Filaharana eny @ ambassade : exception africaine et malgache

1. badboy ( 08/01/2009 16:24)
Raha ohatra misy milahatra eny @ ambassade matetika, dia satria misy manafika ny firenen'ireo milahatra (oh : filaharan'ny palestinianina eo anoloan'ny ambasady jiosy) na koa misy fihetsika politika ataon'ny firenena isian'ilay ambassade tsy mety ataon'ilay firenena mandray ilay ambassade (filaharan'ny sinoa eo anoloan'ny ambassade chinois mba tsy hidiran'ny frantsay @ adin'ny sinoa sy ny tibetain)!!

Hafa tanteraka noho izay no mitranga rehefa ny afrikanina na ny gasy no milahatra satria milahatra eo anoloan'ny ambassade-ny izireo mba hampisehoana fa miady antrano ny ao aminy!! Tsy dia manaitra loatra ilay izy raha dinihina fohy satria mampiseho ny tsy fifaliany izireo na koa manohana ny olona pôlitika iray!! Kanefa rehefa jerena akaiky dia ny zavatra tena angatahana ao anatin'ilay filaharana eny anoloan'ny ambasady dia ny fanohanan'ilay firenena mpandray ilay ambasady!! Ny tena dikany izany dia iangaviana ilay firenena mpandray mba handray anjara ao anatin'ilay ady antrano malagasy ka hitsara sy hampitsahatra ilay izy!! Izany hoe ny malagasy samy malagasy tsy afaka ny handamina ny korontana misy ao aminy fa tsy maintsy mila an'i renimalala lalandava!!

Mamplahelo ny mijery ilay zavamitranga, isika malagasy mbola mila tantanan'i lafrantsa renimalala fa raha tsy izany dia tsy hisy zavatra milamina mihintsy!! Porofon'izany ny nitranga t@ naneken'ny frantsay andRavalomanana ho filoha dia izay vao nanaraka ny firenena rehetra!!

Dia raha ampitahana @ fianan'ny firenena israelianina izay mankalaza ny faha60 taona nisiany, dia tena mbola any anaty lavaka isika malagasy!!


:evil: :evil: :evil:
répondu par Fanjaibe le 08/01/2009 19:41
2. Annie2006 ( 08/01/2009 17:02)
hajaina ny fomba fijerinao. Izany anefa tsy midika fa marina ny anao. ary tena diso aza raha lazaina @ fo tsy miangatra.
Malagasy tsy manaiky lembenana intsony no hilahatra eo anolonan'y ambasady. Ambasady no solotenan'ny fanjakana malagasy any ivelany ka rariny loatra raha eo no hanaovana ny filaharana.

Mifanipaka anefa ny lazainao raha @ hoe "exception africaine" satria toa mitovy mihitsy ny antony hilaharan'ny olona rehetra eo anoloan'ny amabasady raha toa ka ny zo, ny hasina, ny maha izy azy ny firenena no hitsakitsahin'ireo mpitondra fanjakana azy.

Ka raha mahita "excpetion" ianao amin'izany, dia anao izany. Kanefa na tianao na tsy tianao hilahatra hanohitra io olona mamono firenena sy vahoaka io ny malagasy any ivelany @ asabotsy.

"Exception" @ anareo angamba ny mihevitra fa dondrona dolidoly ireo izay malagasy mba sahy miaro ny tanindrazany mba tsy ataon'ny mpitondra (izay lasa adala) varoboba @ vahiny.
3. Fanjaibe ( 08/01/2009 19:41)
Ka ny hevitra aloha tera-bary samy mamosaka izay ao am-pony.

Izahay aty an-tanindrazana anie efa voafatotry Ra8 tongotra aman-tanana e

Izay mba miteny kely na mahatohina ny zavatra atao dia Mandrangaranga hery sy mampitahotra no ataony

Soa fa nisy anareo afaka MAMPISEHO izany any Paris

Misaotra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0491