sombiny reo zvmiafiny tontolo marolafy faha-5

1. naughtyboy ( 07/01/2009 15:35)
tsy inona akory fa ilay antsoiny vozongo oe 5e dimension mahavarina tokoa reo herintsaina avo lenta toy ny psychokynesis , telepathy , meduimship,remote viewers(ampiasainy CIA,FBI,MOSAD..) na dadarabe vozongo .. fa nisy sombina vidaka ho zaraina tony,ankafizo
http://www.youtube.com/watch?v=sDW0qgYyUeo
ary ito elana tsiny fa teny anglisy daoly
http://www.youtube.com/watch?v=mRAzyWIItTk
novalian'i xxx ny 30/01/2009 16:29
2. orona ( 10/01/2009 13:09)
ra gasy d minomino foana 8-)
3. naughtyboy ( 11/01/2009 08:21)
orona marina no miresaka fa tsy ny atidoha ka tsy mahagaga =)) :-$
fikarohany aratsiansa ny vazaha izy io ra tsy diso aho fa tsy gasy ary tsy mbola nisy niteny mino2 foana na tsia :-@
4. Herimiafina ( 11/01/2009 16:34)
Ary ahoana ry naughtyboy ilay resaka WEB BOT iny? Nampiasaina tamina resaka Bourses saingy lasa nihitatra hatrany amin'ny resaka hoe fara-andro amin'ny 2012. Lazain-dry zalahy fa efa anisan'ny nahitana ny zava-nitranga tamin'ny 11 sept 2001 hono io logigiel io. :roll:
5. naughtyboy ( 12/01/2009 13:13)
slt H.M , ao anatiny le antsoina oe trendy hi-tech izy io ,
Anisany vokatra notazany mpikaroka ao @ CIA,FBI sy ireo space station samihafa ity WEB BOT project ity talohany nidirany t@ fampianarana izay hany fomba aratsiantifika 1 ahafahana maminavina zv marobe mety hitranga @ ny ho avy sy ny lasa...mifototra @ web crawler angovo manodina ny world wide web @ fifangaroana aramatematika,algorithm sy ireo tahiry lavitrisa(database)
Ahoana mo izany no fomba fiasany izy io arateknika ra tsy iditra lalina loatra
-ra miainga @ teny tarigetra 1 ho zahavina ny momba azy rehetra(lasa,ankehitrio,ho avy) oh. de maka eo @ 2048 bytes io le antsoina web bot io ka mandefa azy @ foibe fanangonana tahiry/central collecting point avy eo de mivondrona ho 100 GB avy atrany ny habeany ary voasivana avy atrany @ alalany lasitra 7 karazana ao anaty prolog ary mitarika vokatra antsoina oe intellicad.Io voa haitao io/core technology de miandrona avy eo (antsoina oe entities) ka levona ka miova tsikelikely ho andalantsoratra...
Dia lasa manome ny faminavinana ny ho avy ny oh. voalohany nomeny t@ zany de ny 09/11, ao ko le horohorontany 04, fisondrotry ny rano zay niafara t@ tsunami, hurricane kathrina 05 ,ary fahamontsanany dolara @ tsenampirenena 08...azo lazaina fa nahomby reo zv hitany izy io na de tsy marimpototra 100 % aza.

6. naughtyboy ( 13/01/2009 08:39)
ra fintinina izany de logiciel izy io farany izay matanjaka @ probablite maths sy logics ka afaka manome vinavina mety ho marina @ zv miseho..
7. xxx ( 30/01/2009 16:29)
Mananatra anao ihany aho fa ny Malagasy efa nomena fanomezam-pahasoavana fa tsy ny hadalan'ny vazaha no tokony hitokiantsika!

Miala tsiny indrindra.

Manatona an'i JESOSY dieny mbola hita IZY


Am-panetren-tena tanteraka no ilazana izao ho an'i Andry amin'ny maha-tovolahy tanora fanahy azy ka mety tsy mahalala izay miandry azy. Dieny mbola misokatra ny fon'i Jesosy hanatonanao Azy dia fotoanany izao. Ny fanahinao no mahatonga ahy rahalahinao iray RA aminao mananatra. Adinina amiko izao raha tsy miteny aho.

Vetin-dresaka entina hatrany hamolivolena vahoaka ny hoe hotsarain'ny tantara. Nefa iza no tokana afaka hitsara? Jehovah no hitsara fa tsy ny tantara. Miantso ankehitriny ny ran'ireo maritioran'ity atao hoe tolona lavabe tsy mety vita eto Madagasikara ity (tamin'ny andron'ny maritiora krisitiana ka hatramin'izao). Efa tamin'ny herin-taona no mitaraina ny ran'ity tany ity satria fantatra izao ny mamono azy fa ny Devoly. Ny Malagasy nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana no afaka mahatsapa io antson'ny RA io. Vita izao ny fitokisana amin'ny ody sy ny sampy ry zareo mikotrika korontana ankehitriny. Fantatrareo ny miandry anareo satria ny devoly no nanaovanareo fanekena. Devoly efa resy no mbola mitady arangaranga eto amin'ity tany ity. Hananatra anareo anie Jehovah! Tsy manome tsiny ny nofo malemy aho sanatria satria nofo malemy koa aho sady mpanota tsy mendrika ny hiteny sy hitsara saingy ny maha-rahalahy iray RA no tsy maintsy hitenenana fa tsy mandry ny fanahin'ny tena.

Samy mahalala ny tontolon'ny fanahy fa Jesosy no Mpanjaka ary hotsofiny amin'ny fofon'ain'ny vavany Satana ho any amin'ny helo maharitra mandrakizay. Ankehitriny aza afenina izany. Aza mbola apetrakareo eo amin'ny 13 Mai eo hatrany ny mariky ny ota entina hanota fady ny FAHAMASINANA mampijoro ity FIRENENA VOAFIDIN'ANDRIAMANITRA ITY. Io faty eo io dia isan'ny fanotana fady an'Andriamanitra Tokana sady Marina. Lazaina fa tovolahy be fitiavana nefa natao maritioran'ilay devolinareo. Efa ela ny hoe apoahy ny sarom-bilany mbola afenina ihany ankehitriny. Andron'ny Fahazavana anie izao ary tsy misy takona izay tsy hita. Mihiratra ve ny masom-panahinao ry Andry TGV sa tsia ankehitriny? Sa hatao sorona koa ianao? Ho lasa SG an'ilay Devoly fo roa ve ianao? Io no paradisa nampanantenainy anao? Tsarovy fa "tsy misy afaka hanompo tompo roa dia Andriamanitra sy ny vola". Niditra tamintsika ny ota ry olombelona satria ny hafatr'Andriamanitra Ray namorona antsika tsy hihinanana ny voankazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy no voahitsakitsaka noho ny fitak'i Satana. Mbola tsy fotoana tokony hihinanana izany i Adama sy Eva no nofitahin'i Satana amin'ny fakam-panahy hitovy amin'Andriamanitra. Dia izao ataon'ny olona te-hanandrantena izao tsy misy valaka. Toy izao tsy fankatoavana raiamandreny izao tsy misy valaka. Filoham-pirenena anie voahosotr'Andriamanitra e! na boka io na madio ahafahany hatrany mitsapa ny vahoakany e! Miangavy anareo hanaja azy.

Ankehitriny miangavy anao aho handanjalanja izay lazainao rahampitso sy ny rehefa avy eo. Miangavy anao aho hivavaka sy handohalika eo am-pototry ny Hazo Fijaliana hibebaka. Harato misokatra ho anao izao lazaina izao mba hiverina fa tsy hatao intsony izao mpirahalahy mifamono izao. Jehovah anie mahita anao e! Mbola tia anao Izy matoa misokatra izao teny izao. Aza raviravizana amin'ny vola sy harena ny fanahin'ny olona fa izao efa manjo azy izao aza efa mampalahelo. Ireo izay maty mbola tsy mahalala an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy izao efa tsy fidiny satria efa fantatra fa any amin'ny Helo avy hatrany.

Nolazainao hatrany hatrany moa fa ianao sy ny sainao, fa tsy misy politisiana no anaovanao izao tolona izao. Koa raha mbola tonga ny feon'ny fieritreretana ao aminao dia mbola tsy tara izao. Miangavy anao hivavaka amin'Ilay Andriamanitra Tokana sady Marina sy Jesoa Kristy efa nirahiny hamonjy ny fanahintsika olombelona.

Miangavy anao hamaky ny Mpanjaka Faharoa toko faha-5. Hananatra anao anie Jehovah ary hiaro anao.
Amen.

Ialana tsiny ialàna fondro raha taratasy misokatra no atao satria entina manarato ireo izay mbola manamafy fo koa izao. Dia ireo olona rehetra nivavaka ny Rainay izay Any an-danitra tsy tamin'ny fony sy ny fanahiny manontolo tamin'ity fiandohan'ny taona ity.

Aoka hovahana hatramin'ny fakany ity zava-mitranga ity ry Firenena Malagasy.

Misaotra tompoko.

Ilay mpanota tsy mendrika no mitondra ny hafatra ary mbola ialana tsiny raha misy mahatafintohina ny teny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2505