ZANATANY , ZANATSAINA

1. benasy ( 05/01/2009 14:43)
ZANATANY ANGLISY SY ZANATANY FRANTSAY

Moa ve tsikaritrao fa ireo zanatany Anglisy no matetika misongadina kokoa manoloana ireo zanatany Frantsay : indrindra eo amin’ny lafiny , toe-karena, sosialy, toe-tsaina….

Jereo ange ireo antsoin’ny mpahalala azy hoe “petits dragons” é !
Moa tsy mananontanona am-baravaran’ny vahoakan’izy ireny ve ny fanambinana, ka mitady làlana handosirana kosa ny fahantrana sy ny tsy fahombiazana?

Jereo kosa etsy anila ireo zaza navelan’i Reny malala fa zara mahavelon-tena; azo adika tsotra hoe : Mananontanona am-baravaran’ny firenen’izy ireo kosa ny fahantrana sy ny tsy fahombiazana ….Tsikaritra miha tonga miha tonga ny fahantrana.

Tahaka ny hoe : miala tsikelikely any amin’ireo zanatany Anglisy ny fahantrana, fa mifindra lasy tsimoramora aty amin’ny zanatany Frantsay.

Iza avy moa amin’ireo “petits dragons” ireo no zanatany Frantsay fahiny? Firy amin’ny firy ?

Ny kolon-tsaina sisa no azon’ireto farany sarangotina… ka hanamparana ny hany azony atao…Io aza efa mitsipozipozy mba tsy hilazana hoe miala aina ny antsika Malagasy …

Menatra aho indray andro, raha tafaresaka tamina mpizahatany nilaza ankitsirano hoe : « je ne vois que des individus qui veulent faire l’amour » mantsy ireo mpandihy amin’ny hirantsika!!

Ny tenintsika aza moa efa tsy hita horaisina intsony atsy ho atsy fa valalan’alika no iafarany.

Tsy lasa lalina loatra ny fandinihina nataoko, ka azo lazaina fa maivana….
Fa mahavalalanina kosa raha namakafaka misimisy kokoa io voalazako io ianao !
:roll:
novalian'i benasy ny 15/01/2009 11:11
2. Andribe ( 05/01/2009 20:13)
Ny eritreritrao kosa angamba no lasa loatra ka,Jereo tsara fotsiny fa raha ny tena marina dia misy inter-dépendance marobe tsy ahafahana mihetsika firy raha ny resaka kiolitiora no jerena ,misy olona any Mada efa nahatsapa izany rehetra zany taloha ary efa niova hevitra tanteraka @ izao fotoana izao.Na dia t@ andron'ny mpanjaka ireny azy dia efa ahitana taratra izany,ny fampiasana tafondro ,basy ,soavaly sns tsy voatanisa .Misy politika economique tsy maintsy arahin'ny mpitondra isantsokajiny ohatra raha ny ao @ tany mampiasa ny teny frantsay no tianao ho lazaina .Obligations d'etat no filazan'ny gouvernement administratif azy, dia misy ohatr'izany ihany koa ny ao @ commenwelth ,fa misy nuances maromaro kely fotsiny ,ny principe dia mitovy ihany.Jereo fotsiny anie ny isan'ny olona nifanerasera t@ Mada hatr@ izay nisiany e dia halalino @ izany ny hoe mety ho toekarena sy politika tokony hananana ;anjarantsika tsi11 no mamaritra hoe hatraiza no fetra mety hahazakana izany.Tena betsaka tokoa ny zavatra tiana ambara momba izany ,ary na hivadika ho lanitra aza ny tany dia mino aho fa tsy hofoana velively izany toe-javatra izany..manana finoana fotsiny dia handeha ho azy io. :!: :!:
3. naughtyboy ( 06/01/2009 08:54)
mitovy hevitra @ benasy .iza no firenena matanjaka indrindra sy tsara rafitra @ reo zanatany hatr@ zay ny zanatany anglisy mazava oazy..
4. xxx ( 06/01/2009 09:16)
Ilay loha-teny no tena milaza ny marina fa tsy ilay fanadihadina ataon'i benasy. Satria, ahoana re olona no toa sahinareo no milaza fa iry fanjanahana iry tsara kokoa no iretsy fanjanahana iretsy. Rehefa fanjanahana dia zavatra ratsy izany. Manarak'izay, amin'ireto zanatany anglisy tianareo dia ry zareo nanjanaka ange no mitondra ny tany sy ny fanjakana e! izany hoe mbola voazanaka hatrimin'izao ny tompo-tany na dia miroborobo aza ilay toerana (ka inona no tsara amin'izany??). Ny any amin'ny zanatany frantsay kosa dia ny tompo-tany no mitondra ny firenena (izany hoe ny tompo-tany no tsy mahay mitantana fa tsy ny frantsay mihitsy). Ka ajanony any leretsy ty fampitahana zavatra ratsy ataonareo ity.
5. naughtyboy ( 06/01/2009 13:23)
asina famakafakana ny hevitra sy ny voalaza fa tsy oe refa fanjanahana de ratsy ry xxx... ratsy @ ahoana azavao arapolitika,aratoekarena,arapiarahamonina ,aratsaina...ra misy ny lafy ratsy misy ko ny lafy tsara de velabelaro ny hevitra fa tsy izingizinina tsy ampandinihina..miandry fanazavana
6. xxx ( 06/01/2009 14:02)
Hitako amin'izao hevitra avokanao izao ry noty fa gasy tsy mipetraka eto an-toerana tokoa enao na dia tsy nijery ny mombamomba anao ary ny tenako. Efa tafiditra ao an-tsainao tokoa mantsy ilay rediredim-bazaha amin'ity hoe: colonisation positive. Ahoana ry noty no ahitanao zava-tsoa amin'ny famonoana olona an???? mba mila valiny amin'io koa izaho???? Izay no mahatonga ahy miteny hoe ratsy ny fanjanahana. point. Ary tsy ny olona ihany no vonoin'izany fanjanahana izany, fa ny fomba ama-panao, ny fomba fisainana ao amin'ilay firenena, ny maha-olona anao mihitsy(ao anatin'izany ny fomba fiteny izay efa miha-very hoy i benasy tatsy amin'ny dinika hafa tatsy).

Raha toa ka hiresaka toe-karena, politika,...sns indray enao amiko. Dia izay no mahatonga ahy miteny hoe: système roa samihafa no am-piasain'ny frantsay sy ny anglisy. Fa ny fanjanahana dia fanjanahana ihany no anarany (izany hoe zavatra ratsy). Ka inona no antony ampitahana an'io fanjanahana io????
7. naughtyboy ( 06/01/2009 16:31)
tsy any @ mipetraka sy tsy mipetraka ao dago no votoantodresaka ngambany
fa ny maharatsy sy mahatsara ny fanjanahana no ilaina fanazavana kely any aminao ,ny vono olona tsy ny vazaha ihany no namono olona tao amitsika aoka azava na t@ androny fahampanjaka tao @ sakalava ,merina (izay marihina fa antsoina oe homogeny @ politika)ary Atoa ratsiraka izay mbola tsy afaka ao antsainy malagasy :arrow: dikany tsy point izay fa virgule :D
Ary araky ny nolazaiko misy ny lafy tsarany zv rehetra fa tsy negative dolidoly akory zany oe amarino tsara ny hevitrao fa misy ireo zanatany toy ny Australia,canada ,U.S.A, N.Z na i maurituis aza de lasa lavitra noho i M.kara ka tsy azo atsipy @ fanjanahana fotsiny ny ranondolana ,fehiny matoa misy ny miiba de misy ny miabo tsy azo atao fijery mitanila o.k :wink:
8. Rafahafahana ( 06/01/2009 16:49)
Mihazakazaka mankany @ ratsy ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny.
Efa soamry elaela ihany no nialako tany Madagasikara, na izany aza anefa dia mba maharaka ny vao2 any an-toerana ihany aho, ary matetika no mifampiresaka @ fianakaviana sisa tavela any, milazany zava-misy any an-toerana, dia gaga aho fa tena miha mahantra ny malagasy ary tena mampalahelo tokoa. Fa ireto mpitondra anefa toa miha manan-karena hatrany: Mahamenatra
9. xxx ( 06/01/2009 20:29)
Marina tokoa ny teninao ry noty raha ny vola fotsiny no ao an-dohanao, miroborobo fatratra tokoa ireo firenena ireo. Tsara tokoa ho an'ny mpanjana-tany ny fanjanahana. Izay vao azoko ilay tianao ho tenenina. Fa mba iza moa ry noty no mitondra ireo firenena lazainao ireo???? ary aiza amin'izao ny tompon-tanana??? iza no novonoina, nofongorona hiala eo amin'ny taniny??? Iza no mahantra ao amin'ireo firenena ireo amin'izao, ilay mpanjanaka sa ilay voazanaka. Dia tsara ve izany????

A QUI PROFITE LE CRIME????
10. naughtyboy ( 07/01/2009 05:37)
tena avadikao ny resaka refa tsy voazavanao ny hevitra tinao ampitaina , ny ato andohako aloha de tsy anjaranao no mitsara izany fa ny hevitrao no ilaina fanazavana misimisy ..tsy oe novonoina,mahantra = ratsy ...tsy fomba fiady hevitra izany tompoko fa bontolo fotsiny
11. naughtyboy ( 07/01/2009 09:45)
oh.kely tiko asongadina de tsotra in no atao oe fanjanahana aloha,in no niseho talohany nidirany fanjanahana nandritra izany sy taorinany @ reo firenena rehetra niaina izany na ny frantsay(gallois) tony aza anie ra manaraka tantara enao io de mbola nozanahiny romana ko e,ny bekintana indray voazanaka nefa de nanjanaka nosy sy firenena samihafa tato aorina ka eo no ilaina azavainao ny hevitrao azafady
12. benasy ( 08/01/2009 14:20)
Tsy ny fanjanahan-tany @ maha fanjanahan-tany azy no tena tiako haseho eto!
Fa ny voka-pisiany....Sao lasa lavitra 'nareo.

Na iza manan-tsaina, na iza fetsy, na iza hendry... Ny ZAVA-MISY, TSY TAKONA AFENINA fa mivandravandra loatra.... Mandroso ny olona, fa isika sy ny toa antsika eto ihany…

Aza be famaritra ambony ihany, tokoa fa efa lasa lavitra ny toe-karen’ny ankamaroan’ny zanatany Anglisy, ary marina izany ! Nahavita dingan-dava maromaro (sa nampandinganina?)ho @ fandrosoana izy.

Ary isika tsy nankaiza akory, fa zara raha nahavita dingana kely roa na telo : Inona re no mitazona antsika tsy hihetsika e ? Toe-tsaina ve ? Mpitondra ve ? Sa inona loatra ?

(Eny e ! Fa ny tsy haiko leferina kosa, dia ny mbola fanekentsika mandraka ankehitriny ny hoandevozin’ny fanjanahan-tsaina, ilay tsy mikendry afatsy ny hamotipotika ny maha iska antsika … !)
13. Herimiafina ( 11/01/2009 16:35)
Fantaro ny fomba nitondran'ny anglisy ny zanataniny fahiny, ary ampitahao amin'ny fomba nitondran'ny frantsay ny azy dia ho hitanao ny antony mampiavaka ny fotompisainan'ny zanatany taty aoriana! :/
14. benasy ( 15/01/2009 11:11)
Ssssh ! ny an'ny frantsay angé nozarainy vatomamy tsirairay ny zanataniny, ka nony lasa izy dia "grate-ciel" maromaro no nasolny ireny vatomamy ireny e!.
sady lasa lavitra ny teknolojian-dry zalahy nomeny maimaimpoana ho an'ny zanany.
Fa ny an'ny Anglisy kosa, Bidons ville maromaro no mameno tanàna. Tsy nisy fampandrosoana nentiny, fa izay zanataniny ndeha hivoatra dia kapainy! Jereo fa zara raha misy "grate-ciel" any amin'izy ireny,
NB: Ohatra akaiky raisintsika ny "grate-ciel" eto an ! sao misy mandray vilana !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2117