Nanenjika ny mpanao pirate sy mpanao kolikoly (nefa izaho tamin'ny asako tena mpanao pirate ary efa imbetsaka aho no voatery nanome tsolotra mba hahazoako zavatra iray heveriko fa tena important be ho an'ny fiainako sy ny hoaviko)
- Nanenjika ny mpanenjika
misaotra nizara e
coopsal:

Nivavaka tsara be kanefa tsy marina :
- "Misaotra anao Ray ô!" nefa tao am-poko tsy nisaotra
- "Mifona Tompo!" nefa ny foko tsy nifona sady tsy haiko akory hoe inona no hifonana, tsy niaiky akory ny heloko aho
- "Hatao anie ny sitraponao!" nefa ny sitrapoko no niriako fatratra ary nataoko rahateo

Fantatro ankehitriny fa hadinina amiko daholo ireny na dia hodiako fanina aza tsindraindray. ary voasoratra tsy lavitra an'io versets ny apocalypse nolazain'i Niryna io fa voarakitra anaty boky daholo ireny rehetra ireny, ary hotsaraina amin'ireny aho.

Fa voasoratra ao ihany koa anefa, fa izay tsy hita ao amin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanakondry, ny anarany dia hatsipy any amin'ny farihy mirehitra afo izy.
izay no antony izarantsika eto fa mety mandalo ny mitovitovy izany koa ny hafa ka .
ccopsal:

CONCLUSION : raha ny actes-ko (na t@ fihetsika na tamin'ny fihevitra na tamin'ny fiteny) dia condamné ho any amin'ny afobe aho. Kanefa misy avotra ho ahy : raha misoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako.
raha mino azy ho tompo sy mpamonjy aho dia ho voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarako ka ,toy izany koa isika rehetra fa tsy izaho irery
coopsal:

Izay ny ahy ry zareo.
Tsy izaho irery no hotsaraina toy izany fa ny olona rehetra. Asa ianareo raha tsy nanao na dia ny sasany monja amin'ireo nataoko ireo. FA raha nanao na dia iray monja amin'ireo aza ianareo, dia hampamoahina, ka ny lalan-tokana dia ny hanananareo ny anarana voasoratra ao anaty bokin'ny fiainana an'ny Zanakondry ihany.




:D
25. ikaretsaka ( 23/01/2009 02:35)
Tsy ny finoana ny tompo no maha voasoratra ny anarana fa ny fanatontosana ny sitrapony...tia azy.ary tia sy manao soa ny mpiara belona (namanao tahaka ny tenanao)....
Ary Ny hananana ny fiainana mandrakizay dia ny fihinanana ny nofony sy. Ny fisotroana ny rany

Amiko raha ny 1 @ ireo no mipika de efa bye. Ahoana no asahianao miteny fa mino Azy nefa Izy ohatra miteny fa tena fisotro ny rany ary tena fihinana ny vatany... tsy inoanao? Ary noteneniny sy natorony mazava hoe ITY ny vatana... ITY ny ra...

26. ari.malala ( 23/01/2009 05:40)
izaho ao ambony ao:
fanontaniana, iza moa i niryna no afaka hahalal izay ato antsaiko na afaka hitsara ahy hoe mpino aho na tsy mpino? fa tsy efa voasoratra va fa "aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo"????? ka mba lazao ahy kely, inona no porofo entin'i niryna anamarinana fa izaho ari.malala dia tsy mpino??? mila valiny matotra azafady. Misaotra.


Maninona io ry niryna no odiana fanina fotsiny? miandry valiny azafady, misaotra
27. niryna ( 02/02/2009 04:16)
fahamarinana:

niryna:
Tsy hoe mahavariana fa manohitra foana no olana amin'i ari-malala, tsy maninona izany ka ,izay ilay izy safidy io

:arrow:niryna :aza raisina hatrany hoe manohitra i ari.malala .Isika rehetra rehefa tsy mahita fahazavana amin'ilay dinika dia fomban-javatra no manontany. satria azo raisina ihany koa hoe liana ahazo fanazavana hafa na te ahafantatra kokoa.....izaho koa retsy mba anisany a !:-* (l)



:D
28. niryna ( 02/02/2009 04:27)
ari.malala:

[quote=izaho ao ambony ao]fanontaniana, iza moa i niryna no afaka hahalal izay ato antsaiko na afaka hitsara ahy hoe mpino aho na tsy mpino?
tsy mitsara aminao aho ka,naq mino hianao na tsia dia hianao ihany no mahalala azy ka,raha mangetaheta ny tenin'Atra isika dia efa fantany koa izany ka,
fa tsy efa voasoratra va fa "aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo"?????
anjaran'ny tsirairay no maka ny hevitr'io satria ny marina mandratra ka rehefa voalaza sy tenenina ny marina ny olona dia io teny io foana no teneniny
ka mba lazao ahy kely, inona no porofo entin'i niryna anamarinana fa izaho ari.malala dia tsy mpino??? mila valiny matotra azafady. Misaotra.
dia ianao ihany no aoka amaly azy fa tsy Atra aho ka ilaza izay ao am-ponao .Fantatrao ny tiako ho tenenina ary tsy hiady hevitra ny diako eto na tsy mifanaraka ny hevitro koa aza ny anao fa ny mizara ny tenin'Atra izay ihany ,izay mandray tsara arahaba soa ,izay tsy mandray efa ho azy ny azy ka anjaranao no mandray na tsia

Maninona io ry niryna no odiana fanina fotsiny? miandry valiny azafady, misaotra

tsy mody fanina aho fa mizara no ataoka ary dia izay ,tsy ho voatery amaly izay tsy tiako ho valiana aho satria mandeha any amin'izay tsy izy ny resaka ary dia aleo mangina

:-*
29. ari.malala ( 02/02/2009 05:52)
manohitra foana no olana amin'i ari-malala

mba teneno kely hoe taiza hoaiza no nisy zavatra notoheriko betement tsy misy argument azafady. Misaotra mialoha.

MIvavaha kely aloha raha vao mamaky ilay tenin'ATra ary mangataha ny fanahy masina mba anazava aminao sy mba ahatonga anao ho mpino tokoa izay voalaza

Io teny nataoko gras io no tiako tenenina hoe iza moa ianao no mahasahy miteny fa izaho ari.malala dia tsy mino na tsy dia mino??? io no ilàko valiny. Ary moa ve hitanao ny ataoko sa iza ianao no hibaiko ahy amizay ataoko???
ny marina mandratra ka rehefa voalaza sy tenenina ny marina ny olona dia io teny io foana no teneniny

Sanatria tsy mandratra ahy mintsy akory izay lazainao! sanatria! sanatriaviko! ianao no mahasahy mitsaratsara olona amin'ny tsy misy antony! hatr@ Fiangonan'olona avy sahinao tsaraina ho tsy misy Fanahy Masina!! Fa iza moa ianao no sahy mitsara na misy Fanahy Masina ao na tsia? miseho maka ny toeran'Andriamanitra anie ianao izany e!

tsy Atra aho ka ilaza izay ao am-ponao

Fantatrao izany ko inona no antony itsaratsaranao na mpino aho na tsia? affaire entra anà ari.malala sy Andriamanitra izany! ny hevitrao no tokony tohananao fa tsy hoe rehefa tsy mifanaraka amizay tianao akory ny hevitro dia iny ianao fa hiseho hitsaratsara ahy ho tsy mpino! Olona tsy mifankahalala izaho sy ianao, tsy fantatrao akory na manao akory ny fiainampanahiko na manao akory ko ianao no sahy hiteniteny hoe mba hahatonga anao ho mpino tokoa... fa angaha izy ity ranona tsaratsaraina @zao ftsn a!

tsy ho voatery amaly izay tsy tiako ho valiana aho
He izany avonavona!! nefa b tsimpona ery!!! aleo anie azafady tsy manafintohina fa hainao tsara anie hoe "loza hoan'izay iavian'ny fanafintohinana" e!!! teny atsipy hoan'ny manampanahy!
30. ikaretsaka ( 03/02/2009 16:18)
valio azafady :-D
na mitazoma jiro masina :-D
31. niryna ( 03/02/2009 17:01)
ari.malala:

manohitra foana no olana amin'i ari-malala

mba teneno kely hoe taiza hoaiza no nisy zavatra notoheriko betement tsy misy argument azafady. Misaotra mialoha.

MIvavaha kely aloha raha vao mamaky ilay tenin'ATra ary mangataha ny fanahy masina mba anazava aminao sy mba ahatonga anao ho mpino tokoa izay voalaza

Io teny nataoko gras io no tiako tenenina hoe iza moa ianao no mahasahy miteny fa izaho ari.malala dia tsy mino na tsy dia mino??? io no ilàko valiny. Ary moa ve hitanao ny ataoko sa iza ianao no hibaiko ahy amizay ataoko???
ny marina mandratra ka rehefa voalaza sy tenenina ny marina ny olona dia io teny io foana no teneniny

Sanatria tsy mandratra ahy mintsy akory izay lazainao! sanatria! sanatriaviko! ianao no mahasahy mitsaratsara olona amin'ny tsy misy antony! hatr@ Fiangonan'olona avy sahinao tsaraina ho tsy misy Fanahy Masina!! Fa iza moa ianao no sahy mitsara na misy Fanahy Masina ao na tsia? miseho maka ny toeran'Andriamanitra anie ianao izany e!

tsy Atra aho ka ilaza izay ao am-ponao

Fantatrao izany ko inona no antony itsaratsaranao na mpino aho na tsia? affaire entra anà ari.malala sy Andriamanitra izany! ny hevitrao no tokony tohananao fa tsy hoe rehefa tsy mifanaraka amizay tianao akory ny hevitro dia iny ianao fa hiseho hitsaratsara ahy ho tsy mpino! Olona tsy mifankahalala izaho sy ianao, tsy fantatrao akory na manao akory ny fiainampanahiko na manao akory ko ianao no sahy hiteniteny hoe mba hahatonga anao ho mpino tokoa... fa angaha izy ity ranona tsaratsaraina @zao ftsn a!

tsy ho voatery amaly izay tsy tiako ho valiana aho
He izany avonavona!! nefa b tsimpona ery!!! aleo anie azafady tsy manafintohina fa hainao tsara anie hoe "loza hoan'izay iavian'ny fanafintohinana" e!!! teny atsipy hoan'ny manampanahy!

-----------------------------------------------------------------------------------------
mivavaha hoy aho ,izaho ,hianao ,ny rehetra vao miditra ,fanampiana nolazaiko foana io na amin'inona na amin'inona ataontsika dia mila mivavaka daholo isika rehetra ,izay no atao hoe vavaka toram-po .
andramo raha mbola tsy nanandrana ,raha efa nanandrana moa dia izay izy izany


:-*
32. niryna ( 03/02/2009 17:02)
ikaretsaka:

valio azafady :-D
na mitazoma jiro masina :-D



:-* :-*
33. ikaretsaka ( 03/02/2009 17:08)
ny fanontaniana valiana moa ry niryna a
ary tsy hoe miaro an'i ari aho fa inoako fa mpamonjy lamesa lavitra noho ianao izy
(anton'izany dia nihomeehezanao fotsiny aho raha nampitazona anao jiro masina anikeheo.. nefa tsy fantatrao akory hoe naninona na inona ny antony nampitazomako anao jiro masina izao ohatra :wink: )
34. ari.malala ( 04/02/2009 05:15)
niryna, izany angaha no nampianarina anareo hoe rehefa misy manontany d aza valiana ny fanontaniany fa avadiho sy valio boraingona foana? :-D :-D :-D ts d fombako loatra le "mijoro vavolombelona" mieboebo @ izay ataoko, fa Andriamanitra irery no mahalala na mivavaka aho na tsia! tsy voatery hitantara aminao izay ataoko koa aho! d tsy anjaranao no mitsara ahy na mibaiko ahy @ izay tokony ataoko! Ampy angamba izay!

ika ;) za manana 3 b zao hihihi! am zomà koa izao mbola hahazo ray vaovao ;)
35. ikaretsaka ( 04/02/2009 21:34)
:wink: ari...izay manko

Fa za ni rater zoma 1 de miverina indray ny isa :cry: anyways
36. ari.malala ( 05/02/2009 06:47)
ika, enao aza mba afaka mamerina fa za tena ts afaka tsony mints! :cry: :cry: ts maints hitady trano eny Mamasina iany d amizay mba akaiky d mande isanandro amizay
37. ikaretsaka ( 12/02/2009 01:10)
Ari. Nga tena dezaka be izao... ny ahy aza etsy ambany etsy fa le izy koa te hita hoe ilaina fandavantena dy manampy @ fandaminana pro. Indraindray ianao tsy mahatadidy hoe zoma volou androany... fa izay koa no hitako avantagen ilay antsika...manampy @self motivation koa ilay devotion

By the way..ND Lourdes androany
38. ari.malala ( 12/02/2009 05:39)
Ika, tena lasa dezak e! mila miainga am 5:30 maraina raha t hahatratra am 6 nefa ny tany aty ts milamina, raha ny hariva za mirava am 6 nefa ny lamesa natomboka am 5 vokatry le tany tsy milamina! pff!! kivy ratsy mitns za! nefa mino aho fa hitan'i Jesoa izay intention ako izay e! ;)
39. ikaretsaka ( 12/02/2009 06:41)
Mino koa aho....

Ny Atra inoantsika koa tsy mi forcer fa mi conscientiser e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0436