Hoy ny SM : tapaho izay mahatonga ny fahotanao .....

21. badboy ( 06/01/2009 17:26)
coopsal >> Raha vao sarahanao ny vatana sy ny saina ary ny fanahy dia efa tsy olona intsony no jerenap fa efa zavatra hafa mihintsy!! Izay no mahatonga ahy miteny hoe raha vao ahilika hoe fanahy fatsy vatana na koa hoe nataon'ny vatana fa tsy fanahy dia tsy mitombona fa manao resaky ny te hiala bala!

Ny fanahy no misy dia satria misy ny vatana, ary ny vatana no nihetsika dia satria ny saina no naniraka! Ny vatana sy ny saina no tsy mandrimandry dia satria enjehin'ny eritreritra : ary ao @ io eritreritra io ilay fanahy no mipetraka!!

Tsy misy ny devoly fa misy ny fanahy ratsy, dia izay ao @ tsirairay avy fa ny fahaizana mifehy izay no sisa anjaran'ny olona! Tsy misy izany itoeran'ny devoly izany fa ny misy dia na marary saina na tonga saina na mitady harary saina na mitady ho tonga saina! Vokany : ny tsirairay ihany no devolin'ny tenany! Io tahaka ilay symbole chinois izay mametraka hoe ao anatin'ny maisina tsy maintsy misy fotsy kely ary ao anatin'ny fotsy tsy maintsy misy mainty kely!! Izany hoe efa ao ireo fa ny fahalebeazany no tsy mitovy!! Tahaka izany koa ny fananana fanay sy saina ratsy na tsara!

Izay no antony hilazako hoe tsy mila miatsaravelaytsihy mibebaka lalandava satria ny ota dia raikitapisaka @ olombelona, fa kosa mila miezaka hatrany hiaina tahaka ny olona ao anaty fanajana ny lalàna misy izay matetika tao anaty baiboly no nakana ny sasatsasany! 8) 8) 8)
22. ikaretsaka ( 06/01/2009 17:56)
Ary ialahy mitady te hanao theorie 1 @ Md Thomas d Aquin sy ny summa theologica an
23. badboy ( 07/01/2009 09:51)
ikaretsaka >> Inspiration perso io anahy io kah! Tsy haiko hoe ohatr'izay koa ve ny position'ny olokendry hafa na tsisy saina hafa fa ny ahy ny pragmatisme no mibaiko ny fiainako izay vao mametraka blablabla! 8) 8)
24. coopsal ( 14/01/2009 12:36)
Badboy >>>
1. Raha vao sarahanao ny vatana sy ny saina ary ny fanahy dia efa tsy olona intsony no jerenap fa efa zavatra hafa mihintsy.
==> Ny prof de français dia natao hampianatra français. Ary ny cours de français dia natao hianarana français, fa tsy malagasy na matematika. Misy ny ora izay ianarana Malagasy na fizika, saingy tsy afangaro ireo. Ny antony dia tsotra : misavoritaka ny saina raha mifangaroharo aby ireo cours ireo. Tahaka izany, misy ny efa mampianatra mikasika ny ara-nofo, misy ny efa manabe anao ara-tsaina, izao tontolo izao tena manao mihitsy an\'izany. Fa KRISTY raha tonga dia ny Fanahy, izay tena haharitra mandrakizay no beaziny. Ny mpianany dia manao ny asaNy. Ka ataoko fa tsy fanasarahana mihitsy ny hoe ity zavatra manokana ity aloha no banjinintsika eto!

2. Ny vatana sy ny saina no tsy mandrimandry dia satria enjehin\'ny eritreritra : ary ao @ io eritreritra io ilay fanahy no mipetraka!!
==> Tsy mbola nahita olona manao ratsy kanefa tsy enjehin\'ny eritreriny ve ianao? Izaho mahafantatra, ary ireny no maty fanahy.

3. ny tsirairay ihany no devolin\'ny tenany!
==> Nambaranao izy! Ny hevitry ny teny hoe devoly (izay tsy teny gasy na frantsay), dia hoe : mpiampanga (na koa hoe mpanendrikendrika). Raha io marina no ekenao dia manaiky ianao izany fa ny tsy mety ataon\'ny tsirairay ihany dia miampanga azy. Kanefa ve ianao tsy mbola niampanga olona nanao ny tsy mety ?

4. izay mametraka hoe ao anatin\'ny maisina tsy maintsy misy fotsy kely ary ao anatin\'ny fotsy tsy maintsy misy mainty kely
==> Amin\'ny olombelona (ankoatra an\'i KRISTY) dia ekeko ny hoe \"tsy maintsy manana mainty daholo ny olona na dia fotsy aza, ary na dia olona mainty aza dia misy fotsy ao aminy\" (eto izao isika miresaka fanahy fa tsy volon-koditra, fanahy fa tsy nofo). Fa ny fanontaniana dia hoe, inona no référence-nao, na antsoiko hoe instrument de mesure-nao ahafahanao milaza fa \"kely\" ilay mainty par rapport amin\'ny mainty na ny mifamadika amin\'izay ?
Ny siansa tany alohaloha tany dia nanambara, araka ny fitaovana sy fahafaha-nikaroka teo amin\'ny siantifika, fa hoe ny big bang dia zava-nisy 14 sa 15 millions d\'années avant notre ère. Taty aoriana dia nisy indray no nilaza fa tsara kokoa ny fitaovana nampiasaina ary nahita fa efa amina milliards fa tsy millions d\'années akory. Ary vao tamin\'ity taona vaovao ity aho no nahita hoe misy théorie vaovao indray mikasika ny noyau terrestre, izay noheverina hatrizay (ary voalaza aza fa efa nisy fitaovana nampiasaina hamantarana azy) fa vy sy nickel mifangaro, mafy be.
Ka hoy aho hoe, inona no fitaovam-pandrefesana andrefesanao ny fahamaintisana na ny hafotsin\'ny fanahinao! Mba hahafantaranao fa rehea miseho eo anatrehan\' Andriamanitra ianao dia keeeely fotsiny ny mainty?

5. fa kosa mila miezaka hatrany hiaina tahaka ny olona ao anaty fanajana ny lalàna misy izay matetika tao anaty baiboly no nakana ny sasatsasany!
==> Tao amin\'ny orinasa mpamboatra lamba iray izay nisy mpiasa aman-jatony. Ny machine tsirairay dia nisy autocollant nisy izao soratra izao : \"rehefa misangojy ny kofehy, antsoy ny contre-maître\". Nisy ramatoa iray tena za-draharaha sy kinga, fa nefa na dia kinga aza izy, indray andro dia nifangidotra ny kofehiny. Satria izy moa kinga sy havanana ka dia niezaka ny hamaha. Efa mpahazo azy ihany io, fa isaka ny miseho dia toa voavahany ihany ... na dia mivoraboraka aza iny kofehy iny avy eo. Fa tamin\'ity indray mitoraka ity, arakaraka ny niezahany teo dia vao mainka nifangidotra ny kofehy, ary farany izy dia niantso ny contre-maître. vao nijery ilay contre-maître dia nahafantatra ka niteny hoe : \"na dia efa misy soratra mandrara aza io dia mbola niezaka ny hamaha ihany ianao\". Tohina ramatoa dia nanao hoe \"ka efa niezaka tratra ny heriko aho, isanandro misy voavahako foana fa teto tsy efako intsony\". Hoy ilay contre-maître rehefa avy namaha ny kofehy : \"amin\'ny manaraka, raha mbola misy toy izao dia tadidio fa ny ezaka farany tsara azonao atao, dia ny miantso ahy\".
Fanontaniana izay hovalianao amin\'ny tenanao : moa ve izay lalàna misy eo amin\'ny fiainanao (na conscience na fiaraha-monina na aiza na aiza) tena voahajanao tokoa? Tsy efa nisy ve ianao, ary azo antoka fa tsy mbola hisy fotoana tsy afa-manoatra fa mandika ny lalàna ? Tsy nisy ve ireo izay efa fantatrao fa tsy tokony hatao, ary tsaroanao izany teo am-panaovana azy, kanefa tsy tohitrao fa nodikainao ihany ny lalàna ? Moa ve tsy efa niezaka ianao nanatanteraka ny lalàna ? Saingy tanterakao ve ny lalàna raha niezaka ianao ?

Tsaroako tao am-pianarana, nisy taranja iray antsoina hoe \"processus stochastique\" izay vaovao taminay tamin\'io taom-pianarana io. Vao nanomboka nanao DS dia 4 sy 3 ny naotin\'ny betsaka. Izaho anisan\'ireo izay nahazo naoty ambony : 6. dia mazava ho azy fa ny rehetra samy nahita dia niteny hoe \"mahay kosa elah ko!\", saingy 6/20 dia tsy mahazo moyenne foana, eny fa na dia ambony indrindra aza ny naotiko, raha iny no fanadinana dia tsy afaka tahaka ireo nahazo 4 sy 2 aho. Ny zava-nitranga, nirehareha aho ary rehefa tonga ny DS manaraka, ny ankizy efa nanomboka nahazo 10, 12, 14. Izaho mbola 6 ihany. Farany, ny ankizy nisy nahita 17, 18, nenah 8.
Mety mba ho isan\'ny ambony indrindra raha amin\'ny samy olona tokoa ny naotinao ara-pitondran-tena ... fa azonao antoka ve fa mahazo moyenne izany? Mino ve ianao fa satria toa mba isan\'ny tsara indrindra amin\'ny samy olona dia ampy izany hahafaka anao eo amin\'ny examen final (fitsarana farany) ? Mety hisy eto hidoka anao hoe : \"tena mba tsara izany principe-nao izany fa mahatoraka ny an-dry masina ranona sy ranona ...\".

Izaho tenako tsy latsa-danja ary anisan\'ny nampiaiky ny maro na tany am-piangonana hoe \"hendry ireto zanakareo ireto\" miantso ny RAD-ko. Rehefa nifanena tamin\'i KRISTY aho dia nanomboka natoroNY ahy ny critères de notation\' Andriamanitra, niezaka araka izay azoko natao aho mba ho tsara naoty saingy ... tsy maintsy tonga tamin\'ilay nibebaka isanandro araka ny lazainao. Farany aho tsy sahy nifona intsony satria tsy vitan\'ny hoe fantatro ny tsy tokony nataoko, fa sady mpanenjika ireo antsoiko hoe \"mpiatsara ivelatsihy\" aho no izaho tenako mbola manao ihany nefa efa mahafantatra. Ny antony dia tsotra : tsy vitan\'ny ezako ny hitandrina ny lalàna, na lalàna inona io na inona. Niantso ny contre-maître aho ary dia IZY no namaha ny kofehy namatotra ahy. Novahany tamin\'ny faharatsiana tsy tiako izay nangeja ahy aho, fa nafahany koa tamin\'izay efa fantatro fa ratsy kanefa ankafiziko sy tsy foiko. Izany no tena fahafahana!
Mety mbola mihevitra ianao mandraka ankehitrio fa voavahanao foana ny kofehy, na dia hitanao aza ny misavoromborna indraindray fa hodianao tsy ivakianao loha ireny, ary iheveranao fa miezaka fotsiny dia ampy!
Tsy haiko aloha, ny olona rehetra nahita ahy ho naranintsaina ary ny tenako dia nihevitra ahy ho tena objectif ... Fa KRISTY nampiseho ahy fa ny miezaka ho tsara ho ahy dia tahaka ny lalitra azon\'ny tranon-kala, ka arakaraka ny ihetsehana no mahavoafatotra. Ho ahy tsy misy vahaolana afa-tsy tokana : niantso ny Mpamonjy, ary tena novahany aho. Zavatra tsy haiko tenenina saingy afaka ho tsapan\'izay miantso Azy koa.
25. Mandefitra ( 15/01/2009 04:15)
Mahaliana ilay fanazavana entin i coopsal, fa ahoana ndray no handraisana ity :
Matio 5:39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray
26. ikaretsaka ( 15/01/2009 17:24)
Fa tohizako ihany le an'i badboy.... de ahoana ireny olona noforana,no amputena vokatry ny accident.nesorina na namindrana organes ireny

Nanota. Sy nampanota ve izany le prepuce,le membres napoakan'ny mines, ireo nify narary ka nesorina,le fo orizaka ka nosoloina fo mandeha pile .ilay ra nomena olona? Sns..... matoa nesorina
27. coopsal ( 16/01/2009 15:39)
Madefitra:
Mahaliana ilay fanazavana entin i coopsal, ...

==> Madrakariva dia be ny liana nanaraka an'i KRISTY, nihaino ny fampianaraNy. Fa vitsy foana no nahazo famonjena tamin'ireny : ireo izay nahatsiaro nila vonjy ary nino Azy.
Mampientanentana an'i coopsal ity fanamarihanao ity, saingy ny tian'i KRISTY dia ny hahitan'ny olona AZY ka hinoany mba hovonjena izy.

Mandefitra:
fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray

==> Tsy fantatro loatra ny tena fipetraky ny fanontanianao.
Ny tenin'i KRISTY kosa dia natao henoina amin'ny fo ary inoana, fa izay lazainy dia izay no marina (ara-bakiteny). Ny maha Zanak' Andriamanitra Azy dia natao hamonjena ny very, fa tsy natao hireharehana eo anatrehan'ny very.
Ny zavatra tokony ho fantatsika kosa dia hoe : Fanahy Andriamanitra fa tsy nofo, ary KRISTY dia tonga hanambara ny zava-panahy amin'ny olona nofo.

Izaho nihevitra an'io ara-nofo hatrizay, kanefa finalement hitako hoe zah ve d hanao an'izany tokoa hoe hisy mamelaka tehamaina d indro fa hotolorako ny ilany ? Kanefa KRISTY no mampanao an'ilay izy! Fa maka ohatra amin'ny ara-nofo izy hilazana ny momba ny fanahy, toe-panahy manetry tena.

Voambolana fampiasan'ny olona mihitsy ny hoe "nahazo felaka tehamaina" entina ilazana hoe "afa-baraka", na koa hoe "nahazo anatra tsaratsara".

Ahoana ary no fandraisanareo an'izao tenin'i KRISTY izao : "tantavaninareo ny moka nefa ny rameva atelinareo". Moa ve ny Fariseo tena msotro rano feno moka ka tantavaniny amin'ny passoir izany, d avy eo koa atelin'izy ireo ny rameva ? samy hanaiky ngamba fa milaza zava-panahy IZY, miteny hoe "ny faute kely tsy misy dikany d tsongolohinareo, fa ny fautenareo goavam-be" ... ary ny comparaison de grandeur dia moka sy rameva.

Fa na dia tsy KRISTY aza e! Iza no mbola tsy niteny na nandre Malagasy niteny hoe "voafahan-dalitra" ... tena misy mamahana lalitra tokoa ve? Mety ao anaty émission na blague na @ caricature no hisy hanao an'izany fa ny rehetra kosa dia samy mahazo hoe : nilazana fitaka ary dia nino no dikan'ny hoe "nanaiky nofahanana lalitra"

Ikaretsaka >>> Tsy azoko mihitsy ilay tohizanao! Hoy ny Soratra Masina (izay averiko eto amin'ny fomba hafa kanefa tsy manova ny heviny) hoe : KRISTY dia avy any an-danitra ary manambara ny zavatra avy any an-danitra (izany hoe mikasika ny fanahy) IZY, fa izay avy eto an-tany dia manambara ny zavatra eto an-tany.
Ka ny famorana ny fanahy dia nolazain'ny Apostoly Paoly tamin'ireo epistola nosoratany, na notenenin'i Etienne tamin'izy talohan'ny nitoraham-bato dia oeuvre de l'Esprit Saint, nouvelle naissance, olona miova fo (converti).
Ka tsy hitako izay anohizana ny fanontaniana mikasika ny nofo eto!
KRISTY miteny zavatra ara-nofo entina milaza ny momba ny fanahy. Ny olona manao zavatra mifamadika : milaza zava-panahy entina manambara sy mampiroborobo ny nofo.
Moa ve tsy afaka ahafantarana izay teny avy amin'ny fanahin'i KRISTY ka mampiavaka izay avy amin'ny fanahin'izao tontolo izao sy ny namany izany ?
28. ikaretsaka ( 16/01/2009 16:17)
Ivereno vakiana ny nosoratako sy I badboy fa lasa toy manao alika manenjika ny rrambony tokoa ianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565