13 janvier 2009: misy ifandraisany @ 13 mai 1972

1. Bocassa ( 07/01/2009 16:27)
Efa malaza be fa tsy honohono tsony ny hanombohan'ny grève générale @ talata 13 janvier 2009
Nilaza mantsy ny adjoint au maire fa mbl miziriziry @ heviny iany ny fanjakana mikasika ilay fanakatonana ny VIVA TV. Tsy manaiky iany kou ny fanjakana ny @ hananganana ireo kianjan'ny demokrasia izay kasain'ny CUA hatao. Miha-henjana indray zany ny tady eo @ fanjakana sy ny ekipan'Ingah TGV. Izay no nahatonga ny fanapaha-kevitra hentitra naroson'ny TGV fa hanao fitokonana faobe izy ireo na antsoina kou hoe grève générale. Nomarihiny anefa fa ao anatin'ny fahendrena tanteraka izany. Azo antoka fa tsy maintsy ho eny @ kianjan'ny 13 mai indray no hanaovana ny filaharana. Izany no mahatonga ny daty ho 13 janvier 2009.
Misy ifandraisany tanteraka araka izany ny daty 13 mai 1972 sy ny 13 Janvier 2009. Samy 13 e!!!!
Fanontaniana mipetraka: ho vitan'ny Mlagasy v ny hiaina ao anaty grève indray??
novalian'i TWING ny 10/01/2009 11:55
2. kidoropamba ( 07/01/2009 19:51)
Tsy maintsy trongisina ity levalo ity fa efa tsy misy resaka maro intsony izao.

Fanontaniana: Ho vitan'ny Malagasy v ny hiaina ao anaty greve indray?

valiny: Soa hoa azy ny mbola afaka miaina ao anaty girevy SATRIA raha tsy hanao izany izy dia TSY HIAINA INTSONY IZY satria an'i Daewoo sy ny forongony ny tanindrazanao.
Mba sokafo ny saina, jerevo lavitra fa aza mora omena zava mahadomelina lazain' xxx iny e.

Raha mbola afaka manao girevy ny gasy @ zao fanambakana mahazo azy izao dia MIHAINA IZY IZANY. Fa @ izao varoboba ny tanindrazana, jejojejo @ raopilany kanefa ny gasy tsy mihinan-kanina, ny gasy gadragadraina tsy amin'ny antony, ny antsonjay tsy voatanisa....RAHA TSY AFAKA manao girevy intsony ny gasy, DIA EFA TSY MIAINA IZY IZANY FA EFA olona maty saina, maty loha, maty fanahy KA MANARAKA AMBOKONY sahala @ ganagna @ izay olona miompy azy.

MITSANGANA RY TANORA E.
3. penguin ( 08/01/2009 06:47)
Vonoy ny baolina ary ééé. Aza ampitoviana ny salaka sy pataloha fohy na silipy sns. Niara-taitra ny maro an'isa t@ 1972 ka sahala izay vééé izao ?
4. naughtyboy ( 08/01/2009 07:08)
ilaina foana ny fanehoankevitra itarafana ny demokrasia ka manohana tanteraka ny tenanay :lol:
5. penguin ( 08/01/2009 07:30)
Tena tsy sakanana no tsara amin'ny rehetra fa hita mivandravandra eo foana ny tsy mahafaty baolina. Adalan'izay manakatsakana fa vao mainka manome autoroute ny mpifanandrana izany. Tairo ary ho jerena ry zanety=naughtyboy ééé
6. xxx ( 08/01/2009 08:19)
Mba tadidinareo moa izany 13 mai izany ? miverena krly ny saina fa izay te hanaraka izany 13 janvier izany koa demandehana , fa tompnandraikitra voalohany i TGV , fa raha @ resaka fampandrosoana inona moa no mba zavabitan'i tgv sy izay programany DJ amboarina ny lampan'ny tanana , moa ve @ areo mampandroso ny olona monina ao antaninarivo ve izany , ary raha i TGV de tsy mba mandeha afatsy eo analakely angamba , zaho nefa olona dondrona tsy nianatra fa mahita hevitra mahasoa ny ol antananarivo sy mampivelatra azy fa za tsy hiteny fa sao hangalana tahaka fa avela samy ho hitan'ny havany eo
7. kidoropamba ( 08/01/2009 08:51)
ny fanotaniana: Inona no nahatonga ny vahoaka hiala an'i levalo ka hanatevindaharana ireo izay manohitra azy? Jamba ve ny vahoaka ka tsy mahita ilay fiadanana sa ireto mpitondra no tena jamba ka tsy mahita ny fahasahiranan'ny vahoaka ?

Etseketseho hoa. Tairo any ivelany any, avelao hanaovanay azy eto Iarivo.
8. bozyboleta ( 08/01/2009 09:25)
De iza no mbola hininana am-bolony @ zany grève générale zany?
Miasa aza minenomenona ho tsy mahita harapaka, de hi-grève indray ve vao hihinana inn?
Mba resaka matotra no hanaovana grève fa tsy ze resaka TV problem an'olombitsy. Mitondra soa inn ho an'ny vahoaka izany?
Mbola tsy ampy ihany ve ny arnaque natao ho anareo @ ty resaka tanora ity e! Pingapinga ery mifidy tanora nefa refa raikitra ny lalao goaika antitra fotsy volo sy ketron'andrina sy retirety no ampilalaovina.
9. xxx ( 08/01/2009 09:53)
higrevy indray izany hanala an'i ra8 dia ry tvg sy ny arema ry zafy no haverinao eo dia hoe hidinana ny fidimpiainana sy lasa handroso be i madagascar ???????
10. penguin ( 08/01/2009 09:55)
Aleo hamono baolina ho jerena f'aza sakanana. Tsy maha-daka baolina vééé no hatahorana sa tiana hofanina sao mahafaty tampoka.
11. kidoropamba ( 08/01/2009 10:39)
Izay te hijanona amin'izao toe-javatra izao dia mahazo mijanona. Fa izahay kosa dia hitrongy ilay mpivarotra tanindrazana nividianana raopilanina ho azy hanaovana madaraid sy tour dE mondY.

na ho faty tampoka na tsia, tsy olana fa ny Tanindrazana tsy maintsy tandroina tsy ho viravirain'ireo izay mpivarotena ka mivarotra tanindrazana @ vahiny be devizy.

JEHOVAH! JEHOVAH! lasa izy ity e
12. penguin ( 08/01/2009 14:00)
Efa mitapy ka manonononompoana ny anaran'ny AVO.
13. TWING ( 10/01/2009 11:55)
tsy dia ny fanokafana ny VIVA no tadiavina fa sao dia diso i TGV fa ny ahafahana mamoaka hevitra ohatran izao ataontsika zao e.

Andramo kely oe ity sujet ity ao @ TVM.

tonga dia betsaka no tsy mila antenne fa VCD DVD no mandeha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0866