Fa maninona isika no tezitra indraindray ?

21. prime ( 09/01/2009 13:58)
mirananirina:
Avy aiza ny ota hoy ianao?Fahotana daholo izany miampy fahatezerana ny sasany,ka tsy voatery ho tezitra vao manota.Mangalambadin\'olona ohatra=ota.
Ny famonoana= tezitra kosa aloha vao mamono ee!
... Tsia ry mirana an... ny ota dia nisy ny nihaviany fa tsy avy amin\'ny fahatezerana (ota fototra nataon\'i Ad. sy Ev. sy ny fahotana avy amin\'ny filan\'ny nofo ary ny fitaka avy amin\'ilay rain\'ny lainga hatramin\'ny voalohany)...

Izay rehetra manohitra sy mandika ny tenin\'Andriamanira dia manota avokoa... tsy ny fahatezerana no mahatonga izany fa ny filàna sy ny avonavona ary ny tsy finoana...

Ny olona mety tezitra, Andriamanitra mety tezitra, ny fanahy mety tezitra... fa ny teniny ihany no mananatra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy : \"Tezera, fa aza manota ; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.\" Efesiana 4:26

Tsy fahotana no sady tsy ota ny fahatezerana ary tsy fototry ny ota sy ny famonoana ary ny herisetra rahateo fa toetra \"normal\" mety miseho amin\'ny rehetra... fa rehefa lavon\'ny fahotana ny olona ao anatin\'ny fahatezerana vao mety ho tonga amin\'io famonoana na herisetra tianao ambara io...

Ny famonoana dia fahotana no sady vokatry ny fahotana, tsy avy amin\'ny fahatezerana fa avy amin\'ny filàna ihany (fitsiriritana, fialonana, otripo, tsy fitiavana, fihatsarambelatsihy, fieremana, fitsitokoana, fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fandrafiana... araka ny voalaza ao amin\'ny Galatiana 5:1-21) ary eo no antony ampitandreman\'ny tenin\'Andriamanitra mba hadio ny fo mandrapahatongan\'ny masoandro milentika (andro maizina na fahafatesana na fotoana voafetra mialoha) satria raha vao miotrika ny fahatezerana dia mety hitarika amin\'ny filàna ka tonga fahotana rehefa lavon\'ilay filàna torintoronina ao anaty...

Mety hisy tokoa ny olona lavo amin\'ny famonoana sy ny herisetra avy amin\'ny fahatezerana niotrika ka tonga fahotana... fa ny maro aza dia vokatry ny filàna no mahatonga famonoana fa tsy ny fahatezerana loatra... (fanendahana, vonoolona noho ny vola sy harena, fangalaram-badin\'olona hamonoana ny tompom-bady sns)
22. coopsal ( 09/01/2009 13:59)
Niryna:
Rahoviana anefa no tsy maninona raha tezitra ?
Ary rehefa tezitra isika inona no tokony hiezahana tsy atao ?

==> Mety manontany ianao angamba hoe "inona no tena marina absolue ambaran'ny baiboly mikasika ny fahatezerana" ?
Ndeha aho mba hilaza aminao izay fahafantarako.
Kristy niteny hoe "na iza na iza tezitra amin'ny rahalahiny dia tahaka ny namono olona"
Faharesen-dahatro manokana : tsy manan-jo velively ho tezitra amin'ny rahalahiko aho na inona antony na inona, satria na izaho aza dia mba manana izay ataoko eo anatrehan' Andriamanitra. Ary izay no mahameloka ahy.

Zavatra inévitable anefa hoe misy zavatra atao na tenenin'olona dia tezitra aho, ary ny mahagaga ahy dia ilay akaiky ahy indrindra (rahalahiko) no mahatezitra ahy indrindra rehefa manao izay heveriko fa tsy araka ny tokony ho izy (fa tsy dia ny hafa loatra).

Nisy fotoana aho nitady fika hoe : aleo mba tsy atao tratry ny masoandro milentika. Fa eeeee! Impossible ho ahy ny hifehy hoe rehefa manomboka milentika ny masoandro dia iny fa aleo tsy hanao tezitra, fa raha vitako izany dia vitako ny tsy tezitra na dia vao miposaka aza ny masoandro.

Conclusion 1 : impossible ho ahy ny tsy ho tezitra eny fa na dia rehefa milentika ny masoandro aza!

NY faharoa dia hoe : inona no tsy tokony hatao? "aza manota". Fa ao amin'ny vie pratique, tsy possible mihitsy hoe ao anaty fahatezerana aho ka tsy mitarika ahy amin'ny fahotana ny faniriako rehetra : mila manala ny fahatezerako aho. Mety ho vitako ny handefitra jusqu'à N fois (N fini), fa ho avy ny fotoana ho feno ny boatin-drakitry ny fahatezerako ka tsy maintsy havoaka daholo, ary amin'izay tonga dia fahotana goavana no atao.

Conclusion 2 : Impossible ho ahy ny tsy hanota rehefa tezitra

CONCLUSION : Ho ahy ny tian'ireo verset ireo ambara (réveler) dia hoe : impossible ho ahy ny hanao ny sitrapon' Andriamanitra ka tsy hanota.
23. prime ( 09/01/2009 14:35)
Samihafa ny fampianaran'i Jesosy amin'ny fifandraisana amin'ny rahalahy sy ny olona rehetra... ny fahatezerana amin'ny rahalahy dia tena zavadoza mihitsy raha eo amin'ny fiainan'ny mpino... toy izany ihany koa ny amin'ny fiainam-pinoana mahakasika ny fifamelan-keloka eo amin'ny mpirahalahy...

Isaorana coopsal nampiditra ity resaka fahatezerana amin'ny rahalahy ity... Tsy miresaka momba ny mpino samy mpino Jesosy raha niresaka fahatezerana sy fifamelan-keloka im-77 fa niresaka mpirahalahy iray tampo mihitsy... eo indrindra no antony tena mila itandreman'ny mpino ny amin'ny tsy tokony hahatonga fahatezerana amin'ny rahalahy na ny rahavavy na ny anabavy na ny anadahy, indrindra fa raha tsy mino ireo satria miantoka famonjena fanahin'olona mihitsy izany... hoy indrindra Jesosy : "Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo." Matio 5:22

Ny samy mpino dia efa voaanatry ny Tompo ny tsy maintsy hifamelana... fa ny amin'ny fahatezerana amin'ny rahalahy dia tena zavadoza tokoa satria mitarika fahamelohana mihitsy ho an'ilay mino, no sady hitarika fahaverezana rahateo ho an'ilay mahatonga fahatezearana na iharan'ny fahatezerana (rahalahy)...

Mbola nohamafisin'ny tenin'Andriamanitra mihitsy aza izany manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy :

"Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra izy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny." I Jaona 3:10

"Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?" I Jaona 4:20

Koa mila miambina ry havana isany... ahoana tokoa moa no iresahana eto amin'ny serasera hoe tiako hianareo rehetra mpisera eto (mety azo raisina ara-panahy ho rahalahy avokoa) satria nampianarin'ny Tompo ho amin'izany aho nefa any an-trano any, any an-tanàna any, any ambadika any, eny mety any am-piangonana any mihitsy aza, misy rahalahiko iray rà amiko aza tsy tiako sy mifandrafy sy tezitra amiko na mahatezitra ahy noho ny antony maro dia maro???

Miambena, miambena...
24. prime ( 09/01/2009 15:27)
Ny zavatra mitoetra dia tsotra ary izao rahateo no lazain\'ny Soratra Masina amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Tezera, fa aza manota ; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.\" Efesiana 4:26

Tsy mifanohitra akory ny tenin\'Andriamanitra fa sady masina no marina no tanteraka... ka manambara fa tsy fahotana ny fahatezerana...

Ny amin\'ny fiainam-pinoan\'ny tsirairay indray dia an\'ny tsirairay iny araka izay fifandraisany amin\'i Jesosy na tsia sy araka ny fifankazarana Aminy... azo ambara fa fahendrena ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin\'Andriamanitra ara-bakiteny ka tsy hanamelohana tena raha sendra misy fahatezerana indraindray... fa ny tenin\'Andriamanitra dia mananatra ny tsy idirana amin\'ny fahatezerana araka izay azo atao nefa tsy manameloka izay tezitra kosa (afatsy ny amin\'ny rahalahy izay tena fahamelohana tanteraka) fa mampitandrina ny tsy hanotàna... :)
25. Mirananirina ( 09/01/2009 18:03)
"Tezera, fa aza manota

Hitanao izany,rehefa tezitra dia manota avy eo:tsy ota izany ireto aminao:mamono olona,matetika aminy fahatezerana no hamonoina olona.Ka ny baiboly no manakana hoe aza manota rehefa tezitra.
fa tsy fahotana ny fahatezerana...

Izaho anie tsy miteny hoe fahotana ny fahatezerana,fa rehefa tezitra dia manota avy eo:mamosavy,mamono,mandratra,manimba zavatr'olona,mamaly faty,sns...
Ary avy aminy fahatezerana daholo ny fanaovandratsy rehetra mazàna .ka rehefa manao ny ratsy dia manota amiko
26. mia ( 09/01/2009 18:06)
Hoy i Noue>tapaka aloha ny tsinaiko eeee ! dia hifaliana daholo zany ve ny zavatra rehetra miseho ???? hifaliana daholo na mety na tsy mety ny zavatra mahazo na mitranga aaa ??? dia ahoana zany ary ee ??? fahasambarana tsisy oatra zany angamba eto an-tany ooooo


Dia mifalia foana mandrakariva ary e, fenoy hafaliana ny fo n'inon'inona mitranga fa izay anie ilay paix intérieure ananan'ny mpino e!rehefa misy fitsapana, na épreuve ka mivoaka mpandresy amin'izany sedra izany dia mpandresy ianao izay fa tsy resin'ny ratsy!!
Samihafa mihitsy ny fandraisan'ny olona iray mino sy manara-dia an'i KRISTY ny zavatra mitranga iray sy ny réaction'ny olona hafa manoloana tranga iray!
Ny fahatsapako manokana izany no anisan'ny naharesy lahatra ahy hoe manana tombony ny kristianina tena converti ary nahasarika ahy hamantatra hoe inona ary no tena secret an'ireny olona ireny?? Tsotra kay ny valiny mahery mihoatra lavitra an'izao tontolo izao Ilay nekeny hitoetra ao aminy
27. Mirananirina ( 10/01/2009 12:39)
Izaho toa hoatra ny tsy mety tezitra na voadaroka foana aza.
28. prime ( 12/01/2009 10:44)
Mirananirina> Tsy systematika ny manota rehefa tezitra... izay no nambarako fa tsy mandiso ny nambaranao velively... :)

Averiko indray, tsy ny fahatezerana no mitarika ny famonoana olona sy ny mosavy sy ny herisetra sns... fa ny filàna, ary ny filàna no miteraka fahotana dia ny famonoana olona sy ny herisetra...

Eo no mila halalininao araka izay voasoratra ao amin'ny soratra masina... :)

fanamarihana : Tsy ny baiboly no mandrara ny tsy handehanana amin'ny fahotana sy ny famonoana olona fa Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy araka ny didy X izay nomeny... ny baiboly dia boky, fa ny soratra masina no mirakitra ny tenin'Andriamanitra ka mandrara ny zavatra rehetra mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra... :)
29. Mirananirina ( 14/01/2009 16:11)
Averiko indray, tsy ny fahatezerana no mitarika ny famonoana olona sy ny mosavy sy ny herisetra sns... fa ny filàna, ary ny filàna no miteraka fahotana dia ny famonoana olona sy ny herisetra...

Tsy mandiso ny hevitrao koa aho,fa amiko miampy fahatezerana matetika vao manota fa tsy filàna akory.
Ary mbola averiko indray fa tsy ny fahatezerana rehetra no ota,fa ny sasany.
Lazainao fa tezitra Andriamanitra=tsy ota izany
Tezitra aminy zanakao ianao fa maditra izy=Tsy ota izany,sns..........
Tezitra amiko ianao=tsy ota,tsy manota ianao.
Tezitra Ralay dia mamono andrasoa=ota izany amiko satria mandika ny didy 10 n'Andriamanitra:Aza mamono olona.
Famosaviana=ota,fahotana.

Tokony tsy ho hisy ny fitsarana izany fa tsy manota ny olombelona fa filàna.Zavatra tiana atao ve dia fahotana???????Filàna ny nofo ohatra.Manota daholo isika an!!!!!!!!!!!!!!!
Tokony tsy hisy koa ny fitsarana aminy farany,fa tsy manota isika fa filàna daholo.
30. prime ( 15/01/2009 11:05)
Mirananirina> Mino an\'i Jesosy ve hianao??? (tena fototry ny resaka ifanaovantsika ny ho valinteninao eo...)

Toy izao no lazain\'ny tenin\'Andriamanitra amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.\" Jakoba 1:15
Ka diso ve ny tenin\'Andriamanitra raha miteny izany?

Tsy misy teny mampianatra na dia iray aza ao amin\'ny Soratra Masina manao hoe, ny fahatezerana no miteraka ota na miteraka fahafatesana... noho izany dia tsy fampianarana avy amin\'Andriamanitra izany ary mila iverenana vakiana tsara...

Ary mbola nohamafisin\'ny Apostoly Paoly izany ka nilazany mazava tsara hoe :
\"Fa fahafatesana no tambin\'ny ota;...\" Romana 6:23
Sa diso koa ny fahitanao izany tenin\'Andriamanitra izany? tsy misy ihany koa ao amin\'ny Soratra Masina mampianatra hoe ny ny fahafatesana no tambin\'ny fahatezerana...

Tsara lavitra aloha miverina manatona an\'i Jesosy hianao dia atorony ny antony sy ny fototra rehetra ka tena amantaranao ny sitrapony... fa manjary izay fahafantaranao azy no raisinao ho fahamarinana fa tsy ny tenin\'Andriamanaitra...

Mazotoa hatrany... :)
Mirana:
fa amiko miampy fahatezerana matetika vao manota fa tsy filàna akory.
... Tsia, tsy marina izany... ny tenin\'Andriamanitra tsy mampianatra an\'izany... hevitra tokoa dia hajaina... fa manasa anao aho hamaky ny bokin\'ny Romana toko faha-7 manontolo
Mirana:
Ary mbola averiko indray fa tsy ny fahatezerana rehetra no ota,fa ny sasany.
... Tsia, diso koa izany... efa averina aminao fa sady tsy ota no tsy fahotana ny fahatezerana araka ny lazain\'ny tenin\'Andriamanitra...
Mirana:
Tezitra Ralay dia mamono andrasoa=ota izany amiko satria mandika ny didy 10 n\'Andriamanitra:Aza mamono olona.
... Mila mamaky ny Soratra Masina hianao fa hafa mihitsy ny atao hoe ota na fahotana... sady tsy fahatezerana no dikan\'izany no tsy avy amin\'ny fahatezerana rahateo...

Efa nolazaina anao fa Adama sy Eva dia tsy ny fahatezerana no nahatonga azy ireo hanota tao amin\'ny saha Edena voalohany ka nahatanteraka ny atao hoe ota fototra...

Tsy ny fahatezerana no mahatonga ny fahotana fa ny filana... raha tsy fantatrao mihitsy ny atao hoe filana dia ho tafajanona ao amin\'ny hevidiso hianao ary tsy hitondra soa ho anao akory na ny fandraisanao anjara etoana aza satria miziriziry amin\'ny fahadisoana hianao...

Raha te hahafantatra ny sitrapon\'Andriamanitra hianao ka te-higoka ny fiadanana sy ny fifaliana ao amin\'Andriamanitra dia mila manetry tena ka mivonona hiatrika ny fahamarinana sy ny fahamasinan\'Andriamanitra feno ary manaiky hamboarin\'Andriamanitra amin\'ny alalan\'i Jesosy nanaiky ho faty hisolo ny helokao...
Mirana:
Famosaviana=ota,fahotana.
... Ka famosaviana va = fahatezerana???
Mirana:
Tokony tsy ho hisy ny fitsarana izany fa tsy manota ny olombelona fa filàna.Zavatra tiana atao ve dia fahotana???????Filàna ny nofo ohatra.Manota daholo isika an!!!!!!!!!!!!!!!
Tokony tsy hisy koa ny fitsarana aminy farany,fa tsy manota isika fa filàna daholo.
... Ny tenin\'Andriamanitra dia milaza mazava fa ny filana torontoronina no miteraka ota... averina fa tsy maninona ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Jesosy manao hoe :

\"Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.\" Jakoba 1:15

Ka hevitra avy aiza no mahatonga anao miteny hoe rehefa ao amin\'ny filana ny olona dia tsy manota??? dia inona no idiran\'ny fitsarana tokony hisy na tsy hisy???

Inona no atao hoe fahotana amin\'i Mirana??? (atoro hianao fa mety tsy fantatrao tsara tokoa angamba)

Ny atao hoe fahotana dia izay rehetra atao, heverina, sainina, kasaina nefa mifanohitra amin\'ny sitrapon\'Andriamanitra...

Ary ny sitrapon\'Andriamanitra voalohany sady lehibe indrindra dia ny \"finoana an\'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy\"... Izay rehetra tsy mino Azy na iza na iza dia mbola mitoetra ao amin\'ny fahotana...

Ny sitrapon\'Andriamanitra lehibe faharoa dia ny fihainoana sy ny fankatoavana Azy... (tsy mila iadiana hevitra akory izay lazainy fa sady ekena no marina) ary ny ahafantarana Azy dia ny teniny sy ny hafany ary ny fampianarany... Izay rehetra tsy mihaino sy mankato Azy dia mbola mitoetra ao amin\'ny fahotana...

Ny sitrapon\'Andriamanitra lehibe fahatelo dia ny fanatanterahana ny asany... ny asany dia izay nanirahan\'ny Ray Azy ka anirahany ny mpino Azy rehetra ihany koa... izay tsy manao ny asany dia mbola mitoetra ao amin\'ny fahotana ihany koa...

Ny sitrapon\'Andriamanitra lehibe fahefatra dia ny fitiavana Azy sy ny fitiavana ny namana ihany koa... izay rehetra tsy mitoetra amin\'ny fitiavana dia mbola ao amin\'ny fahotana ihany koa... ary ny didy rehetra dia didim-pitiavana, ka izany no mahatonga ny fandikana ny didy ho fahotana...

Aza ovana ny tenin\'Andriamanitra... ny didy tianao tsipihina manokana dia ny hoe : \"Aza mamono olona\" Eksodosy 20:13... fa Andriamanitra tsy niteny didy hoe \"aza tezitra\"... sa niteny izany Izy???

Izany no mahatonga ny olona tsy mety tanteraka satria na ny milaza ho mpino Azy aza dia tsy mahatanteraka feno ny sitrapon\'Andriamanitra... ka mbola manota ihany koa (fa tsy mpanota)... ka izay manota dia tsy hoe tezitra na avy amin\'ny fahatezerana... (tsy averina intsony)

Maneke amboarin\'Andriamanitra rehefa misy tsy azo fa aza miziriziry amin\'ny fahadisoana rehefa atoro fa tonga tsy mitondra fahasoavana ho anao izany...
31. niryna ( 15/01/2009 16:47)
misaotra betsaka prime a fa tena mazava be ny fanazavanao ilay fahotana sy ilay fahatezerana :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0437