sahirana

1. silver ( 04/01/2009 16:01)
Miarahaba atsika rehetra tratry ny taona vaovao,hitondra fahasalamana sy fahasoavana lalandava ho atsika anie ity taona ity;
Mba mila toro-hevitra avy @ lhl sy vhv aho ra azo atao: manana zandry lahy aho niteraka dia nisaraka izy 2 satria tsy nivady fa tsy mbola vonona t@ zany ity zandriko,@ zao fotoana izao miaraka indray izy sy ny renin-janany ,vonona ny hiaraka hipetraka @ zay hono ary hivady @ zay,ny RDA razazavavy anefa tsy manaiky satria zareo no nitaiza sy nhabe ny zaza, miantso azy mivadi lhb dada sy mama,tsy ho tafasaraka @ zareo ity zaza ra dinihina nefa izy 2 tsy manaiky fa hiaraka honina @ zanany, raikitra ny fifamaliana ary, ny RDA -ny vhv milaza oe tsy manana hambo ny zanany vavy, ny RDA ny lahy mamporisika mafy ny hivadian-dry zareo sy hitokanany ,mba inona ny hevitra haroso @ tsi11 avy?
novalian'i MAZUMI ny 22/01/2009 07:42
2. karinah ( 04/01/2009 16:18)
Bonne année 2009!...Raha ny tokony ho izy dia manaraka an'izy roa kely ny zaza, azy ireo ny zaza fa tsy an'ny RAD razazavavy, eny fa na dia nitaiza nahalehibe azy aza izy ireo.
3. ainaheri ( 04/01/2009 17:23)
Bonané kou nareo ee....Zay tony tokantrano tony refa idiran'ny Rad ee,ny tena marina tsy tokony hitazona ny zaza ny rad-ndrazazavavy,raha vonona ny hiray sy hitokantrano ry zareo.......Tia tena loatra ilay rafozan'ilay bandy ka tsy mieritreritrra ny hoavin'ity zafikeliny
4. Noue ( 04/01/2009 18:22)
silver:

,vonona ny hiaraka hipetraka @ zay hono ary hivady @ zay,ny RDA razazavavy anefa tsy manaiky satria zareo no nitaiza sy nhabe ny zaza,
tia tena marina ny RAD razazavavy eee ! efa vonona ny hivady sy hitaiza ny zanany zareo dia tokony tsisy olana @ RAD mahintsiny zany fa avy dia mamerina ireo zaza ireo @ izy roa hivady fotsiny eeee !


5. silver ( 05/01/2009 07:47)
ny fandehany izany dia ny RDA an-drazazavavy no nitaiza ny zaza, tsy mahalala akory fa reniny ra vehivavy fa toy ny zokiny, dia toy zoky sy ny sipany izany no everany ny rainy sy ny reniny,tsy maintsy ambara @ ilay zaza fa ireo no RDA-ny, io fomba io no manahirana ny fianakaviana.
6. hana ( 05/01/2009 13:49)
salama daholo eh
nanana namana toa io aho, notaizain'ny RAR ilay vhvv ny zaza satria niteraka tsy nanambady izy. Nanambady olon-kafa mihitsy ilay vhv taty aoriana dia io vadiny vaovao io no niady fa tsy maintsy lasany ny zaza voalohany.
Nihisatra be ny RAR satria niantso dada sy mama azy ireo mihitsy ilay zaza ary nihevitra ilay reny niteraka ho zoky koa. tena tsy nanaiky nefa ireo mpivady vao dia nazavaina t@ ilay zaza aloha t@ voalohany hoe handeha hipetraka any @dry zareo izy fa efa antitra i dada sy mama. Efa niteraka ireo mpivady vao vao nozarin-dry zareo hiantso dada sy neny azy ilay zaza voalohany ka nazavaina taminy fa io no reniny fa tsy afaka nitaiza azy aloha fa mbola sahirana nianatra.
Mahagaga fa rehefa anaty toe-javatra tony dia mora manaiky mihitsy ny zaza satria mitsidika matetika ireo dadabe sy bebe nitaiza azy ihany izy. Tsy nampidirin'ny lehibe tao an-dohany koa moa hoe nisy ady momba ny fitaizana azy. Tsy mora t@ ireo RAR be ilay izy t@ voalohany fa rehefa hitany fa tena tian'ilay dadakely izy mianaka dia nionona tsimoramora teny ihany izy naka ny toerany marina. Taloha ry zareo saika midikiditra t@ ilay fitaizàna foana, manakiana ireo tanora, fa na ny mpiara-monina na ny tany am-pianaran'ilay zaza, ny havana sns nomba ireo mpivady vao daholo.
Mahereza eh, soa kokoa ho an'ilay zaza ny miara-miaina @ tena ray aman-dreniny, iretsy anie tsy ho very fa ho dadabe sy bebe foana eh. Na izy aza hahatsiaro ho maivamaivana avy eo fa @ voalohany fotsiny no toa mangahiahy
7. silver ( 05/01/2009 16:30)
Misaotra betsaka anareo nanoro hevitra fa mbola ady ny an'ny RDA-nay vao hanaiky izany,moa izaho ity mantsy zoky ka nahankinin'ny zandry ahy ny hi-convaincre ny RDA-nay;sarotra ka!ny atahorako dia ny hiady amiko izy mivady lehibe!sady mampalahelo ahy ry zareo satria ny zaza efa ho 6 taona.
8. karinah ( 05/01/2009 17:07)
silver:

ny fandehany izany dia ny RDA an-drazazavavy no nitaiza ny zaza, tsy mahalala akory fa reniny ra vehivavy fa toy ny zokiny, dia toy zoky sy ny sipany izany no everany ny rainy sy ny reniny,tsy maintsy ambara @ ilay zaza fa ireo no RDA-ny, io fomba io no manahirana ny fianakaviana.

marina fa manahirana indrindra eo amin'ilay zaza ny hiovan'ny mpitaiza indray , anefa tsy maintsy izay no izy satria ny RAR dia RAR foana, ary vonona ny hitaiza azy, tsy manankana azy tsy hitia ny Raibeny sy ny Renibeany izany. Ara-dalàna mihintsy raha manaraka ny tena RAD ilay zaza.


9. MAZUMI ( 22/01/2009 07:42)
tratry ny taona daholo e.........
zao ihany eh aoka alou ny tokantrano tsy hidirany Ray amandReny.
Fa ny Ray amandreny tsy hiarahonina aminao mandrakizay rehefa mifankatia izy roa de ampy zay
tsy mitovy aminy taloha intsony izao vanimpotoana hiainana zao ka asaivo mijoro aminy maha Ray azy lery!
ZAy fa ed mahereza eh
Fanampiana koa anie ny fiainana eh









© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4285