Tonga amin'izany tananA letsy aho a

1. malala1 ( 06/01/2009 09:29)

Nalaina tao @ http://www.madagascar-tribune.com/Nahazo-tso-drano-avy-any-ivelany,10611.html

Tonga i Andry Rajoelina
Nahazo tso-drano avy any ivelany
mardi 6 janvier 2009, par Penjy R.
Imprimer cet article Enregistrer au format PDF envoyer l'article par mail title=

Tsy misy antony tsy hamahan’ny fanjakana ny fitakiana izay napetrakay. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina manoloana ny fitakiana izay tsy maintsy hilam-baliny hatramin’ny 13 janoary ho avy izao.

Raha nigadona teto an-tanindrazana tokoa ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina, dia nanambara fa nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro tany ivelany. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny eto Madagasikara no anton’izany fihaonana izany. Ny rivotra azo tamin’izao fialantsasatra izao, ary ny tso-drano azo. Fantatra tokoa fa samy nitso-drano azy avokoa ny ankamaroan’ireo olona nihaona taminy tany Paris. Isan’ireo ny mpitondra teo aloha.

Ny asa tsy arahim-bavaka hono tsy mahomby, koa araky ny efa nambara teto, dia tsy maintsy atao ilay fotoam-bavaka lehibe etsy Ambohijatovo ny alahady tolan-kandro ho avy izao. Hiarahany amin’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka io.

Fantatra fa tsy hihemotra amin’ny fitakiana izay efa napetrany ingahy ben’ny tanàna, ary efa vonona ny hanohana azy avokoa ireo mpanara-dia azy.
répondu par dadabe le 07/01/2009 10:36
2. kidoropamba ( 06/01/2009 11:16)
Hisaorana ingahy ben'ny Tanana fa tanora sahy mijoro hoan'ny tanindrazana. Ny hafa mantsy dia variana matahotra jadona ka aleony milelaka an'izany toy izay hanohitr'azy.

Maha te hidera ny toy izao ataon'ingahy ANDRY TGV izao. tadidiko ny hankingako taloha raha mijery azy.

Raha mitohy izao antsonjay mihatra aminao izao ry ngahy ben'ny tanana dia manome toky anao aho fa hitsangana izahay miaraka amin'ny elo sy ny angady ka hiaro anao amin'izao hetraketraka mahazo anao izao.

Hisaorana koa ianao @ fotoam-pivavahana ataontsika @ 11 janoary izao. Ho tonga alohaloha aho @ izay mba mahazo toerana ery alohaloha ery.

Ho tahin'Andriamanitra ange ity Tanindrazantsika ity mba tsy ho lasan'i sinoa kiry maso avy any Daewoo fa hoantsika malagasy tsy vaky volo ihany.
3. xxx ( 06/01/2009 14:20)
ny anarana oe Jesoa sy Jehovah dia tsy sahin'ny sasany tononnina akory ka ataovy bedebe amin'io 11 janvier io fa ho lefy ny Odiny(taiza enao nahita azy niteny ireo anarana ireo) fa nom commun no fanaony iny mety daolo atao andriamanitra na vato aza fa raha Jesoa na Jehovah zany tsy mivoaka ny vavany fa bedin'ny Pacte Satanik(zay manatsaina aoka handinika)
4. kidoropamba ( 06/01/2009 15:58)
izaho koa nahatsikaritra an'izany. Ndao ary fa hitondrako megafAony ery ambohijatovo @ 11 ka hikiaka be izahay hoe: Jehovah! trongiso izy ra-jehovah.

sana tena milay izay ka. (l) (l) (l) (l)
5. penguin ( 06/01/2009 16:20)
Tokony ho avy ny mpanao gazety hampita izany kidoropamba hiantsoansto ra-Jehovah izany.
6. dadabe ( 07/01/2009 10:36)
kayy l e ao zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1143