ny afobe izay lazainy Bill wiese

21. prime ( 13/01/2009 12:04)
sylvain:
prime misy bandy namako zay tsy mba miangona zany mihitsy fa zao no lazainy tamiko hoe rehefa manao tsara fotsiny aloha hono d efa sur fa tsy lasa any @ afobe, d nolazaiko lery diso zany fa ilaina ny miresaka @ jesosy!
... Misaotra fa mazava tsara... izany ambaranao izany tokoa dia efa dingana lehibe... miresaka hoy hianao, ary mifandrohy amin'ny lazain'ny soratra masina izany... fa ny tena nolazain'ny soratra masina dia ny hoe : "izay mino (an'i Jesosy) sy atao batisa (amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina) no hovonjena"...

Ny tsara ho fantatra ary marina rahateo dia izao, tsy natao ho an'ny olombelona ny farihy mirehitra afo sy solifara na ny afobe na ny foiben'ny haizina na ny fahaverezana mandrakizay fa natao ho an'i Satana sy ny devoly ary ny anjely marobe nanaraka azy... zavatra tokana no angatahan'i Jesosy dia ny hoe "minoa Azy (Jesosy) dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao"... ary izany finoana an'i Jesosy izany no lalana tokana idiranao any am-paradisa... :)
Mirananirina:
Aleo ho hendry tsara fa sao lasa any aminy afobe eo.
... Tsy amin'ny fahendrena na ny fanaovana asa tsara eto amin'izao tontolo izao no hahavoavonjy anao fa ny anaran'i Jesosy sy ny finoana ary ny fanekena Azy irery ihany... :)

Mahereza...
22. niryna ( 13/01/2009 17:54)
sylvain:

rehefa manao ny tsara zany aloha ve d sur fa tsy lasa any!
tahaka ny ahoana izany manao ny tsara izany ? toa rehefa mino ny anaran'ilay kristy ka manaiky azy ho tompo sy mpamonjy azy amin'ny fony iray manontolo,mino azy fa zanak'Atra izy ,mino azy fa tonga nanafaka ahy sy hianao tamin'ny ota sy fahotana izy ary mino ny fitsanganany tamin'ny maty ,mino koa fa mbola ho avy izy haka ireo olona rehetra izay mino azy ka izany hoe mino Azy amin'ny fo manontolo dia tsy mandeha any knou,
fa raha hoe manao ny tsara dia tsy mandeha any ,ireo tsy manaiky azy ho Atra araka ny voalazako eo ambony anie manao tsara koa e ... dia andeha ho aiza izany ireny ?


23. coopsal ( 15/01/2009 16:08)
rehefa manao ny tsara zany aloha ve d sur fa tsy lasa any!

==> Eto an-tany anie dia efa azo jerena izany e. Ndeha ataoko hoe olona tena nanao ny tsara foana ianao teo amin\'ny fiaraha-monina, fa indray mandeha ianao nahatsiaro leo dia tafateny vava ratsy tamin\'ny olona. Moa ve ampy handehananao tsy misy tsiny eo amin\'ny fiaraha-monina izay tsara rehetra vitanao? Indray mandeha izay tsaroako niresaka ilay zokilahy izay : \"Ianao na inona na inona ataonao rehefa amin\'ny fotoanan\'ny fahoriana ianao no tsy hitan\'ny olona présent dia lazain\'ny olona fa tsy manao adidy e!\". Ary zava-misy io. Koa raha eto an-tany aza dia efa hitanao ny hoe \"fandio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka\", hanao ahoana rehefa hita any an-danitra ny lotom-panahinao rehetra ?

Ho menatra ianao ... raha tsy hoe angaha misy fitafiana manarona ny fahamenaranao. Ary KRISTY izay fitafiana izay, izay hozaraina rehefa miverina IZY hitsara ny velona sy ny maty.

niryna:
mino koa fa mbola ho avy izy haka ireo olona rehetra izay mino azy ka izany hoe mino Azy amin\'ny fo manontolo dia tsy mandeha any knou

==> Ary hoy IZY hoe : \"Indro avy toy ny mpangalatra aho, sambatra izay mitandrina ny fitafiany mba tsy hiseho ny fahamenarany\" [apokalypsy 16:15]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.064