famindràna razana

1. xxx ( 02/01/2009 11:06)
Mba saika hanontany tompoko, azafady...
Sao misy mahalala ny fanao rehetra rehefa hamindra razana amin'ny fasana vaovao? na afaka manome soso-kevitra ? Ny faty tsy handrasana am-bohitra fa fonosina dia atsofoka amin'ny fasana vaovao. Fa hamahana olona no eritreritra na izany aza, dia asiana fotoampivavahana
novalian'i xxx ny 08/01/2009 11:46
2. ikaretsaka ( 02/01/2009 17:06)
arakarak' ilay fomban toerana sy taranaka io. Misy manao an'io tsotra...misy le manao an'io ho karazana famadihana mihitsy... ny tsara dia manontany ny zokiolona eo antanana sy aminareo
3. Bita ( 04/01/2009 10:43)
Izay fomban'ny olona ao @ io toerana hamindrana Razana io no tokony ho arahana satria izay ny fomban'ny olona satria izy ireo no efa tao efa ela. Ary azo atao tsara ny mampifanaraka ny fombandrazano izany hoe manontany ny zokiolona ao @ io tanana hampidirana ny rRazana ianao dia manontany koa ny fomban'ireo fanaon-drazanao dia hampiarahina ireo mba tsy hisinan'ny tsiny.
Mahereza ary mahavita be e!
4. hana ( 05/01/2009 13:36)
salama daholo ô
karazana famadihana mihitsy anie izany ity kasainareo hatao ity fa izany hoe tsy ilay fasana namoahana fotsiny no anitrihana indray avy eo eh.
Fanamarihana kely fotsiny : efa "voatsara" ilay fasana vaovao?
Saingy "tsy manan-draharaha @ faty maina" ny tenanay ka aleo tsy miditra lalina
hana
5. silver ( 05/01/2009 16:35)
Misy fomba koa ny hoe "manandro" satria ny fasana vao misintona , efa nisy tantara 1 izay mantsy, natao tsotra ny raharaha fa dia nisesy ho 8 ny maty nalevina tao @ fasana vao vao nijanona,ny hevitry ny maro mahataka-davitra hoy ny Ntaolo ary marina io, tsy mampitahotra aho akory fa dinihina tsara ny fombafomba vao manao zavatra, y atsika Malagasy mantsy be fombafomba ary misy tsy hita izay maha-ratsy azy.
6. xxx ( 06/01/2009 16:41)
Sarotra ihany izy ty...
Karazana famadihana tokoa moa zany rehefa misy resaka fikitihana faty ? ataoko hoe lay misy mozika sy fametrahana razana am-bohitra no famadihana...
Ny hevitry ny namana eo ambony ve zany dia hoe "tsy kitihana lay olona efa tsara pirina ao amin'ny fasana taloha fa zay aty aoriana ka maty no mankao?"

Lay teo aloha manko fasam-pianankaviana be dia be, ka efa mihafeno, dia hisintaka zany ny taranaka iray dia haka ilay olona iray azy ao amin'ilay fasana taloha...
7. silver ( 07/01/2009 08:22)
Tsy asiana fahadisoana @ hevitra ka,hoy aho oe aleo mitandrina sy manaraka ny fombafomba reheta rehefa hikitika fasana fa sarotiny ny razana indrindra ny tsy an-ny tena,kanefa arakaraky ny fombanareo ihany io,eto andrenivohitra betsaka ny tsy mamadika, manao safo-drazana no atao rehefa misokatra ny fasana,hafa mihintsy indray ny famindràna razana,anontanio ny zoky olona e! afaka manoro anareo izy ireo @ izay tokony hatao. Tranga nisy hoy ao ny tantara narosoko fa mino aho fa tsy hitranga @ rehetra satria samy manana ny fombafombany.
8. ari.malala ( 08/01/2009 06:49)
t@ 98 ny ao @ fianakaviandry dadanay nanao toy izany koa, nahavita fasana vaovao dia namindra razana fa ny natao t@ izany dia nentina teny an-tanàna aloha ireo razana hafindra, ary nanao famadiana ry zareo (atako hoe ry zareo satria aho anisan'ny mpanatrika fa tsy mpamomavola hevitra :-P), nasiana fotoam-pivavahana talohan'ny hanitrihana ireo razana fa ny nahatsikaiky ahy tamizay d naika hitsodrano ny fasana ry mopera fa tonga de noroahin'ilay mpanandro ohatry ny mandroaka inona sanatria fa na hono miaraka aminy na manao fombam-bazaha :roll: ary nasesiny nihodina ny fasana 7* izay rehetra teo...
9. xxx ( 08/01/2009 11:46)
loza koa zany...ka zay mantsy ho'a, raharaha ihany izy ty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.3786