Iza no mahalala ?

1. benasy ( 23/12/2008 07:13)
Hevitra tena tian'ilay ohabolana holazaina
"Trafonkena ome-mahery, ambava homana, am-po mieritreritra."
- Mahery (tsy masaka tsara? na tsy nadrahoina mihitsy) ve ilay trafony ?
- Sa ny fomba fanolotra no maherihery ?
- Sa ilay mpanolotra no mahery ?
- Sa ilay tolorana no mahery ?
- ...
répondu par benasy le 14/01/2009 11:25
2. Lejoba ( 23/12/2008 12:46)
Ny hevitro dia ilay trafon-kena no mahery. Tsy malemy izany, mety noho ny fandrahoana azy.
Dia mila tsakoina milamina eo ilay izy. Toy ny lasam-binany izany noho io antony io ilay mihinana
3. mmmhh ( 27/12/2008 06:11)
4. aikon ( 30/12/2008 06:52)
salut

ilay mahery no tolorana
5. benasy ( 14/01/2009 11:25)
Izaho mihevitra fa ny fomba fanolotra no maherihery !
Satria ny trafon-kena no faran'ny tsara amin'ny hena rehetra... Ary anefa ny Malagasy tsy mahatanty mihitsy ny atao hoe "latsaiina amin-kanina" Koa raha sakafo tsara indrindra (matsiro) no atolotra an-terisetra (an-katezerana) dia midika avatra hafahafa, mety ho mosavy, mety ho fialonana, mety koa enefa ho tsy fanajana fotsiny tsotra izao ilay tolorana...
Izay no fihevitro momba an'io!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.432